- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mivoaka Mpandresy amin'ny One World Media Awards Ny WITNESS/Global Voices Human Rights Video Hub.

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona an-tsary

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2007)

Ny 14 Jona 2007,  nahazo ny lokan'ny tetikasa tsara indrindra ho an'ny media vaovao nandritra ny One World Media Awards  [1]tany Laondra ilay tetikasa santatra “WITNESS/Global Voices Human Rights Video Hub [2]“. (Tsidiho ity pejy ity [3] ahitanao ny lisitra feno misy ireo mpandresy [3].)
winners
Atolotry ny One World Broadcasting Trust [4] isan-taona, ireo loka dia “mandrisika ny fahatsarana ao amin'ny media izay mandray anjara amin'ny fahatakarana tsaratsara kokoa ireo olana fototra amin'ny fampandrosoana iraisam-pirenena … ary manaiky ny anjara asa miavaka sahanin'ireo mpanao gazety sy ireo mpamorona sarimihetsika ho toy ny tsipi-panohizana eo amin'ireo fiarahamonina samy hafa, sy mpampita ny haben'ny traikefa ara-piarahamonina, ara-pôlitika sy ara-kolontsaina manerana izao tontolo izao.”

Nisolotena ny Global Voices sy ny WITNESS  [5]tany amin'ilay lanonana i Neha Viswanathan [6], toniandahatsoratra ao Azia Atsimo, sy i Sameer Padania [7], toniandahatsoratry ny “video hub” teo aloha (talen'ny tetikasa “video hub” ao amin'ny WITNESS ankehitriny). Nandresy ny Tribe [8] an'ny BBC sy ny  Cowforce [9], tranonkala ho an'ny fikambanana mpamboly mpanao asa soa [9]ny Human Rights Video Hub teo amin'ny lokan'ny mpitsara. Araka ny mpitsara avy ao amin'ny One World, dia:

Nisafidy ny hanolotra ny loka ho an'ny Human Rights Video Hub ny mpitsara satria, na dia tetikasa santatra aza izy io, dia nanolo-tena sy nifantoka tamin'ny hery ananan'ny Tranonkala fandraisana anjara amin'izao fotoana izao. Natsangana manodidina ireo teknolojia media vaovao tena mahatalanjona izay vao manomboka takatsika izany – ny fipoahan'ny lahatsary anaty aterineto sy ny teknolojia fampiasa amin'ny finday. Mety hitondra rivopanovàna tokoa ny fanampiana ireo olona tsy manana solosaina hizara ny tahirinkeviny mikasika ny fandikàna ny zon'olombelona amin'ny vahoaka eran-tany. Efa nifanaraka izahay fa mametraka fenitra fototra ity vohikala ity, izay tokony hotratrarin'ny hafa rehefa mampiasa ny teknolojia sy ny media niomerika izy ireo mba hanasongadinana ny tsy rariny izay matetika tsy voaresaka amin'ny vahoaka eran-tany; noho izany dia manana fahafahana hitondra fiovàna tena izy io tranonkala io. Asehon'ilay tetikasa ny fomba ahafahan'ny fahafahana miara-miasa sy mizara ary mampiray manamafy ny anjara vintan'ny hafa ao anatinà fiarahamonina tsy mitovy tantana. Mahafeno mazava tsara ireo fepetran'ny One World Broadcast award izy io ary manokatra ny varavarana, ny sehatra ary ny toejavatra ilaina mba hanasongadinana ireo kolontsaina eran-tany amin'ny alàlan'ny iraizotongotra (prisme amin'ny teny frantsay) vaovao sy miaraka aminà votoaty editorialy voadinika sy mikajy.

Natomboka tao amin'ny vohikalan'ny Global Voices ilay tetikasa santatra “WITNESS/Global Voices Human Rights Video Hub” [10] tamin'ny Septambra 2006, izay manabaribary ireo lahatsary mikasika ny zon'olombelona manerana izao tontolo izao. Dingana voalohany amin'ilay tetikasa maharitry ny WITNESS ity tetikasa santatra ity, izay natao mba hampibaribary ireo lahatsary, hanomezana fitaovana fampianarana, ary ho loharano ho an'ireo mpikatroka mafana fo, ireo mpanao gazety na koa ireo hafa liana amin'ny fanakiviana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona “amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny fanohanana ireo zo haneho hevitra eo amin'ny fiarahamonina sy ny fiteny amin'ny maso ho hery fanovàna”. Araka ny nosoratan'i Sameer Padania tao anatin'ny mailaka tamin'ny maraina: “Fantatro fa izany no lazain'ny olona isaky ny fotoana toa izao, saingy ity loka ity dia tena ho an'ireo olona eo amin'ny kianja sy ho an'ny herimpony, ny fanolorantenany sy ny talentany- bilaogera, mpisolovava miaro ny zon'olombelona, mpanao gazety, mpisolovava, mpamorona sarimihetsika, olompirenena- izay niady mba hampibaribary ireo olana ireo ary izay, raha tsy nisy azy, tsy nanana ho tenenenina na haseho isika.”