- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanolotra Vola 2 Tapitrisa Dolara Hampitomboana Ny Fandraisana Anjara Amin'ny Habaka Ara-tsosialy Shiliana ny Gates Foundation

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny Janoary taona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy )

Tamin'ny volana Martsa teo, nanondro [1] ny tranonkalan'ny Contenidos Locales (“Vaovao ao An-toerana”) [2], fandaharan'asan'ny Tambajotran'ny Tranombokim-pirenena ao Shily [3], ho ohatra faka tahaka iray momba ny andrim-panjakana tahaka ny tranomboky afaka manentana ny fandraisan'anjaran'olom-pirenena amin'ny fampiofanana ireo mpanjifany ao an-toerana mba hanararaotra ireo fitaovana media vaovao aho.

biblioredes [4]

Kilasy Fahaiza-mamaky teny Nomerika ao amin'ny Biblioteca Pica

Examples include Buscando Mis Raices [5] (“Looking for my Roots”) by Rosa Tromilén, which offers a personal history of the Mapuche-majority community Juan Calfumán; Conjunto Folklórico Renacer de Cucao [6], a youth-group on Chiloé Island [7] dedicated to preserving local folkloric traditions; and the website of the Asociación de Artistas Plásticos de Puerto Montt [8] (“Association of Plastic Artists of Puerto Montt”).

Anisan'ireo ohatra ny Buscando Mis Raices [5] (“Mitady ny Fiaviako”) avy amin'i Rosa Tromilén, izay manolotra tantara manokana momba ny vondrom-piarahamonina betsaka Mapuche, Juan Calfumán; Conjunto Folklórico Renacer de Cucao [6], vondrona tanora ao amin'ny Nosy Chiloé [7] natokana hiarovana ny vakisaova nentin-drazana ao an-toerana; ary ny tranonkalan'ny Fikambanana Artistas Plásticos de Puerto Montt [8] (“Fikambanan'ny Mpanakanto ara-Plastika ao Puerto Montt”).

Nandritra ny fivoriana isan-taona fanaon'ireo mpitantana tranomboky Shiliana, nampanantena tamin'ireo nivory i Enzo Abbagliati [9] fa amin'ny  faran'ny taona 2009, homena fidirana aterineto an'onjam-pifandraisana maimaim-poana ny tranokala Shiliana rehetra, manomboka ao amin'ny tanjona atsimo any Patagonia ka hatrany amin'ny sisintany avaratra mifanolotra amin'i Bolivia. Nanantitrantitra ihany koa izy fa ny fampiofanana momba ny fahaizana nomerika sy ny tranokalan'ny “Votoaty ao an-toerana” dia havaozina mba hanehoana ny toetram-pifandraisana mifandraika amin'ny tranonkala maoderina.

Tamin'ny fivoriana tamin'ity taona ity, nahazo fanambarana mahafinaritra ireo mpitantana tranomboky Shiliana izay azo antoka fa hahatonga ny fampanantenan'i Enzo ho tanteraka. Araka ny vakin'ny fanambarana an-gazety [10] hoe, “noho ny fanomezana fahatelo avy amin'ny Orina Mpanasoa Bill & Melinda Gates, hiatrika ny fanamby amin'ny fitomboan'ny fandraisana anjara sosialy amin'ny web  2.0 ny BiblioRedes.”

Este proyecto se concretará en el contexto del actual plan estratégico de BIblioRedes, que llega hasta diciembre de 2010 y que llevará a cabo entre otras, las siguientes tareas: mejoramiento de la conectividad de las Bibliotecas Públicas con el fin de facilitar el acceso a las aplicaciones de la web social y los servicios digitales bibliotecarios; aumento en el desarrollo de las competencias, tanto en el personal como en los usuarios de las Bibliotecas Públicas, -necesarios para participar en esta nueva web- , y el aumento de la oferta de contenidos y servicios digitales asociados a las Bibliotecas Públicas, para una mayor participación de los usuarios en la denominada web 2.0.

Hampiharina ao anatin'ny tontolon'ny drafitra stratejikan'ny BiblioRedes ankehitriny hatramin'ny Desambra 2010 ity tetikasa ity mba hanatanterahana ireto asa manaraka ireto: hanatsaràna ny fifandraisana amin'ny tranombokim-panjakana mba hanamoràna ny fidirana amin'ny tolotra habaka sosialy sy ny tranomboky nomerika; hanatsarana ny fahaiza-manao eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa tranomboky, ilaina handraisana anjara amin'ny aterineto maoderina; ary hampitombo ny famokarana votoaty ao an-toerana sy ny tolotra nomerika mifandraika amin'ny tranombokim-panjakana, amin'ny fandraisan'ny mpanjifa anjara bebe kokoa amin'ilay antsoina hoe Web 2.0.

Tao amin'ny bilaoginy manokana,  nanazava bebe kokoa momba ny fandaharan'asa [11] i Enzo Abbagliati

¿En qué invertiremos los recursos de la Fundación Gates? Primero, en aumentar el ancho de banda de las bibliotecas, buscando llevar el piso a 1 Mb. Para promover la inclusión en la web social, hay que dar el ancho. Por otro lado, proyectar el modelo de desarrollo de competencias del personal de las bibliotecas y de nuestros usuarios, fortaleciendo una línea que ya iniciamos el año pasado en torno al e-learning y el desarrollo de habilidades para el trabajo colaborativo. Para promover la inclusión en la web social, tenemos que cambiar(nos) el switch.

Y, por último, reformular de manera completa la identidad y plataforma de servicios virtuales de BiblioRedes. Sí, nuestra presencia en la Web sigue siendo muy 1.0, pero a contar de marzo o abril, empezarán a estar disponibles nuevos servicios virtuales del Programa, pero sobre todo una nueva filosofía en la relación con nuestros usuarios. No doy mayores noticias al respecto, porque esta transformación es parte de uno de nuestros “secretos de Estado”, pero tenemos claro el foco: para promover la inclusión en la web social, hay que saber conversar.

Ahoana no fomba hampiasantsika ireo fitaovana avy amin'ny Orina Mpanasoa Gates? Voalohany, mila mampitombo ny “anjara tosaka” misy ao amin'ny tranomboky (hatramin'ny 1MB) isika. Mba hampiroboroboana ny fidirana amin'ny fiarahamonina ao amin'ny aterineto, tsy maintsy manana ny anjara tosaka (bande passante) ianao [12].

Ankoatra izay, hamita ny famolavolana ny fandaharam-pampiofanana ho an'ny mpiasan'ny tranomboky sy ny mpanjifantsika isika, manamafy ny asa izay nanomboka tamin'ny herintaona mikasika ny fianarana antserasera sy ny asa ifarimbonana. Mba hampiroboroboana ny fampidirana ao amin'ny tranonkala sosialy, tsy maintsy manova [ny fomba fiasantsika] isika.

Ary farany, fanavaozana tanteraka ny sehatra famantarana sy tolotra antseraseran'ny BiblioRedes. Eny, mbola “1.0” tanteraka ny fisiantsika ao amin'ny aterineto, saingy manomboka amin'ny volana Martsa na Aprily, hanisy fandaharana vaovao momba ny tolotra virtoaly, sy filozofia vaovao momba ny fifandraisantsika amin'ireo mpanjifantsika isika. Mba hampiroboroboana ny fidirana amin'ny aterineto, mila mahafantatra isika hoe ahoana ny iresahana.

Mitoetra ho maodely ho an'ny andrim-panjakana nasionaly te-hampiasa fitaovana mediam-bahoaka mba hanova ny fifandraisan'izy ireo amin'ny mpanjifa ny BiblioRedes.