- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shiliana Bilaogera Miresaka Ny Korontana Ao Bolivia

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Shily, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2007)

Mampiasa ny lohan'ireo shiliana bilaogera ny zavatra mitranga ao Bolivia [1]. Toy ny hazavain'i Tomás Bradanovic [2] (ES) :

La horrible situación por la que está atravesando Bolivia tiene en su base un enorme malentendido donde tanto el gobierno como la oposición son incapaces de comprender el pensamiento del otro. Juzgan y actúan equivocadamente y eso es lo que mantiene al país como un mendigo sentado sobre un cerro de oro. Mientras Morales razona como un niño, sin darse cuenta que cada día hace más fuertes a sus propios enemigos, porque la polarización es el mejor escenario estratégico para los partidos de oposición.

Resaka tsy fifankahazoan-kevitra goavana tsy voavahan'ny governemanta sy ny mpanohitra mba hahatakarana ny fomba fisainan'ny andaniny sy ny ankilany no fototry ny toedraharaha mahatsiravina atrehan'i Bolivia. Mitsara sy miasa amin'ny fomba diso ry zareo, ary izany no mahatonga ny firenena ho tavela toy ny mpangataka mitorevaka eo ambony volamena mivangongo. Raha manao fisainan-jazakely i Morales, tsy mahatakatra akory hoe isanandro izy dia manome hery ny fahavalony satria ny fampihenjanana ny tady politika no endrika tsara indrindra andrasan'ireo antoko mpanohitra.

Raha naka ny fomba fijery ara-toekarena, nanoratra momba ireo olana mampiasa loha an'i Bolivia ao anatin'ny tsenam-barotra Mercosur [3] i Libardo Buitrago [4] (ES) :

La incorporación de Bolivia al Mercado Común del Sur (Mercosur) y la puesta en marcha de un fondo para compensar a Uruguay y Paraguay frente a las asimetrías que existen en el bloque regional, dominarán las discusiones de la trigésima primera cumbre de jefes de Estado del Mercosur, que tendrá lugar el jueves y viernes en la ciudad brasileña de Rio de Janeiro.

Ny fampidirana an'i Bolivia ho ao anatin'ny Tsena iombonan'ny any Atsmo, (Mercosur) ary ny fanombohana tahirimbola iray ho fanonerana an'i Orogoay sy Paragoay manoloana ny tsy fitoviana izay misy ao anatin'ilay fiombonana any amin'ny faritra no hibahana toerana mandritra ny fihaonan'ireo mpitondra fanjakana avy amin'ny Mercosur, izay hatao ny Alakamisy sy Zoma ao amin'ny tanàna Breziliana, Rio de Janeiro.

Faranany amin'ny fanazavàna hoe iray amin'ireo zavatra mampiasa loha an'i Bolivia ny fikarohana raikipohy hidirany ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Mercosur no sady mihazona ihany koa ny maha-mpikambana azy ao anatin'ny Andean Community Nations [5] (CAN).

Mandritra izany, nanoratra i Elena Cáceres [6] tao anatin'ny ,El Morrocotudo [7] (ES) momba ireo fianakaviana izay nandefa ny zanany hianatra tany amin'ireo anjerimanontolo Boliviana.

Conversamos con el matrimonio Pereda, quienes tienen a su hijo hace 4 años en el país altiplánico estudiando Psicología. Ellos manifestaron que “no es la primera vez que pasan por algo así, ya que hace algunos años vivieron una situación similar, incluso se bloquearon los caminos por varios días y no supimos nada de él. Para nosotros como padres es realmente preocupante. Si bien el está con sus amigos, sus compañeros, de verdad tememos que por un asunto político o social,que a los jóvenes chilenos no les imcumbe, tengan que pagar , de una u otra manera las consecuencias.

Niresaka tamin'ny ray aman-drenin'i Pereda izahay, izy ireo izay manana zanaka lahy mianatra psikolojia mandritra ny efatra taona any amin'ny ambaratonga ambony ao amin'ny firenena. Nilaza ry zareo fa “tsy sambany no nisy zavatra nitranga tahàka izao. Taona vitsy lasa izay, efa nisy toejavatra tsy misy hafa amin'izao nitranga tany, izay nibahanan-dry zareo ny arabe nandritra ny andro maro ary tsy naharenesanay vaovao mikasika azy.” Tena mampanahy tokoa izany ho anay ray aman-dreny. Na atao hoe miaraka amin'ireo namany mpiaraka mianatra aminy aza izy, tena atahoranay tokoa hoe noho ny resaka politika na olana sosialy (tsy manjo ireo tanora Shiliana izany), dia mbola ry zareo ihany no mitaty ny vokany.