Mpiaro Ny Zon'Olombelona Palestiniana Nosamborina Noho Ny Lahatsoratra Facebook Iray

Sarin'ilay mpiaro ny zon'olombelona Palestiniana Issa Amro. Loharanon-tsary: Kaonty Twitter an'ny Tanora Manohitra ny Fifanarahana

Manohy ny famoretana falalaham-pitenenana ao amin'ny Morondrano Andrefana ny Manampahefana Palestiniana (PA), nisambotra ilay mpikatroky ny zon'olombelona Palestiniana malaza Issa Amro izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity noho ny fanakianana fisamborana ny mpanao gazety iray tao amin'ny lahatsoratra Facebook iray.

Mpandrindra sady mpiara-manorina fototra ny fikambanana Youth Against Settlements (Tanora Manohitra Fanorenam-Boanjo), izay manadihady ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny tafika Israeliana sy ny voanjo i Issa Amro, monina ao an-tanàndehiben'i Hebrona any Morondrano Andrefana. Nankatò azy ho mpiaro ny zon'olombelona ny Vondrona Eoropeana sy ny biraon'ny Vaomiera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona .

Amin'ny maha-iray amin'ireo mpisolovava Palestiniana malaza azy noho ny fanoherana tsy manao herisetra, dia miatrika olana ara-pitsarana avy amin'ny governemanta Isiraeliana ihany koa i Amro . Miatrika fiampangana miisa 18 izy ao anatin'ny raharaha samihafa izay hanenjehan'ny fitsarana miaramila Israeliana azy , anisan'izany ny fiampangana notoherina ho mandranitra herisetra, avy amin'ny hetsi-panoherana ara-politika nataony. Nanomboka tamin'ny 3 Septambra ny fitsarana azy, saingy nahemotra avy hatrany amin'ny 22 Oktobra izany. Nanameloka ny fiampangana an'i Amro ny manam-pahaizan'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona , sy ny Amnesty International ary ireo mpanao lalàna Amerikanina isankaranzany.

Araka ny rahalahin'i Amro, nampanantsoin'ny Tafika miandraikitra ny Fiarovana Palestiniana izy ny marainan'ny 4 septambra ary nohadihadian'ny manampahefana noho ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, izay nanakianan'i Amro ny Manampahefana Palestiniana noho ny fisamborana ilay mpanao gazety Ayman Qawasmi ny omalin'io.

Mitantana onjam-peo iray ao an-toerana antsoina hoe Manbar al-Hurriya i Qawasmi , izay notafihan'ny tafika Israeliana tamin'ny 3 Septambra ary nodidiana hikatona mandritra ny enim-bolana noho ny filazana fa nanao  “fandrangitana”. Nosamborin'ny mpitandro ny filaminan'ny Manampahefana Palestiniana i Qawasmi taty aoriana noho ny fanakianana mivantana azy ireo sy noho ny fitakiana ny fialan'ny Filohan'ny Fahefana Palestiniana Mahmoud Abbas sy ny Praiminisitra Rami Hamdallah.

Tsy afaka navoaka ilay lahatsoratra tao amin'ny Facebook satria tsy hita intsony ilay kaonty Facebook-n'i Amro, izay inoana fa noho ny famonoana na ny famafana ny kaonty. Na izany aza, nisy ny pikantsary iray avotra ihany ary navoakan'ny Tanora Manohitra ny Fanorenam-Boanjo. Nanameloka ny fisamborana an'i Qawasmi i Amro tao amin'ny lahatsoratra ary niantso ny Fahefana Palestiniana mba hanaja sy hiaro ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ary ny adidin'izy ireo iraisampirenena .

Navotsotra tamin'ny 6 Septambra i Qawasmi, saingy mbola notazonina i Amro. Tamin'ny 6 septambra, nitarin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna Palestiniana 24 ora ny fihazonana an'i Amro  ary voampanga izy noho ny fandrisihana fampisaraham-bazana sy fanivaivana ny filohan'ny Fahefana Palestiniana, na ny “fitenenana tamim-paniratsirana”.

Vaovao tselatra: Notohizan'ny mpampanoa lalàna 24 ora ny fihazonana ilay mpiaro ny zon'olombelona @Issaamro izay voampanga ho nanao “fandrisihana fampisaraham-bazana”.

Tao amin'ny fanambarana navoakan'ny Tanora Manohitra ny Fanorenam-Boanjo,  nilaza i Amro talohan'ny fisamborana azy fa:

All my writings on social media are part of the freedom of opinion and expression stipulated by the Palestinian Basic Law and are protected by all international laws and conventions.

[…]

My arrest will not affect my defense of human rights and the rights of journalists to exercise their work freely and without pressure from the government.

Anisan'ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ny asa soratro rehetra ao amin'ny media sosialy izay voalaza ao amin'ny Lalàna fototra Palestiniana ary arovan'ny lalàna iraisampirenena sy ny fifanarahana rehetra.

[…]

Tsy hisy fiantraikany eo amin'ny fiarovako ny zon'olombelona sy ny zon'ny mpanao gazety amin'ny fampiharana ny asan'izy ireo malalaka tsy misy faneriterena avy amin'ny governemanta ny fisamborana ahy.

Tamin'ny 6 Septambra, nisioka ny Tanora Manohitra ny Fanorenam-Boanjo fa hitokona tsy hihinan-kanina i Amro mba hanoherana ny fisamborana azy tsy ara-dalàna:

FANAVAOZAM-BAOVAO: mbola nogadrain'ny Manampahefana Palestiniana any am-ponja i @Issaamro. Fiampangana noho ny “vava navoakany mahatonga ady” tamin'ny faniratsirana ny filoha PA Mahmoud Abbas

Nanameloka ny fisamborana azy ny Amnesty International, ary niantso izany ho “fanafihana tsy misy henatra ny fahalalaham-pitenenana” ary mitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro. “Ny fisamborana an'i Issa Amro no porofo farany indrindra fa tapa-kevitra hanohy ny fanentanana momba fameran'izy ireo ny fahalalahana miteny ny manampahefana Palestiniana”, hoy i Magdalena Mughrabi, tale lefitry ny Amnesty misahana ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Namoaka fanambarana ihany koa  ny Biraon'ny Vaomiera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona tamin'ny alatsinainy naneho ny ahiahiny momba ny fisamborana an'i Amro ary mandrisika ny famotsorana azy.

Nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay ny Fahefana Palestiniana dia nanamafy ny famoretany ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary ny fahalalahana miteny antserasera, misambotra mpanao gazety sy mpikatroka [mg], manakana [mg] ny tranonkalan'ny mpanohitra sy ny mpitsikera, ary nanangana lalàna henjana momba ny heloka antserasera. Ny fitenenany momba ny fisamborana an'i Qawasmi sy ny fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana izay nataon'ny PA no hany heloka bevava nataon'i Amro. Ary izy indray ankehitriny no lasibatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.