Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Toerana Be Mpitsidika Ireo Toerana Misy ‘Haikanto’ Tsy Mahazatra / Maningana

Narita hot dog dude

“Narita hot dog dude” an'i  Joi Ito mpampiasa Flickr. Sary ampiasàna lisansa Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0).

Bilaogera iray antsoina hoe bluebluelucky ao amin'ilay tranonkala fanangonana, Naver Matome, no nanangona avy any amin'ny media sosialy manerana ny firenena ny sasantsasany amin'ireo “haikanto” hafahafa indrindra ao Japàna. Amin'ny ankapobeny dia goavana ireo sarivongana asongadiny izay tsy dia zavakanto sy manana tanjona mazava loatra, araka ny lazain'ny bluebluelucky:

町を歩いていると、特に公園などでたまに変なオブジェを見かけるのですが、あれは誰のため、何のためにあるのでしょうか…? 考えているうちにまとめてしまいました。まとめた後も、わかりませんでした…。

Rehefa mivenjivenjy manerana ny tanàna, indrindra any amin'ireo kianja sy toerana filalaovana, mazàna ianao no mahita “haikanto” hafahafa. Teo ampanontaniana tena momba ny hoe iza sy ny hoe natao ho amin'ny inona izy ireny, dia nanangona sary vitsivitsy aho, na tsy mbola azoko antoka aza ny ho valiny.

Somary mandraikiraiky ireo sarivongana, mazàna no mampitolagaga, ary indraindray somary toa mandrahona kely izany :

Ity misy tatitra iray avy amin'ny dianay ♫: (Kawaguchi Athletic Park) Mahatsiravina ny mahita ilay panda mitsako volobe. Na tsy maro aza ny olona tonga mivahiny mba hijery io panda io taorian'ilay horohorontany tamin'ny 2007 tao Niigata, noho ny seho iray tamin'ny fahitalavitra izay nampiditra ny momba io panda io dia mitombo hatrany ny olona tonga hijery (indray) azy io.

Ity sarivongana iray manokana ity (toa paompy aminà lavadrano no fijery azy) dia heverina ho mitovy amin'i Doraemon, ilay endrika malaza be amin'ny sarimiaina ao Japàna, saingy, toy ny mahazatra amin'ireo sarivongana eny amin'ny toerana filalaovana ao Japàna, misy zavatra kely hafahafa foana:

Betsaka zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny amin'ìty haikanto iray (?) eto amin'ny kianja eto an-toerana ity.

Tsy mahagaga intsony ny mahita biby hafahafa any amin'ireo kianja sy toerana filalaovana ao Japàna :

Havendranana tanteraka ity liona eto amin'ny kianja eto an-toerana ity!

Indraindray misy fitaovana sy haikanto kidaladala izany eny amin'ny toerana filalaovana sy kianja!

Ireo toerana fitodian'ny mpanao fizahantany ambanivohitra ao Japàna koa dia mety ahitàna sarivongana maningana (ary mety hampahatahotra aza ny sasany) :

Kianja Miyamidori, Miyazaki: Somary akaiky an'ireo Havoanan'i Ikoma, misy ny toerana fisakafoanana  mpikarakara henan-dambo tsara indrindra dia ao Japàna. Misy ihany koa ny kianja natao ho an'ny daholobe, faran'ìzay tena mampihoron-koditra indrindra. tsy azoko antoka na avy amin'ilay olona mpitantana ny kianja tany aloha tany, fa eo ivelan'ilay toerana fisakafoanana dia misy sarivongana goavana ahitàna ny Prince Osu sy reny iray ary zazakely iray, miampy lambo dia iray. Samy efa nolazoin'ny toetrandro daholo koa ireo sarivongana rehetra.

Hita tao anatin'ny Kianja Miyamidori. Ity no kianja nahazatra sy faran'izay nampivarahontsana indrindra tao Japàna ary efa nakatona amin'ìzao fotoana izao. Ry akama, naniry ny handeha tao amin'izany kianja izany aho.

Sarivongana vita tamin'ny alimo ity, hita tao amin'ny tanànan'i (trimobe) Oni-Kita, ao  Uwa, Prefektioran'i Ehime! Raha teo am-pahitàna azy io aho tamin'ny fahitalavitra, tena akaiky kely, fa tena milentika an-tsaina tokoa, hahaha. Akoholahinala iray no miantona eo an-tsorok'ilay trimobe.

Ohatra tsara amin'ireo zavatra foromporonina tena tafiditra be ho ampahan'ny kolontsaina Japoney ny sasany amin'ireo haikanto :

Haikanto iray miteraka fihetsehampo somary kidaladala.

Ny sasany aza toa maningana fotsiny izao.

Nandeha tany amin'ny Toki Premium Outlet Mall ao amin'ny Prefektioran'i Gifu aho. Misy haikanto iray hafahafa eo akaiky eo izay tsy vitanao ny tsy hàka sary miaraka aminy. Antsoina hoe KAGUYA-SYSTEM. Mampitsangam-bolo ahy izy io.

Raha ny marina, maro amin'ireo mpitsidika an'i Japàna no azo eritreretina ho nifanehatra tamin'ilay haikanto faran'izay malaza indrindra ao amin'io firenena io, fantatra amin'ny anarana hafa hoe “the hot dog guy“:

Misy haikanto tena mampivoraka tanteraka eo am-pahatongavana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Narita (any ivelan'i Tokyo).

Jereo misimisy kokoa ireo haikanto japoney maro tsy mahazatra ao Naver Matome.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.