Mankalaza Ny Phagwah Ny Tontolon'ny Bilaogy Karaibeana

(Marihina fa tamin'ny 21 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)


Ny vondrona chowtal manao fampisehoana ao amin'ny fankalazana ny Phagwah ao Trinite. Avy amin'i Nicholas Laughlin

Any Karaiba, fantatra kokoa amin'ny anarany Bhojpuri hoe Phagwah ny fetiben'ny lohataona haindò ao Holi. Tamin'ny herinandro lasa, nankalaza ny Phagwah ny Haindò any Karaiba, miaraka amin'ny tsy haindò tahaka ny Caribbean Free Radio izay nandray anjara tamin'ny fety ihany koa.  Ampahany amin'ny sary  Flickr avy amin'i Nicholas Laughlin sy Tillahwillah ny seho somary tsy ara-pivavahana eo amin'ny sehatra mareva-doko ao amin'ny faritra iray ao Trinite.

 


Ny mpifety Phagwah feno loko abeer sy zavatra maroloko hafa. Avy amin'i Nicholas Laughlin

Nitsidika an'i Guyana avy any Canada i Lee Ann ary naneho ny fahatalanjonany momba ny fankalazana tao an-drenivohitra Georgetown ao Guyana, ary namoaka  tatitra miaraka amin'ny sarin'ny fety tao amin'ny distrika betsaka Karaibeana ao Richmond Hill, Queens, New York ny New York Friend, izay nihena betsaka ny hafanana. Namoaka tatitra sy sary avy tao Richmond Hill ihany koa i KDunk sy arZan .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.