Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

13 Septambra 2017

Tantara tamin'ny 13 Septambra 2017

Etazonia: Manahy Amin'ny Fifandraisan'i Armenia Sy Iràna

Na any aminà “firenena kely” iray aza, mba te-hiaina finaritra ny olona, saingy noho ireo tsindry iraisam-pirenena rehetra mianjady ....tsy misy azontsika atao, afa-tsy ny mijery ny firenentsika hozongozonina miankavia miankavanana... raha tsy hoe misy zavatra tokony hatao angaha?

Ireo Biloagera Miteny Frantsay Miresaka Ny Oscars Sy Ny Césars

Tsy isalasalàna fa misy zavatra mitranga amin'izao fotoana ao Hollywood tato anatin'ny taona vitsivitsy : mitodika misimisy kokoa mankany Afrika ny mason'ireo mpamokatra.

Ady Ao Nagorno Karabakh: “Zaratany Noafahana”

Feno tombatombana momba ireo faritra fito ao Azerbaijan eo ambany ny fifehezan'ny tafika Armeniana sy Karabakh amin'izao fotoana izao, izay antsoin'ireo manana fijery nasionalista kokoa hoe "Faritra noafahana"ny  tontolon'ny blaogy Armenianina .

Afrika: Ireo “Lalomena” Ao Anatin'ny Sehatry ny Maha-Olona

...ny andian-taranaka leoparda dia ireo tanora....mpanavotra an'i Afrika, izay tsy hiandry ny fanjakàna sy ireo ONG hanao zavatra ho azy ireo. Ny andian-taranaky ny lalomena dia ireo mpitarika politika ankehitriny sy ireo mpandraharaha izay tena faly ny mifetafeta ao anatin'ny honahonan'izy mianakavy, ary mitaraina momba ny fanjanahana sy ny fahantràna...