- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe: Nataon'i Mugabe Anaty Lisitra Mainty ny Global Voices

Sokajy: Zimbaboe, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Fanamarihana: Lahatsortra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Nampidirin'ny governemantan'i Zimbaboe ho anaty lisitra mainty ny tranonkalantsika Global Voices. [1]. “Ny hita miharihary aloha dia iray amin'ireo loharanonà “fampielezankevitra mivaivay” nanaovana izay tsy hitokiana “ny tolona mahitsy ataontsika manohitra ireo Anglo-Saxons“. Isan'ireo tranonkala iraika amby efapolo natsofoky ny governemantan'ny antoko ZANU-PF ho anaty lisitra mainty izahay, lisitra iray ahitàna ny Washington Post sy CNN, ary ny Zimpundit [An], bilaogy manokan'ilay mpifandray aminay ao Zimbaboe.