Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fitokonan'ny Mpampianatra ao Però : Ilay Sary Nalaza An-tserasera

Ilay polisy Rodolfo La Rosa Ariza nampahery mpampianatra iray mitokona. Saripikan'i Anthony Niño de Guzmán niely fatratra tao amin'ny tambajotra sosialy.

Ny resaka malaza ao Però hatramin'ny 15 jona 2017 dia ny fitokonana nasionalin'ny mpampianatra nomanin'ny Sendikàn'ny Mpiasan'ny Fanabeazana ao Però (SUTEP). Ny fitakiana lehibe dia ny fanondrotana ny karama, sy ny fanemorana ny fanombanana ny mpampianatra izay tokony efa nampiharina tamin'ity taona 2017 ka miitatra hatramin'ny taona 2018.

Tonga tamin'ny fifanarahana ny mpandray anjara tamin'ny faran'ny volana jolay, indrindra fa teo amin'ny fanondrotana ny karama ka 2.000 soles (tokony ho 600 USD) ny karama ambany indrindra, ary 30 ora ny fotoana ampianarana. Raha ny amin'ny fanombanana ny profesora indray, dia nifanarahana fa ho apetraka ny atrikasa hanondroana tsara ny fepetra sy ny fomba fanombanana, saingy tsy nanaiky izany ny mpitarika sendikaly sasany.

Ankoatra izany, maro an'isa tokoa ny olom-pirenena no mankasitraka ny hanaovana izany fanombanana ny mpampianatra izany.

Nanomboka tamin'io fotoana io dia niharatsy ny toe-draharaha satria tsy tokana tsy manampaharoa ny sendikan'ny mpampianatra. Eo ihany koa ny Komity Nasionalin'ny Fanondroan-Dalana Indray sy ny Fanarenana Indray (CONARE), ny SUTE Democrático, ary ireo federasiona isan-karazany sy fikambanana nisintaka tao amin'ny SUTEP. Amin'ny ankapobeny, ny tena nampisara-tsaina dia teo amin'ny fanombananana ny mpanabe, satria maro tamin'izy ireo no manahy fa mety hiteraka fandroahana mpampianatra izy io.

Saingy tsy nijanona hatreo ny fahasarotana. Sarotra ny fifanandrinana teo amin'ny governemanta sy ny sendikà, ary nirona ihany koa nankany amin'ny adiady izay nifandray akaiky tamin'ny tantara sarotra nodiadin'i Però. Nanambara i Carlos Basombrío, minisitry ny atitany, fa amin'ireo mpitarika ireo ihany koa dia ahitana olona manana fifandraisana amin'ny Sampan'ny Sakelika Manjelanjelatra ary nampahatsiahiviny fa tsy hifampiresaka amin'izay mpitondrateny manana fifandraisana amin'io vondrona mpampihorohoro io ry zareo.”

Nandeha ny fotoana, nandroso ny fifampiraharahana tamin'ny lafiny ilany ary nihemotra tamin'ny lafiny hafa. Mandritra izany fotoana izany, efa tsy nanatrika fampianarana intsony ny mpianatra tao anatin'ny roa volana. Ahiana ho fotsy ny taom-pianarana any amin'ny kolejim-panjakana izay efa tara fanombohana noho ny tondradrano izay nahazo ny faritra maro tao amin'ny firenena noho ny nataon'i Niño tamorontsiraka [mg].

Nandritra ny andro maromaro izay ny mpampianatra no nikarakara fihetsiketseham-panoherana tany amin'ny tanandehibe maro tao amin'ny firenena. Tamin'ny tranga sasany dia maherivaika ny famoretan'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana ka tao anatin'izay toe-javatra izay no nampalaza tao amin'ny tambajotra sosialy peroviana ny sarin'ny polisy iray teo ankilan'ny vehivavy mpampianatra iray :

Ao anivon'ny herisetra sy ny korontana, polisy iray mampahery vehivavy mpampianatra iray -izay mety ho ny reniny mihitsy. Sary iray namelona fanantenana indray.

Beto Ortiz, Peroviana mpanao gazety manana mpanjohy betsaka indrindra ao amin'ny Twitter, ary manana reny miasa ao amin'ny fampianarana, no naneho hevitra amin'ny fiantraika goavan'ity sary ity tao amin'ny matoandahatsoratra fanaony isaky ny alahady mitondra ny lohateny hoe “mety ho ny reninao io”.

Me sorprendió […] escuchar la noche siguiente al suboficial PNP huancaíno Rodolfo La Rosa Ariza [uno de los dos protagonistas de la imagen], contarle a un reportero […] lo que había pasado por su mente en aquel momento de caos: “Al ver su llanto y desesperación, le dije: madrecita, yo estoy para protegerte y te voy a llevar a un sitio donde estés segura. La abracé y tomé su rostro entre mis manos. Me hizo recordar a una maestra que yo tuve”. Con […] toda la parafernalia del guardia de asalto, el policía luce enorme y temible, parece un villano de película futurista, una especie de Robocop o de Darth Vader. Pero el solo gesto de acariciar el rostro de esta señora menudita y aterrorizada lo convierte –mágicamente– en un gigante tierno

Gaga aho […] ny ampitso hariva, nahare ilay manamboninahitra lefitra polisy nasionaly avy ao Huanca antsoina hoe Rodolfo La Rosa Ariza [iray amin'ny hita amin'ny sary], nitantara tamin'ny mpanangom-baovao […] izay niampita tao an'eritreriny tamin'io fotoanan'ny korontana io indrindra : “Raha nahita ny alahelony sy ny fahadisoam-panantenany aho dia niteny taminy hoe : reny mampalahelo kely, eto aho hiaro anao, ary hitondra anao any amin'ny toerana azo antoka aho. Norohako izy, noraisiko ho eo an-tanako ny tavany. Nahatonga ahy hieritreritra ny mpampianatra iray ahy tamin'ny bola kely izy”. Ao anatin'ny fitafy rehetra mandrakotra ny miaramila mpiady, hita ho goavana sy mampihoron-koditra ilay polisy, mitovy amin'ireny masiaka amin'ny filma hay-famoronana ireny, mitovitovy amin'i Robocop na Dark Vador. Fa ny fanafosafoany ny tavan'ilay vehivavy kely sady feno tahotra no nahatonga azy niova vetivety teo ho ho goavana malefaka sy mahafinaritra.

Niely fatratra tao amin'ny Twitter ny sary, ary io fihetsika nataon'ilay polisy io no nahazoany fankatoavana avy amin'ny rehetra. Nisy ny lanonana fanoloram-boninahitra natao hanajana ilay polisy niely tamin'ny tambajotra sosialy peroviana :

Fanomezana mari-boninahitra ilay polisy nampahery ilay vehivavy mpampianatra nandritra ny fitokonan'ny mpampianatra

Mandritra izany fotoana izany, tany amin'ny tanandehibe sasantsasany, niverina nampianatra ny mpampianatra raha mitohy kosa ny fifanenjanana any amin'ny tanandehibe hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.