Ny Faran'ny Fivezivezen'i Devon Matthews, Trinidadiana Mpihira Soca

Pikasary nalaina avy ao amin'ny lahatsary Youtube-n'ny fandrakofan'i Devon Matthews ny hiran'i Lionel Richie ”Jesus is Love” (Fitavana i Jesoa)

Vanim-potoana iray ao anatin'ny taona izao hanoloran'ny tarika mpanao saron-tava amin'ny Fetiben'i Trinidad sy Tobago ny didin'akanjony ho amin'ny vanim-potoana manaraka ho an'ireo olona an'arivony mandray anjara amin'ilay antsoina hoe ”ny fampisehana goavana indrindra eto an-tany”. Matetika diia raharaha andaniam-bola be ilay fety, miaraka amina modely manao matso anatina akanjo mirenty sy fampisehoana amin'ny alalan'ny mozika soca an'ireo mpanakanto sangany indrindra.

Na izany aza, nivadika haingana ho fotoana fisaonana ilay fotoana firavoravoana noho ny namoizana tampoka ny Trinidadiana mpihira soca iray, Devon Matthews, izay torana rehefa avy nanao fampisehoana tamin'ny fanombohana ny tarika Tribe Carnival. Nentina haingana tany amin'ny Toby Ara-pahasalamana St. Clair ilay ranamana 36 taona, saingy tsy avotra tao izy.

Niantso azy ho ”talenta iray mahery, mahavita zavatra maro izay nitombo namirapiratra hantrany ny lazany” ny pejy Facebook-n'ny Tribe Carnival. Nanao fampisehoana nandritra ny folo taona mahery teo i Matthews ary voasokajy ho fahatelo tamin'ny Fifaninanana Iraisam-pirenena Ho Mpanjakan'ny Soca tamin'ilay hirany nahomby, “D Journey”, niarahany tamin'i  Ella Andall.

Misaotra anao Devon. Handry am-piadanana anie ianao rahalahy.  pic.twitter.com/Ubdc9QCH4B

Raha nisaona ny famoizany azy ireo namany sy mpankafy, nitafatafa tamin'ny Trinidad Guardian kosa ny olona iray nitonona ny tenany ho ”namana aikaky” an'ilay mpihira, izay nisafidy ny hanafina anarana, izay tao anatin'izany no nanambaràny fa mety ho nandray anjara tamin'ny fahafatesan'i Matthew ihany koa ireo pilina fitaizana tena ara-tsakafo. Tamin'ny fotoana nanaovana ilay tafatafa, mbola tsy nanaovana fitsirihana (aotopsy ) ny razana. Tamin'ny fotoana nanambaran‘ilay tatitry ny aotopsy fa aretim-po no nahafaty an'i Matthews tamin'ny 16 Jona 2017, samy efa nahazo tefotefoka tao amin'ny tambajotra sosialy ilay tafatafa sy ilay ”namana”.

Nanamarka ilay tomponà radio sady mpampiroborobo soca, Tony Chow Lin On hoe:

Ny manoratra lahatsoratra mifototra amina namana tsy fantatra anarana ary mandroso ny hevitra hoe maty noho ny pilina fitaizana tena ara-tsakafo i Devon Matthews, TSY NATAO AOTOPSY ,,,, Tsy mitsikera ny asan'ny haino aman-jery namana aho fa tena diso amin'ny lafiny maro io , miangavy, mba eritrereto ny zavatra vitanareo tamin'ity iray ity ry Trinidad Guardian.

Nanampy i Kathryn Stollmeyer-Wight mpampiasa Facebook :

Tokony miala tsiny amin'ny fianakavian'i Devon ny Gazety The Guardian […] mila maka fialantsasatra tsy aloa vola ilay mpanao tatitra & mpamoaka lahatsoratra nanome alalàna ity ‘tombatombana’ ity ho lasa vaovao.
Tena izay no tiako hahatongavana, marina ve?
Miala tsiny, mety [marary] 61 & sain'antitra kely angamba aho, saingy amiko tsy azo ekena izao. […]
Mandria am-piadanana Devon Matthews.

Naneho ny alahelony ny fianakaviamben'ny onjam-peo The Red 96.7 FM DJ. Notsenainà hafatra niraradraraka avy amin'ny fon'ireo mpankafy azy ihany koa ilay fahafatesana tsy nampoizina an'i Matthews.

Nizara ity lahatsary ity tao amin'ny pejy Facebook-ny i Cheva Alexa miaraka amin'ny soratra ”RIP”:

Ilay mpanentana onjam-peo Marc Wood kosa, dia nahatsiaro fa ”Natetika ny resakay rehetra no nofaranany tamin'ny hoe ‘ndao hataontsika iary izay e!”, am-piantsoana an'i Matthews ho ”rahalahy iray, namana ary fanahy tsara izay tena mamaritra tokoa ny fanetrentena, fitiavana ary fitozoana amin'ny toetra”.

Ao amin'ny Twitter, nampiasa ny tenifototra #nokilljoy ny sasany — iray tamin'ireo teny malaza filazan'i Matthews — ho fanehoankevitra tamin'ny fahafahatesany:

RIP @DevonMatthews mandra-pihaonantsika indray.

#NoKillJoy Misaona ny firenena pic.twitter.com/I1pxh8pxQt

Mandra-pihaonantsika indray ry namako, soava dia ?? R.I.P @DevonMatthews #bigbrotherdev#nokilljoy… https://t.co/3yx6MTLLRt

Ankona fotsiny ny sasany:

Tena mandratra ahy ity iray ity… ? RIP Devon Matthews ?

”Angataho amin'i Jah foana ny taridàlana sy fiarovana ilainao hiadiana amin'ny devoly” nilaza an'izany foana i Devon Matthews rehefa mandeha amin'ny haino aman-jery izy  ? sento

Na dia sarotra ho an'ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra aza ny hino fa tena lasa tokoa izy, mbola nino ry zareo fa ho velona foana ny mozikan'i Matthews, miaraka amina mpampiasa Twitter iray nanonona ny teniny tamin'ny fahombiazany nandritra ny Fetibe 2017.

Raha marina tokoa ireo tsaho, RIP Devon Matthews. Ho velona ireo teny feno fahendrena, ”Na lava be aza ny làlana, na inona na inona hitranga, fantatro fa vitako izany”

Voalahatra hatao ny Alatsinainy 24 Jolay ao amin'ny  Arima Velodrome ny fandevenana an'i Matthews, kianja iray ao amin'ny tanàna niavian'ilay mpihira. Ho arahina fandoram-paty natokana ho an'ireo fianakaviana akaiky.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.