- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza Ny Phagwah Ny Tontolon'ny Bilaogy Karaibeana

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Etazonia, Goiana, Trinite sy Tobago, Fifindràmonina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 21 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)


Ny vondrona chowtal manao fampisehoana ao amin'ny fankalazana ny Phagwah ao Trinite. Avy amin'i Nicholas Laughlin [1]

Any Karaiba, fantatra kokoa amin'ny anarany Bhojpuri hoe Phagwah [2] ny fetiben'ny lohataona haindò ao Holi. Tamin'ny herinandro lasa, nankalaza ny Phagwah ny Haindò any Karaiba, miaraka amin'ny tsy haindò tahaka ny Caribbean Free Radio izay nandray anjara tamin'ny fety ihany koa [3].  Ampahany amin'ny sary  Flickr avy amin'i Nicholas Laughlin [4] sy Tillahwillah [5] ny seho somary tsy ara-pivavahana eo amin'ny sehatra mareva-doko ao amin'ny faritra iray ao Trinite.

 


Ny mpifety Phagwah feno loko abeer sy zavatra maroloko hafa. Avy amin'i Nicholas Laughlin [6]

Nitsidika an'i Guyana avy any Canada i Lee Ann ary naneho ny fahatalanjonany momba [7] ny fankalazana tao an-drenivohitra Georgetown ao Guyana, ary namoaka  tatitra miaraka amin'ny sarin'ny fety [8] tao amin'ny distrika betsaka Karaibeana ao Richmond Hill, Queens, New York ny New York Friend, izay nihena betsaka ny hafanana. Namoaka tatitra sy sary avy tao Richmond Hill ihany koa i KDunk [9] sy arZan [10] .