- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiseho ny Lafiny Maha Olona ny Fivarotantenan'ny Lehilahy Ao Japana Ny Horonantsary Fanadihadiana Iray Vaovao

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
BFS_NobuKanpaiSG

Mampiala voly an'ireo mety ho mpanjifa ao anatinà bara urisen. Sary an'ny ‘Boys for Sale [1].’

Resahina anatin'ny horonantsary fanadihadiana vaovao, “Boys For Sale [1]“, ny fivarotantenan'ny lehilahy, antsoina amin'ny teny Japoney hoe “urisen” (ウリ専 [2]) any amin'ny tanànan'i Shinjuku “2-chome” [3], ivontoerana lehibe indrindra ao Tokyo ho an'ny kolontsaina pelaka sy ny fiainana amin'ny alina.

Asongadin'io horonantsary io ireo tafatafa tsotra niarahana taminà tovolahy sasany miasa anatinà bara sy tranon-dopy sady karamaina hanao firaisana ara-nofo aminà lehilahy hafa, ary resahana ao anatiny ireo lohahevitra tahaka ny fananahana sy ny fanekena hiray ara-nofo ao anatin'ny kolontsaina Japoney. Indraindray, mampiasa sarimiaina ilay horonantsary mba hanehoana an-tsary ny zava-mitranga mandritra ny firaisana ara-nofo aminà mpanjifa iray, ho fiarovana ny mombamomba ireo olona sasany nanaovana fanadihadiana.

Samy manana ny fanazavany ny atao hoe urisen avokoa ireo tovolahy samy hafa niresahana tanatin'ilay horonantsary: “Mandany andro miaraka aminà tovolahy”; “Manome fahafahana ireo olona hifanerasera amin'olon-kafa izahay. Ary raha mahafinaritra ny mpanjifa ny iray aminay, mety hivoatra ho zavatra hafa izany”; ary koa ny “Urisen dia fivarotana sy fanjifàna…Mivarotra ny tenanay izahay ary mividy anay ireo lehilahy.”

Maro tamin'ireo tovolahy nitafatafàna tanatin'ilay horonantsary no nilaza fa niroboka tanatin'io asa io noho ny filàna vola hanampiana hanefàna ireo trosam-pianakaviana, na koa noho ny fandosiran'izy ireo tao Tokyo hitady asa kanefa tsy nahita asa hafa hatao. Nisy iray tamin'izy ireo nilaza fa nankao Tokyo taorian'ilay tsunami tamin'ny 2011 izay nandrava ny tanàna nahabe azy tany amin'ny Fileovan'i Iwate. Amin'ny ankapobeny, tsy voarara ny fivarotantenan'ny lehilahy any Japana, satria araka ny lalàna dia ny fampiasana fivaviana mandritra ny firaisana ihany no atao hoe firaisana ara-nofo [4], noho izany dia tsy mandika lalàna ireo hetsika firaisana hafa rehetra andoavam-bola.

boys for sale

Pejinà vohikala mampiseho ny fisafidianana ireo lehilahy mpivarotena anatinà bara iray ao Japana. Sary an'ny ‘Boys for Sale [1].’

Araka ilay horonantsary fanadihadiana, tafiditra anatin'ny asan'ireo tovolahy ireo ny fiasàna anaty bara izay ahitany ireo mety ho mpanjifa azy. Afaka “mandray 5 dolara anatin'ny 30 minitra” izy ireo noho ny fipetrahany monja akaikinà mpanjifa iray ao anaty bara, ary maherin'izay raha vitan'izy ireo ny mandresy lahatra ny mpanjifa hanao firaisana aminy mandritra ny adiny iray, anatinà efitra kely voatokana mifanila amin'ny bara. Manomboka miasa amin'ny 4 ora hariva ireo tovolahy ireo ary miasa mandritra ny adiny valo ka hatramin'ny adiny 10 anatin'ny alina iray, izay mitatitra fa mahazo ¥150.000 ka hatramin'ny ¥850.000 (Ar 4.017.000 ka hatramin'ny Ar 22.763.000) anatin'ny iray volana, na dia mankany amin'ny bara manarama azy ireo aza ny 50% an'ny vola miditra.

Latsaka ny 26 taona ny ankamaroan'ireo tovolahy nanaovana fanadihadiana tao anatin'ny “Boys for Sale”, ary maro amin'izy ireo, na dia karamaina hanao firaisana ara-nofo aminà lehilahy hafa aza, no tsy milaza ny tenany ho pelaka. Lazain'ny sasany amin'izy ireo fa koa satria vehivavy no tiany, tsy mahazo fahafinaretana izy ireo rehefa miray amin'ny lehilahy ary miezaka ny tsy hiraharaha na inona na inona eo am-panaovana firaisana ara-nofo. Milaza kosa ireo hafa fa tsikaritr'izy ireo ho tsy sarotra araka izay noeritreretiny tamin'ny voalohany ny miray ara-nofo aminà lehilahy.

Maro amin'ireo tovolahy ireo no tsy mahazo karazanà fanofanana avy amin'ny mpanarama azy ho fiarovana amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo (“Iray amin'ireo firenena mandroso hany itomboan'ny VIH ity,” hoy ny fanamarihan'ny iray amin'ireo niresahana), ary, noho ny fanirian'ny mpanjifa, mahalana vao mampiasa fimailo. Raha ny marina, manamarika ny mpandraharaha iray ao aminà bara fa ampianarina an'ireo mpivarotena hoe “misoroka ny Aretina azo avy amin'ny Firaisana Ara-nofo ny “Fandroana miaraka (amin'ny mpanjifa).”

Mitantara tranga hafa mampiasa saina ihany koa ireo nitafatafàna tanatin'ilay horonantsary fanadihadiana.

“Mahery ireo mpanjifa,” hoy ny iray amin'izy ireo. “Manaiky ihany aho ny farany… Ka na inona na inona teren'ilay mpanjifa hataoko, tsy dia afaka mandà loatra aho.”

Mitatitra ny iray hafa fa notapenana ny masony ary niharan'ny fanolanana faobe izy. Nanohy niasa tao amin'io bara io ihany anefa izy taorian'izay.

Notanterahinà ekipa iraisam-pirenena ahitàna mpamorona horonantsary avy ao Etazonia sy avy ao amin'ny Fanjakana Mitambatra ary avy ao Japàna ny “Boys for Sale”. Zava-dehibe ny fanorenana fahatokisana miaraka amin'ireo olona nanaovana fanadihadiana, hoy i Ian Thomas Ash [5], mpamokatra mpanatanteraka [6], tamin'ny Tokyo Weekender. Nandany taona iray manontolo ireo mpamorona horonantsary andehanana anatin'ireo bara urisen samy hafa tao Shinjuku, nifankalalàna tamin'ny vondrom-piarahamonina. “[N]anjazy nahafantatra anay ny olona ary takatr'izy ireo fa tsy fanaovangazety kitoatoa fotsiny ihany ity,” hoy [7] izy.

Vokany, manome fomba fijery miantra sy ahatsapàna ny ngidin'ny fiainan'ireo lehilahy miasa ao amin'ny tsenan'ny urisen ao Tokyo ity horonantsary fanadihadiana ity.

Nalefa voalohany nandritranà fetiben'ny horonantsary tany Alemaina ity horonantsary fahadihadiana ity tamin'ny Mey 2017, ary haseho anatinà fetibe misesy manerana izao tontolo izao, isan'izany ny Durban Gay and Lesbian Film Festival [8] 2017, natao ny 26 Aogositra ka hatramin'ny 1 Septambra 2017. Afaka jerena eto [9] ny fandaharampotoan'ny fandefasana io horonantsary io amin'ny fararanon'ity 2017 ity, ary antenaina hambara tsy ho ela ny fandefasana azy voalohany ao Japana.

Afaka jerenao eto ny sombin'ny “Boys for Sale [10]“:

Nomen'ny “Boys for Sale” dika mialoha an'ilay horonantsary fanadihadiana ny Global Voices ho an'ity lahatsoratra ity.