- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Reniala

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka, Sakafo, Saripika, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 16 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny Baobab [1] na Reniala izay ilaina amin'ny fanaovan-javatra maro no “Hazon'aina [2]“.

* manankarena vitamina C ny voankazo ao aminy ary ampiasaina hanomanana zava-pisotro,
* ampiasaina lena na maina ny raviny hanaovana legioma sy sakafo ho an'ny biby fiompy,
* ampiasaina hangalana menaka ny voany,
* manana lafiny ampiasaina amin'ny fitsaboana ilay hazo iray manontolo ,
* manome fibra matanjaka sy maharitra ny hoditry ny hazo,
* mahazaka afo ny hazo ary afaka miaina ao anatin'ny haintany henjana,
* mora sy tsy lafo ny mamboly azy ity ary mandroaka ireo bibikely mpandrava sy aretina maro
* ary manome alokaloka sy miaro ny tany mba tsy ho lasa lavaka ihany koa izy

Baobab Three

“It was the season just after when the baobab had shed its long stringed calabashes. Not far way, was a solitary man surrounded by buzzing bees – he smoked a pipe made out of a hollowed out gourd of baobab. He warned me that the tree was haunted”.

“Izao no vanim-potoana aorian'ny famoahan'ny baobab ny voany mikirozaroza. Tsy dia lavitra eo, misy lehilahy iray voahodidin'ny tantely be dia be – mifoka pipa vita avy amin'ny tahona baobab izy. Nampitandrina ahy izy fa misy lolo (angatra) ilay hazo “.

Sary nalain'i Unganisha [3]