Siria Hita Amin'ny Fakantsarin'ireo Bilaogera

(Fanamarihana:lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Hovic sy Abd dia mpinamana avy ao Alep, avaratr'i Siria. Isan'ireo bilaogera manana ny sary tsara indrindra ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy. Ny bilaogin'i Hovic sy Abd, antsoina hoe Syria Looks [En] sy Syria Winks [En], dia tena varavarankely fampahafantarana an'i Siria. Indro ny fitetezana iray tamin'ny sasantsasany amin'ireo zavabita tsara indrindra avy amin'izy ireo.

Ireo tanàna maty
Samy nametraka angon-tsary tety anaty aterineto izy roa ireo, ahitàna ireo toerana manantantara, mahafinaritra nefa tsy dia be mpahafantatra loatra.

Na ireo endriky ny faharavàna bizantina ao Surkania

na ireo ao Sinkhar

Ireo mandan'ny mpiady masina

Ananan'izy ireo ihany koa ireo sary mampitanàka ahitàna ny mandan'ireo mpiady masina tao Siria. Toy ny mandan'i Margat.

Na ilay lapa tsara aron'ireo “Chevaliers”, noheverina ho ohatra aminà fotodrafitrasa ara-tafika fahagola goavana indrindra sy tsara tahiry indrindra eto an-tany.

Eglizy sy Maoske

Inty ny tatitra an-tsary tsara be momba ireo monastera marobe miparitaka any anaty tendrombohitra ngazana ao Siria, toy ilay  iray mampitolagaga, ny monastera Mar Mousa [monasteran'i St. Moïse ilay Etiopiàna]

Tsy adino koa, mazava loatra, ireo haingon'ny maoske Omayyad .

Tsy ny Tantara irery ihany no tanisain'ny sarin-dry zareo ireo, fa koa ny natiora, ny kolontsaina, ary ny tontolo an-tanandehibe ao Damas sy Alep.

Ny fitetezana ireo rohy amin'ny tsanganana havanana ao amin'ny bilaogin'izy ireo dia toy ny fanaovana fivahinianana mahafinaritra itetezana ireo arabe, tendrombohitra, ireo morontsiraka sy ireo tany hay ao Siria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.