- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ny Anarana Verin'ireo Andevo Mpanamboatra Biriky

Sokajy: Shina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Fanamarihana:lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Taorian'ny tantara ratsin'ireo andevo tao amin'ilay toerana fanamboarana biriky [1], hita tany am-piandohan'ny fahavaratra 2007, dia nandefa fanentanana iray tety anaty serasera ny mpanao gazety iray sady bilaogera, mba hahitàna ny anarana sy ny toerana niainan'ireo andevo efa ho telonjato mahery tsy navotsotry ny governemanta, ary mba hanavaozana ireo torohay diso momba ny lisitra izay nalefa ho fanta-bahoaka. i Joel Martinsen, ao amin'ny bilaogim-baovao shinoa Danwei [An] no nandika ho amin'ny teny Anglisy ireo torohay momba ilay fanentanana [2] sady manamarika fa marobe ireo bilaogera miasa tena sy mpanao gazety liam-pivoarana [3] no manohana azy.