Nosakanana Ny Bilaogy Shinoa Malaza Miisa Telo

(Marihina fa tamin'ny 8 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

FANAVAOZAM-BAOVAO: Farafahakeliny roa tamin'ireo bilaogy ireo no ny solony sisa hita. Jereo any amin'ny fanehoan-kevitra , na ity lahatsoratra famintinana ity.

——————————————————

Voasakana ny BSPs an'ny bilaogera Shinoa malaza miisa telo, anisan'izany ny an'ny iray amin'ireo bilaogera malaza indrindra ao amin'ny firenena sy ny mpandresy tamin'ny DW Bilaogy Tsara Indrindra , Milk Massage (Otra Ronono).

Milk Massage(Otra Ronono), Milkpig(Rononon-kisoa) ary Pro State in Flames (Mpanohana Fanjakana Mirehitra na Tatavia Mirehitra) ireo bilaogy telo ireo. Ny Yculblog no nampiantrano ny bilaogy roa voalohany ary ny Sohoxiaobao no nampiantrano ilay farany. Amin'izao fotoana izao, raha miezaka miditra amin'ireo bilaogy ireo ianao dia hahazo hafatra tahaka ny hoe “Nakatona vonjimaika ity bilaogy ity noho ny antony tsy azo anoharana fantatsika rehetra” na “Noho ny antony tsy ara-teknika dia mikatona nanomboka androany ity bilaogy ity”. Indro ny dikasary .

Raha ny hita dia tsy avy amin'ny governemanta ity fanakanana ity fa avy amin'ireo olon-tsotra ao amin'ny Sampan-draharaha Mpanome Tolotra Bilaogy izay mihevitra ireo bilaogy miisa telo ireo ho manafintohina sy mampidi-doza. Manana tantara i Danwei. Mampitaha izany amin'ny bilaogera iray hafa ihany koa izy, izay mpikambana iray ao amin'ny CPPCC , fivoriana mampifandray fanao isan-taona ao Beijing.

Niparitaka haingana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Shinoa ny vaovao. Nilaza  i Lianyue, mpanao matoandahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy miaraka amin'ny fomba maneso mahazatra azy (amin'ny dikanteny):

Yesterday, the officals at “Administration of Blog” has receieved an email, demanding the shutdown of “Lianyue's Blog”. It's wonderful that the sender of the mail is Lianyue himself. His reason is “All are blocked except for me. So I am faceless”

Omaly, naharay mailaka ny manampahefana tao amin'ny “Fitantanana Bilaogy”, izay nangataka ny fanakatonana ny “Bilaogin'i Lianyue”. Mahagaga fa i Lianyue ihany no mpandefa ny mailaka . Ny antony hoy izy dia “Voasakana avokoa ny rehetra afa-tsy izaho. Ka tsy fantatro ny tavako”

Namakafaka ny antony mahatonga ny fanakanana ny Hellomedia, bilaogy iray natokana hanarahana ny fivoaran'ny ny media vaovao. Nihevitra izy raha nampiseho ny pikantsary iray dia fa ny fitenenana ny FaLungong no nanakatonana ny bilaogy Milk Massage. Ho an'i Milkpig kosa dia toa tsy dia mazava loatra izany satria niresaka momba ireo tantara malaza sy ny fosafosa fotsiny ihany izy. Ary ho an'ny “Pro State in Flames”, dia efa ela no naherisetra ara-politika izy ary nosakanana satria natao tao Beijing ny fihaonambe ara-politika roa lehibe : CPPCC sy CPC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.