Revolisiona Ao Nepal: An-Dalan'ny Ho Vita Hatreo Ny Fitondrana Entim-Panjaka

(Marihina fa tamin'ny 13 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanjary nivadika ho revolisiona ny hetsika.

Nanangona sary maro avy amin'ny loharanom-baovao maro ny bilaogy Democracy For Nepal (Demokrasia ho an'i Nepal) : Hetsi-panoherana , Hetsi-panoherana, Hetsi-panoherana , Hetsi-panoherana , Hetsi-panoherana.

Nandray soritra repoblikana mazava ihany koa ny DFN : Politika Tsy Misy Fandeferana Amin'ny Fitondrana entim-Panjaka, Kongresy Nepali Na Praja Parishad , Tazomoka, Lefakozatra, Fitondrana entim-panjaka, Hamro Nepal: Volavolan-Dalampanorenana, Lalampanorenana Vonjimaika , Parlemanta Revolisionera , Jery Todika momba ny Lamim-Panjakana: Fiafarana Mahafaty ny Mpanjaka .

Nanangom-baovao ny hetsika miisa roa tao an-tanàndehiben'i New York ihany koa ny DFN ary nanamarika fihetsiketsehana lehibe nokasaina hatao ny zoma: Arahaba Tratry ny Taom-baovao 2063 , Nepali Mandir , Fihaonana Zoma . Misy ny horonan-tsary sy sary avy amin'ireo hetsika roa ireo.

Nandray an-tanana ny fanangonam-bola teo anivon'ireo any ampielezana hikarakarana fitsaboana vonjimaika ho setrin'ny famonoana tao Gongabu ny Samudaya . Manana raki-peon'ny antsafa niarahana tamin'i Gagan Thapa, mpitariky ny mpianatra malaza efa eny an-dalamben'i Kathmandu ihany koa ny tranonkala . Misy ireo sary maromaro: 1, 2, 3, 4, 5 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.