- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Revolisiona Ao Nepal: An-Dalan'ny Ho Vita Hatreo Ny Fitondrana Entim-Panjaka

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 13 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanjary nivadika ho revolisiona ny hetsika.

Nanangona sary maro avy amin'ny loharanom-baovao maro ny bilaogy Democracy For Nepal [1] (Demokrasia ho an'i Nepal) : Hetsi-panoherana [2], Hetsi-panoherana [3], Hetsi-panoherana [4], Hetsi-panoherana [5], Hetsi-panoherana [6].

Nandray soritra repoblikana mazava ihany koa ny DFN : Politika Tsy Misy Fandeferana Amin'ny Fitondrana entim-Panjaka [7], Kongresy Nepali Na Praja Parishad [8] , Tazomoka, Lefakozatra, Fitondrana entim-panjaka [9], Hamro Nepal: Volavolan-Dalampanorenana [10], Lalampanorenana Vonjimaika , Parlemanta Revolisionera [11] , Jery Todika momba ny Lamim-Panjakana: Fiafarana Mahafaty ny Mpanjaka . [12]

Nanangom-baovao ny hetsika miisa roa tao an-tanàndehiben'i New York ihany koa ny DFN ary nanamarika fihetsiketsehana lehibe nokasaina hatao ny zoma: Arahaba Tratry ny Taom-baovao 2063 [13] , Nepali Mandir [14] , Fihaonana Zoma [15] . Misy ny horonan-tsary sy sary avy amin'ireo hetsika roa ireo.

Nandray an-tanana ny fanangonam-bola teo anivon'ireo any ampielezana hikarakarana fitsaboana vonjimaika ho setrin'ny famonoana tao Gongabu ny Samudaya [16] . Manana raki-peon'ny antsafa niarahana tamin'i Gagan Thapa [17], mpitariky ny mpianatra malaza efa eny an-dalamben'i Kathmandu ihany koa ny tranonkala . Misy ireo sary maromaro: 1 [18], 2 [18], 3 [19], 4 [20], 5 [21] .