- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: Ireo “Lalomena” Ao Anatin'ny Sehatry ny Maha-Olona

Sokajy: Afrika Mainty, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Nandray anjara tamin'ny resaka tety anaty aterineto momba ny  “andian-taranaka leoparda [1]” sy ireo  “lalomena (hippopotames)” aty Afrika  i Szavanna [2][An].

“Manafintohina matetika ny mahita ny zavatra mitranga any anatin'ireny fikambanana mpiahy ny maha-olona ireny, tena misy toetsaina toy ny an'ny “lalomena” mihitsy ataon'ireo mpitantana sasany izay mitarika azy ireny,  ary mazàna no tsapako fa tsy misy maha-samihafa azy ny politikan'ny fanjakàna sy ny an'ireo ONG. Manao be resaka ry zareo – ohatra tamin'ilay fampisehoana an-tsehatra Live Earth – saingy tsy misy ny tena fiovàna eny an-kianja, hoy ny nambaran'i Femi Kuti.”

Araka ny lazain'i George Ayittey [3] [An] ny andian-taranaka leoparda dia ireo tanora, toy ireo izay nifamory nandritra ny kaonferansa TED [momba ny teknolojia vaovao], ireo mpanavotra an'i Afrika, izay tsy hiandry ny fanjakàna sy ireo ONG hanao zavatra ho azy ireo. Ny andian-taranaky ny lalomena dia ahitàna ireo mpitarika politika ankehitriny sy ireo mpandraharaha izay tena faly ny mifetafeta ao anatin'ny honahonan'izy mianakavy, ary mitaraina momba ny fanjanahana sy ny fahantràna saingy tsy manao na inona na inona”.