- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tian'ny Governemanta Hofehezina ny Fankahalana Ao Amin'ny Media Sosialy

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Imagen de Esther Vargas en Flickr. Usada bajo licencia (CC BY-SA 2.0) [1]

Sary nataon'i Esther Vargas via Flickr (CC BY-SA 2.0)

Te-hifehy ny fiseraserana media sosialy amin'ny fanakombonam-bava izay lazaina ho “heloka bevavan'ny fankahalana” ny Antenimiera Nasionaly Fanorenana (ANC) — izay nandray ny fahefana andro vitsy lasa izay rehefa napetraka tamin'ny fomba manetriketrika tamin'ny 21 Aogositra –.

Tamin'ity herinandro ity ny ANC niady hevitra amin'ny volavolan-dalàna mitondra ny lohateny hoe “Ley de Convivencia Pacífica, contra la Intolerancia y la Violencia” [Lalànan'ny Fiaraha-Miaina Milamina, hiadiana amin'ny tsy fahazakana sy ny herisetra]. Hitan'ny ANC ho ao anatin'ny iraka ampanaovana azy hamokarana lalampanorenana vaovao ao anatin'ny roa taona, fotoana ametrahana ny fahefam-panjakana hafa rehetra ho eo ambany fiamboniany faratampony, ity volavolan-dalàna ity.

Tamin'ny Jolay 2017, raisin'ny [2] Antenimiera Nasionaly Fanorenana ho andraikiny ny fahefana fanaovan-dalàna rehetra izay teo ambany fahefan'ny Antenimieram-Pirenena Fanaovan-Dalàna, izay nananan'ny mpanohitra ny maro an'isa teo aloha, ka manafoana ho azy ny parlemanta sady manaisotra tanteraka ny governemanta venezoelana amin'io andrim-panjakana nofidim[-bahoaka] io. Efa nambaran'ny governemanta mialoha fa naniratsira [3] ny Antenimiera Mpanao Lalàna, ka efa raisiny ho tsy manankery avokoa izay hetsika na zavatra rehetra mety ho ataony.

Ny ANC dia natsangana tao anatin'ny onjam-panoherana izay nandravarava ny firenena tao anatin'ny volana maromaro, sy ny fisalasalana amin'ny maha-ara-dalàna ny ataony, ankoatra ny fidradradradrana fisian'ny hoso-pifidianana  [4]— izay ilay orinasa nanolotra ny teknolojia hanatanterahana ny fifidianana [5] ihany no nanao izany — ary ny tsy faneken'ny iraisampirenena ny maha-ara-dalàna azy.

Tsy zava-baovao, anefa, ny fanaratsian'ny fitondrana chavista ny media sosialy: tamin'ny taona 2010 [6]dia efa nampangain'ny governemanta ho mandrisika fankahalana sy herisetra ny tambajotra antserasera, ary ahiana ho voasambotra [7] ireo mavitrika amin'ny fampiasana azy ireny. Tamin'ny taona 2014, efa nisy ny volavolan-dalàna napetraky ny antoko nitondra tamin'izany fotoana izany te-hametraka nyy fanohernaa an-tserasera ho “fampihorohoroana antserasera [8].”

Nanambara [9] Atoa Delcy Rodríguez, izay filohan'ny ANC fa [9]:

Las redes sociales se han convertido en la plataforma más grotesca y brutal para atentar contra el pueblo. Esas expresiones, amenazas de muerte, esas expresiones de odio deben acabarse en Venezuela y por eso esta ley va a contener sanciones para el delito de odio, va a contener sanciones y regulaciones en los medios de comunicación.

Lasa sehatra fanaovan-bontolo sy setrasetra ho an'ireo te-hamely ny vahoaka ny media sosialy. Tsy maintsy atsahatra eto Venezoela ireny fanimbazimbana, fandrahonana ho faty, tenim-pankahalana ireny ary izany no ametrahana ao anatin'ity lalàna ity famaizana amin'ny heloka bevavan'ny fankahalàna sy ifehezana ny fampitam-baovao.

Ao anatin'ireo tsikefa maro hafa, notondroin'ny olom-pirenena ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ilay volavolan-dalàna, tsy hita an-tserasera ny rijan-teny. Na dia milaza aza ny mpanolotra fa hiadian-kevitra “miaraka amin'ny vahoaka” ilay lalàna, efa fanao ofisialy fa fombafomba fotsiny izany karazana adi-hevitra izany, fa efa atao any amin'ny vondrona voaomana mpanohana ny governemanta.

Tsy naseho ho hitantsika olom-pirenena hovakiana ny volavolan-dalàna iadiana amin'ny fankahalana: https://t.co/88txrxFF60  [10]

Mampahatsiahy ireo fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana efa natao teo aloha, izay azo ampiana fifehezana ny media sosialy indray amin'izao fotoana, ny mpaneho hevitra sasany.

Manohy amin'ny fangejana ny fahafahana sivily i Maduro amin'ny alalan'ny fanakanana fantsom-baovao vahiny sy finiavana hanara-maso ny media sosialy. Miaritra ao anatin'ny jadona tanteraka i Venezoelà.

Ny tolo-dalàna ho an'ny ANC avy amin'ny filoha Nicolás Maduro tamin'ny andro indrindra nanaovany fianianana hankatoa ny “mihoa-dalàmpanorenana sy manana ny fahefana feno”, dia mitady ny hanafaizana “fankahalana” ao amin'ny media sosialy amin'ny fampidirana am-ponja hatramin'ny 25 taona. Amin'izao fotoana, amin'ity ANC manana ny fahefana feno ity, izay tsy ahitana afa-tsy ny solontenan'ny antoko mitondra, dia hita fa tsy misy na inona na inona afa-manakana ity lalàna ity tsy ho lany.