- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cándido Ríos, Mpanao Gazety Meksikana Nisy Namono : ‘Tsy Mitifitra Amin'ny Bala Ny Fitaovam-piadianay Fa Mitifitra Mahitsy’

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Cándido Ríos Vázquez. Imagen ampliamente compartida en Twitter.

Cándido Ríos Vázquez. Sary nozaraina betsaka tao amin'ny Twitter.

Nisy namono tamin'ny 22 Aogositra 2017 ilay mpanao gazety Meksikana Cândido Ríos, fantatry ny mponina sy ny mpiara-miasa taminy ihany koa amin'ny anarana hoe “Pavuche,” tamin'ny fanafihana mitam-basy tao Hueyapan de Ocampo, Veracruz [1], any amin'ny morontsiraka atsinanan'i Meksika, araka ny loharanom-baovao ao an-toerana [2] .

Nanome ny antsipirihany bebe kokoa momba ny fahafatesany [3] ny sehatra famoaham-baovao mahaleo tena Animal Político :

Ríos, conocido entre sus colegas como “Pavuche”, falleció mientras era trasladado al hospital debido a las heridas de bala de alto calibre que recibió, según dijeron a AFP fuentes conocedoras del caso.

Maty teny an-dalana raha nentina ho any amin'ny hopitaly i Ríos, fantatra amin'ny anarana hoe “Pavuche” teo anivon'ireo mpiara-miasa aminy, rehefa naratra vokatry ny tifitra basy kalibra avo lenta, araka ny voalazan'ny loharanom-baovao misahana ny raharaha tamin'ny AFP.

Nanampy ny lisitr'ireo mpanao gazety nisy namono tany Meksika tamin'ity taona ity ny anaran'i Ríos, anisan'izany i Salvador Adame [4], Miroslava Breach [5]ary Javier Valdez [6]. Mpanao gazety fahasivy nisy namono tamin'ny taona 2017 i Ríos araka ny mpisolovavan'ny fahalalaham-pitenena ao amin'ny Article 19.

Mpanorina ny gazety mpivoaka isan-kerinandro La Voz de Hueyapan i Ríos ary nanangom-baovao ho an'ny gazety Diario Acayucan [7] ao an-toerana nandritra ny 10 taona izy.  Nahitana tatitra kolikoly sy ny polisy ny asany. Hoy ny nasongadin'ny [3] Animal Político :

El periodista era conocido por su larga trayectoria cubriendo nota roja, y por haber tenido conflictos con algunos exalcaldes de la región debido a su labor periodística.

Fantatra tamin'ny asa nataony ho mpanao gazety mitatitra ny heloka bevava ilay mpanao gazety sy noho ny fifandirana nifanaovany tamin'ny ben'ny tanàna teo aloha sasany tao amin'ny faritra noho ny asany.

Nizara sombin- dahatsary [8] iray nalain'i Rios tenany ilay mpisera Twitter Diana Gabriela, sivy andro monja talohan'ny namonoan'ny sasany azy, izay nahitana azy niampanga mafy ireo mpanao politika ao Hueyapan de Ocampo. Nanambara  izy tao anatin'ilay lahatsary hoe: “Tsy mampiasa fitaovam-piadiana izahay. Mamono anay ry zareo amin'ny fahafantarana fa tsy mitifitra amin'ny bala ny fitaovam-piadianay fa mitifitra mahitsy (amin'ny marina).”

Ity ny fahatsiarovana an'i Cándido Ríos: ‘Tsy mitifitra amin'ny bala ny fitaovam-piadianay fa mitifitra mahitsy (amin'ny marina). ‘ Ilay mpanao gazety maty voatifitra tany Veracruz.

Mahagaga fa teo ambany fiarovan'ny manampahefana tao an-toerana i Ríos taorian'ny nahazoany fandrahonana ho faty noho ny asany fanaovan-gazety. Hoy ny tatitry [11]ny Gazety La Jornada :

Jorge Morales, de la Comisión Estatal de Atención y Protección a Periodistas, informó que Cándido Ríos tenía presentadas varias denuncias contra algunas autoridades municipales de la región, por agresiones a su persona.

Nitatitra i Jorge Morales, avy ao amin'ny Vaomieram-panjakana Manohana sy Miaro ny Mpanao Gazety, fa nametraka fitoriana ny sasantsasany amin'ireo mpanao politika ao amin'ny faritra i Cándido Ríos noho ny herisetra natao taminy .

Nanazava [12]ny tranokalam-baovao Huffington Post hoe :

Su afán por denunciar injusticias le ganó amplia popularidad entre los lectores, pero también enemigos como el exalcalde de Hueyapan, su pueblo natal, quien lo amenazó de muerte en numerosas ocasiones, según recuerda su colega y director del Diario de Acayucan, Cecilio Pérez.

Nahatonga azy ho nalaza teo anivon'ny mpamaky ny ezaka nataony tsy misy fitsaharana mba hanamelohana ny tsy rariny, sy hahazo fahavalo tahaka ny ben'ny tanàna teo aloha tao Hueyapan fonenan'i Ríos ihany koa, izay nandrahona azy ho faty imbetsaka, hoy ny mpiara-miasa taminy teo aloha Cecilio Perez, talen'ny Diario de Acayucan.

Mandritra izany, nizara ny sariny tao amin'ny Twitter ny vavahadim-baovao MX Politico :

Nampilaza ny rehetra i Cándido Ríos, ilay mpanao gazety novonoina tany Veracruz fa hisy hamono izy

Nanome tati-baovao ny kely indrindra tamin'ny famonoana an'i Ríos ny sehatra famoaham-baovao mahazatra ao amin'ny firenena. Samy namoaka araka ny fomba filazany mikasika ny antony ambadiky ny famonoana azy ny sasany tamin'izany. Nanasongadina fanehoan-kevitra [17] avy amin'ny manampahefana iray ao amin'ny governemanta Meksikana ny vaovao nasionaly antserasera Milenio izay nilaza fa tsy i Ríos no lasibatra tao anatin'ny fanafihana izay nahafatesany :

El periodista Cándido Ríos Vázquez no era el objetivo del ataque en el que murieron él y otras dos personas frente a una gasolinera en el municipio de Hueyapan de Ocampo, dijo Roberto Campa Cifrían, subsecretario de Derechos Humanos de la Secretaría de Gobernación.

Tsy ilay mpanao gazety Cándido Ríos Vázquez no lasibatra tamin'ny fanafihana izay nahatonga azy sy ny olona roa hafa ho faty teo amin'ny tobin-tsolika iray tao Hueyapan de Ocampo, Veracruz, hoy i Roberto Campa Cifrian, sekretera lefitra ao amin'ny Sekretarian'ny Zon'olombelona ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany.

Nizara izao hafatra manaraka izao tamin'ireo mpanjohy azy i Jaqueline Dorantes:

Cándido Ríos no hany mpanao gazety tao Hueyapan

Nanjary lasa toerana tena mampatahotra i Meksika ho an'ny asan'ireo mpanao gazety, izay matetika mahazo fandrahonana sy herisetra amin'ny fanaovana ny asany. Araho ny tatitra ataonay manokana [19] momba ireo heloka marobe amelezana ny asa fanaovan-gazety ao Meksika, sy ny tsifanasaziana manodidina ny raharaha.