- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpahay Sary Enina Nananihany an'i Assad Tokony ho Fantatrao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: tamin'ny avrily 2015 ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy)

One of Akram Ruslan's cartoons that outraged Assad regime. Source: Cartoon Movement Blog. Used under CC BY 2.0

Sary nataon'i Akram Ruslan nahatafintohina ny fitondran'i Assad. Loharano: Cartoon Movement Blog [1]. fampiasana amin'ny lisansa CC BY 2.0

Hatramin'izay ary na aiza na aiza eto ambonin'ny tany, fady mandrahona ny fahalalaham-pitenenana ary mampidi-doza ny fiainan'ireo mpanao sary an-gazety ny mananihany mpanao didijadona. Tsy manivaka amin'izany ny Syriana mpanao sary ary niaritra ny fampijaliana sy ny famelezan'ny mpanohana ny fitondrana, ary tsy lazaina intsony ireo maty noho ny fahasahiana naneho hevitra mafy. Na teo aza izany, nahatratra ireo Syriana sy Arabo an-tapitrisany ny sarin-dry zareo ary nahazo ny toerana an-tserasera tao anatin'ny efa-taona nisian'ny fiokoana tamin'ny fiitondran'ny filoha syriana Bashar Al Assad, noho ny fisian'ny tambajotra sosialy.

Nahazoan'ny arabo mpanao sary s ny hafa izay nandrakotra tamin'ny sary an'arivonyy tamin'ny lasitra fampitam-baovao sy nomerika ar tamin'ny tambajotra sosialy ny fihetsik'i Assad amin'ny vahoakany. Ao amin'ity lahatsoratra ity, asehonay, tsy misy fomba fampilaharana manokana, ny asan'ny artista syriana nahasahy naneho hevitra ankarihary sy mafy.

Tsarovintsika ihany koa ireo artista syriana roa niaritra ny mafy indrindra: Ali Farzat, artista nahazo loka teo amin'ny sehatra iraisampirenena [2], ary voadarodaroka mafy noho ny fanesoasoana an'i Assad nandritra ny fotoana voalohany nisian'ny revolisiona syriana, sy i Akram Ruslan izay  nogadraina [3]  sy navela ho faty [4] noho izay antony izay ihany koa.

1. Hussam Sara

Iray amin'ireo voalohany mpikatroky ny revolisiona ary namoaka ny sariny tao amin'ny pejy Facebook [5]. Niasa tamin'ny gazety arabo isankarazany ao Bharain izy. Zanakalahin'i Fayez Sara [6], iray amin'ny mpitarika ny fanoherana, ary rahalahin'i Wisam Sarah, mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana nampijaliana sy maty tao am-pigadran'i Assad tamin'ny febroary 2014.

319342_10151073253904876_485398468_n [7]

Assad araka ny hitan'ny Pejy Facebook [8] Hussam Sara. Nahazoana alalana.

2. Kamiran Shemdin

Teraka tao al-Qamishli tamin'ny taona 1974 i Kamiran Shemdin, namoaka ny sariny tao amin'ny tranonkalan'i Al Jazeera sy tao amin'ny gazetiboky Ge P ao Kiordistana Irakiana. Nandritra ny antsafa [9] nifanaovana tamin'ny SyriaUntold no nilazany ho: “Nampafana ny foko ny nahira Syriana an'arivony nidina an-dalambe tsy nisy tahotra nitaky ny fialan'ny fitondrana ary nanome ahy fahatsapahana ho misy fahafahana. Na dia an-tsesintany aza aho dia miray fo amin'izy ireo tanteraka.”

1006275_494846927258081_496664521_n [10]

Assad araka ny hitan'ny pejy Facebook [11] Kamiran Shemdin. Lisansa CC BY 2.0

3. Amer M. Zughbi

Niasa tamin'ny gazety arabo maro i Amer. Miasa tsy mitsahatra miaraka amin'ny gazety Al Bayan sy ny fampitam-baovao ao Emirà Arabo Mitambatra izy ar namoaka ny asan ao amin'ny tranonkalan'ny Al Jazeera. In-telo izy no nandrombaka ny lokan'ny mpahay sary tsara indrindra amin'ny fampitam-baovao arabo amin'ny Arab Journalism Award, tamin'ny taona 2007, 2009 ary 2013.

1235093_513529412070833_42236109_n [12]

Assad araka ny hita amin'ny Pejy Facebook [13] Amer M. Zohbi. Lisansa CC BY 2.0

4. Firas Bachi

Teraka tao Damaskosy tamin'ny taona 1979, manana ny diplaoma master amin'ny toekarena izy, saingy mbola mifikitra mafy amin'ny zavakanto sy ny sary nataon-tanana. Mpanao sary ho an'ny gazety izy, mpanao sariitatra sy tale artistika amin'ny fanaovana dokambarotra. Tao amin'ny pejiny Facebook [14] izy nanazava fa “fanoherana izay mety ho endrika jadona politika rehetra, fanoherana ny tsy rariny ataon'olombelona, fanoherana ny fangejana sy ny famoretana, fanoerana ny fanavakavahana hatramin'ny volonkoditra ny sary, Mitady ireo endrika manahirana ao anatin'ny tontolon'ny tsi-rariny iza efa lasa fahazarana ny mihemotra haingana ar lasa mahafinaritra ny fanohanana ny tsy rariny ny sary ataoko”. Misy torohay momba ny asany ihany koa azo jerena ao amin'ny FirasBachi.com [15]

10372307_683559768378365_5542341367069250092_n [16]

Assad amin'ny endrik'i Farao, Tsy misy afa-manajanona azy. Loharano: pejy Facebook an'i Firas Bachi. Nahazoana alalana.

5. Ahmad Jalal

Tsaroanareo ve ny mponina nalaza ratsy tamin'ny hoe “Kafranbel afaka” izay nanangana sary maro nisy fahaiza-mamorona?  Ahmed no tao ambadik'ireny. Ny fotoam-pialamboliny talohan'ny revolisiona no nampiofo azy ho “mpanao kisarisarin'i Kafranbel”. Miasa miaraka amin'ny vondron-tanora manana fahaiza-mampiomehy sy fahaiza-mamorona ao an-tanànakelin'i Idlib ao Syria izy.

Assad and ISIS via Ahmed Jall Facebook Page. Used under CC BY 2.0

Assad sy ny ISIS araka ny fijerin'i pejy Facebook [17] Ahmed Jalal. nampiasaina amin'ny lisansa CC BY 2.0

6. Saad Hajo

Teraka tao Damaskosy tamin'ny taona 1968, nahazo diplaoma tamin'ny zavakanto mahazatra. Miasa amin'ny gazety “An-Nahar” sy “Al-Safir” ao Beirota ao Libanona izy. Efa namoaka boky maro izy, ka anisan'izany ny ira mitondra ny lohateny hoe “بلاد العنف أوطاني” (Ireo firenen'ny herisetra no tanindrazako). Efa nahazo ny “Lokan'ny sary natao ihomehezana Gabrovo” izy, nandritra ny lanonana isaky ny roa taona notontosaina tao Bolgaria izy tamin'ny taona 2005.

Assad as eye doctor via Saad Hajo Facebook Page. Used under CC BY 2.0 [18]

Assad amin'ny endrika tokamaso nataon'i Saad Hajo Page Facebook [18]. lisansa CC BY 2.0