Nivaha ny Gidragidra Diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia, Tsy Hisy ny Ady

voaloham-pejy amin'ny gazety makedoniana iray mivoaka isan'andro Sloboden Pečat nandritra ny krizy ara-diplaomatika teo amin'i Serbia sy Makedonia. 22 Aogositra 22 (ankavia): “izany hoe mba mila mitsikilo azy ireo indray mandeha isika!” 23 Aogositra (afovoany): “Valian'i Skopje am-pitoniana ny fihantsian'i Belgrade: Rahalahy Serba, tia anareo izahay!”; 24 Aogositra (ankavanana): “Nifampiresaka antelefonina i Vučić sy i Zaev: Hanangana fifandraisana finamanana isika ary hitari-dresaka momba ny fahasamihafana.”
Roa andro taorian'ny nanombohany dia hita ho nitsahatra ny gidragidra ara-diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia.
Nigedraka ny fifanenjanana taorian'ny antso an-telefonina teo amin'ny praiminisitra Makedoniana Zoran Zaev sy ny filoha Serba Aleksandar Vučić izay namoaka fanambarana iraisaina hiroso amin'ny famahana ny tsi-fifankahazoana amin'ny alalan'ny fifampiresahana. Nanambara ny fiverenan'ny mpiasany tsikelikely ho ao amin'ny ambasady ao Skopje i Serbia.
Ny pejy voalohany amin'ny gazety serba mpanohana ny governemanta kosa izay nitabataba “Ady!” sady nanakiana ny Makedoniana ho “nandefona ivoho,” dia somary nihena firehidrehitra aloha, ary avy eo dia nanadino tanteraka ilay raharaha. Ao amin'ny media sosialy, saika nitovy avokoa ny setriny avy amin'ny mpisera manerana ny faritra, izay anehoan'ny olom-pirenena ny fahatafintohinany manoloana ny fiteny lian'ady.
Најбитно е што народите на Србија и Македонија ОДБИЈА да се скараат!
ОД-БИ-ЈА!!!— Mindplumber (@mindplumber) August 23, 2017
Ny zava-dehibe aloha dia samy NANDA amin'ny fidirana ao amin'ny gidragidra ny vahoakan'i Serbia sy Makedonial!
NAN-DA!!!
Се утепавме од ретвитање и заследување едни други со србите овие два дена. Сакам да кажам као заеднички будали што може да те спојат – никој
— Ljubiša (@Sulimanovic) August 22, 2017
Na isika na ny Serba dia samy nampiasa ny rantsa-tanany hampita hafatra (retweeting) sy hanjohy ny hafa tao anatin'ny roa andro izao. Ny tiako lazaina dia tsy misy ny afa-mampitambatra anao tahaka ny adala iraisana!
Ny olom-pirenena manerana ny faritra dia samy nidera ilay gazety makedoniana mivoaka isan'andro “Slobodon Pecat” noho ny valiny nataony tamin'ireo fitenin'ny gazety serba tia manaitaitra lian'ady. Tamin'ny 23 Aogositra dia nasehony teo amin'ny voaloham-pejy ireo lohatenin-gazety anti-Makedoniana nampiarahany tamin'ny lohateny lehibe amin'ny teny serba manao hoe “Rahalahy Serba, tia anareo izahay!” nosoratana tamin'ny endritsoratra Sirilika Makedoniana.
This should be the reply to every tabloid lynching attempt ever. You hate us? Aww. We love you, dear Serb brothers. #embassygate #macedonia pic.twitter.com/rgado1SVZ4
— Una Hajdari (@UnaHajdari) August 23, 2017
Izany no tokony ho setriny amin'ireo gazety mpanaitaitra te-handrangitra. Mankahala anay ianareo? Tia anareo izahay ry rahalahy serba
Maro ireo mpisera Twitter no nanohy tamin'ny fanesoana ireo mpandranitra ady, sady manasongadina ny fitoviana eo amin'ny fitondrana mpandrendri-bahoaka an'i Vučić sy ny praiminisitra Makedoniana teo aloha Gruevski (2006-2017).
Makedonac je izbio na treće mesto na listi najvećih srpskih neprijatelja.
Iza Promaje i Rominga
ispred Hrvata i Sapuna.— Serge Truffaut (@WhistlerDick) August 22, 2017
Tafakatra teo amin'ny laharana fahatelo amin'ny lisitry ny fahavalo lehibe indrindra amin'ny Serba ny Makedoniana.
Aorian'ny promaja sy ireo Rôma,
alohan'ny Kroaty sy ny savony.
Ја би идел у рат со Србите со жолта и овчо. Нивно е да донесат кајмак и чварки. Бар едно три дена би ратувал.
— Martin Nikolic (@Martin_Nikolic) August 22, 2017
Ny fitaovam-piadiako amin'ny Serba dia ny rakija mavo sy ny henan'ondry. N an-dry zareo indray dia afa-mitondra kaymak sy tatavian-kisoa ry zareo. HIady ao anatin'izany ady izany ao anatin'ny telo andro aho.
Nisy Serba mpisera Twiter iray niteny tsipalotra ny hetsika ‘Revolisiona Maroloko’ izay nanampy tamin'ny fandrodanana ny fitondrana tsirefesimandidy tao Macedonia:
Nego Makedonci, jel vam ostalo nešto od onih farbi i boja, i mi treba da krečimo do Nove godine.
— Tatjana Vojtehovski (@TVojtehovski) August 22, 2017
Izany eo ihany ry Makedoniana, fa mbola manana ambin-doko ve ianareo? Mila mandoko alohan'ny Taombaovao manko izahay.
‘Mikatona ny raharaha’ — mbola lavitra an!
Nanjary nampivoaka vaovao fanampiny tamin'ny toe-draharaha miompana amin'ny nahitana an'i Goran Živaljević, mpiasan'ny fitsikilovana serba, tao amin'ny Parlemanta Makedoniana nandritra ny fanafihan'ny ‘Alakamisy mihoson-dra’ tamin'ny 27 Avrily nanaovany selfie koa ity krizy diplaomatika ity.
Nandritra ny antsafa TV tamin'ny 22 Aogositra tao amin'ny Radio Televizionan'i Serbia (RTS), dia nanambara ny Filoha Serba Vučić fa hita teo ny mpitsikilon-dry zareo izay nahazoana alalana avy amin'ny manampahefana mpanatanteraka ambony indrindra ao Makedonia. Na izany aza dia nilaza ny VMRO-DPMNE, antoko nitondra tamin'izany fotoana izany tao Makedonia ny fitsipahany izany filazana izany ary milaza fa tsy nilaza ny marina i Vučić.
Сите биле недостапни за време на нападот со умисла во Собрание. Живаљевиќ ПРАШАЛ и добил дозвола од извршната власт да уџиџе. Кога и кого?
— В!Дана (@VidanaDeSign) August 23, 2017
Tsy nisy azo ny telefonin'ny manampahefana ambony rehetra tao amin'ny governemanta nandritra io fanafihana tao amin'ny Parlemanta efa nomanina io. NANONTANY i Živaljević ary nahazo alalana avy amin'ny manampahefana mpanatanteraka hiditra. Oviana marina ary avy amin'iza?
Ny ampitso, namoaka ny fanambaran'i Živaljević tenany mihitsy ny RTS izay nilaza fa nahazo alalana hanatrika teo avy amin'ny mpanolotsaina ara-piarovan'ny filoha Makedoniana Gjorge Ivanov. Nahazo ny toerany noho ny VMRO-DPMNE i Ivanov ary mitazona mivantana ny fifehezana ny Sampam-Pitsikilovana.
Namoaka fanambarana fitsipahana azy manokana avy eo ny kabinetran'i Ivanov, nilaza fa tsy nangataka alalana ilay Serba mpitsikilo fa niantso azy ireo taty aoriana mba hanaovana alibi [fiarovantena ara-pitsarana]. Ary nosoritan-dry zareo avy eo fa “nikatona ny raharaha Atoa. Živaljević sy ny fijanonany tsy nahazoana alalana tao amin'ny Parlemanta taorian'ny fifanarahana teo amin'ny servis roa tonta,” saingy toa hita fa tsy mbola nikatona izany raharaha izany.
If true, this implies that former PM #Dimitriev, MFA #Poposki, as well as President #Ivanov & his adviser R involved in #Coup & #Treason
— Andreja Stojkovski (@andrejas_mkd) August 24, 2017
Raha marina izany dia tafiditra ao anaty fanonganam-panjakana sy famadihan-tanindrazana ny Praiminisitra Dimitriev, ny minisitry ny raharaham-bahiny Poposki, ar ny filoha Ivanov sy ny mpanolotsainany R
Nihanitombo tao ho ao ny antso hanaovana ny famotorana amin'ny endriny rehetra ity ‘Alakamisy Mihoson-drà’ ity. Mitaky ny olompirenena ny hanaovana famotorana izay mety hiampangana ireo manampahefana ambony ho namadika tanindrazana na/sy ny fanesorana azy ireo amin'ny asany noho ny fifandraisany amin'n sampam-pitsikilovana vahiny nandritra io alina io izay saika nivadihan'i Makedonia ho any amin'ny ady an-trano.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...