- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Taombaovao Iraniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 21 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Hankalaza ny TAONA VAOVAO [1] (1385), Norouz [2] anio ireo Iraniana manerana izao tontolo izao . Mahavariana ny mahita fa bilaogera maro no mahatsiaro ireo gadra politika, bilaogera na tsia.

Vao namoaka hafatra fohy fiarahabana ny Taona Vaovao tao amin'ny bilaoginy ny mpanao politika reformista Iraniana roa sady bilaogera, Mostafa Moin [3] sy Mohammad Ali Abtahi.

Nilaza i Moin [3] (Persiana) fa lasa ny taona 1384 (taona teo aloha) miaraka amin'ny hamaminy sy ny alahelony rehetra ary mila mianatra lesona avy amin'izany isika . [4]

Nirary taona feno fahasambarana i Abtahi, … sy fahaizana mijery ny zava-misy ho an'ny Iraniana rehetra [5] (Persiana). Angamba mety manondro ny krizy nokleary [6] ankehitriny ny zava-misy lazaina eto.

Miresaka momba an'i Osdanlou [7], mpitarika ny sendikan'ny fiara fitateram-bahoaka nogadraina, izay mbola any am-ponja i Farda Generation (Persiana). Milaza ilay bilaogera fa avelao hirehitra ho azy ny labozia mba hampisy fanantenana azy ho afaka amin'ny herintaona. [8]

Miresaka momba ilay bilaogera nogadraina, Mojtaba Saminejad [9]  i Hanif Mazroi (Persiana), bilaogera monina ao Iran, mpaka sary sady mpanao gazety. Manoratra ilay bilaogera fa nitsidika ny fianakavian'i Saminejad izy niaraka tamin'ny bilaogera maromaro hafa  . [10]

Mampahatsiahy antsika i Noqte tahe khat (Persiana) fa taonan'ny Alika ny Taombaovao Iraniana [11] .

Nilaza i  Abbas Maroufi , mpanoratra monina any Alemaina, sady poeta no bilaogera, (Persiana) fa nahatonga ny zava-drehetra ho tahaka ny lohataona ny fanafahana an'i Ganji. [12]