- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siria Hita Amin'ny Fakantsarin'ireo Bilaogera

Sokajy: Syria, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana:lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Hovic sy Abd dia mpinamana avy ao Alep [1], avaratr'i Siria. Isan'ireo bilaogera manana ny sary tsara indrindra ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy. Ny bilaogin'i Hovic sy Abd, antsoina hoe Syria Looks [2] [En] sy Syria Winks [3] [En], dia tena varavarankely fampahafantarana an'i Siria. Indro ny fitetezana iray tamin'ny sasantsasany amin'ireo zavabita tsara indrindra avy amin'izy ireo.

Ireo tanàna maty
Samy nametraka angon-tsary tety anaty aterineto izy roa ireo, ahitàna ireo toerana manantantara, [4]mahafinaritra nefa tsy dia be mpahafantatra loatra.

Na ireo endriky ny faharavàna bizantina ao Surkania [5]

na ireo ao Sinkhar [6]

Ireo mandan'ny mpiady masina

Ananan'izy ireo ihany koa ireo sary mampitanàka ahitàna ny mandan'ireo mpiady masina tao Siria. Toy ny mandan'i Margat [7].

Na ilay lapa tsara aron'ireo “Chevaliers” [8], noheverina ho ohatra aminà fotodrafitrasa ara-tafika fahagola goavana indrindra sy tsara tahiry indrindra eto an-tany [9].

Eglizy sy Maoske

Inty ny tatitra an-tsary tsara be momba ireo monastera marobe miparitaka any anaty tendrombohitra ngazana ao Siria, toy ilay  iray mampitolagaga, ny monastera Mar Mousa [10] [monasteran'i St. Moïse ilay Etiopiàna [11]]

Tsy adino koa, mazava loatra, ireo haingon'ny maoske Omayyad [12].

Tsy ny Tantara irery ihany no tanisain'ny sarin-dry zareo ireo, fa koa ny natiora [13], ny kolontsaina [14], ary ny tontolo an-tanandehibe [15] ao Damas [16] sy Alep [17].

Ny fitetezana ireo rohy amin'ny tsanganana havanana ao amin'ny bilaogin'izy ireo dia toy ny fanaovana fivahinianana mahafinaritra itetezana ireo arabe [18], tendrombohitra [19], ireo morontsiraka [20] sy ireo tany hay [21] ao Siria.