Miaraka Amin'ny Zavatra Noforoniny, Tanora Injeniera Avy Ao Nizera Mandray an-Tànana ny Fandotoan'ny Indostria ny Rivotra

Dikasarin'ny fanadihadiana nataon'ny SciDev Afrique mikasika ny asa famoronana avy ao Nizera ho entina miady amin'ny fandotoana.

Mety efa henonao ny mikasika an'i Boyan Slat, tanora Neerlande mpamorona sy mpandraharaha izay namorona rafitra mampiasa ny fivezivezen'ny onjan'ny ranomasimbe mba hanadiovana ny ranomasimbe amin'ireo fako sy ireo loto hafa. Nahasarika ny maro ny tetikasany, The Ocean Cleanup (Ny fanadiovana ny ranomasimbe), taorian'ny nanaovan'i  Slat TEDx Talk ny taona 2012 mikasika io, nahasarika fanampiana maherin'ny $31,5 tapitrisa avy tamin'ireo mpanohana, tafiditra tamin'izany ny Salesforce.com sy ilay tia manampy ny hafa Peter Thiel.

Mety ho avy any Nizera ny tanora manaraka mikasa ny hanampy ny tontolo iainana. Mihaona amin'i Abdou Barmini, 22 taona, izay nanamboatra fitaovana miady amin'ny fandotoana ary  manadio ny rivotra avy amin'ireo setroky ny indostria. Milaza i Barmini fa hanadio ny 80 % ny rivotra maloto avoakan'ireo famoahan-tsetrok'ireo orinasa ilay fitaovana, antsoina hoe APFI Barelec. Raha toa ka marina ny voalazany, mety ho tena tombotsoa be ho an'ireo firenena manana fidirambola kely ny asa famoronany.

Toy izao ny fiasany araka ny fanazavan'i Barmini eto amin'ny lahatsary manaraka (amin'ny teny Frantsay) novokarin'ny SciDev Afrique, ilay varavarana Afrikana ao amin'ny vohikalam-baovao mikasika ny siansa sy teknolojia ho an'ny fampivoarana manerantany:

Ao anatin'ilay lahatsary, manazava ny fizotran'ny asa famoronany i Barmini:

Natao ho apetraka ao amin'ny fototry ny fivoahan-tsetrok'ireo orinasa mamoaka  setroka ilay fitaovana santatra. Hisintona entona mavesatra miaty CO2 avy ao amin'ireo setroka amin'ny alalan'ny fatra simika mifototra amin'ny fifanintonana mamatotra ireo singan'ny CO2 ilay fitaovana miendrika T. Mivoaka ao amin'ny làlana iray hafa amin'ilay fitaovana miendrika T ireo setroka voadio.

Dikasarin'i Barmini mitsangana eo akaikin'ny fitaovany santatra, avy tamin'ny Africa 24

Nampiany fa mbola eo amin'ny fitaovana sanatra izy, noho izany, mbola betsaka ny azo atao mba hanatsaràna ilay fitaovana. Ny mpiara-miasa aminy, Garba Boubacar, mpikaroka ao amin'ny fikarohana ara-fizika sy ara-tontolo iainana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Niamey, Nizera, nandroso hevitra fa:

les particules en suspension dans l'air ne sont pas constituées que de gaz carbonique ; il y en a d'autres que son invention devra fixer, pour atteindre un taux de purification à 100%

Tsy hoe entona karbonika fotsiny fa mihoatra noho izany no mandrafitra ireo singa mavesatra hita ao amin'ny setroka ; misy ireo singa hafa tokony ho tsaboin'ilay asa famoronany, mba hahatratrarana ny taha 100%-n'ny fanadiovana .

Milaza i Barmini fa niasa tsy tapaka tao anatin'ny roa taona, ary mamatsy ny fikarohany amin'ny vola miditra aminy manokana mba hahavitana ilay fitaovana santatra. Ny nandrisika azy hamboatra azy io dia ny mba hahitàna vahaolana amin'ireo ahiahiny mitombo hatrany mikasika ny kalitaon'ny rivotra sy ny fiovan'ny toetrandro ao Nizera fireneny.

Notaterin’ny Fikambanana Misahana ny Fahasalamana Iraisampirenena fa ny fandotoana ny rivotra iainana (ivelany) any amin'ireo tanàndehibe sy toerana ambanivohitra dia tombanana ho anton'ny fahafatesana aloha loatra erantany miisa 3 tapitrisa eo ho eo ny taona 2012, ary ny 88%-n'ireo fahafatesana aloha loatra ireo dia mitranga any amin'ireo firenena manana fidirambola ambany na antonontoniny. Amin'ny fampihenana ny tahan'ny fandotoana ny rivotra, ho afaka mampihena ny vesatry ny aretina amin'ny tsoka, aretim-po, homamiadan'ny havokavoka, ary ireo aretin'ny fahasemporana tsotsotra na efa mahery vaika ireny firenene ireny.

Firenena tsy manana morontsiraka ao Afrika Andrefana i Nizera, izay any amin'ny laharana ambany indrindra foana amin'ny Tondron'ny Fampandrosoana ny Maha Olona omen'ny Firenena Mikambana. Ambonin'izany, tena nizaka ny fiovàn'ny toetrandro ny faritra Afrika Andrefana nandritra ireo taona vitsy lasa izay. Miankina betsaka amin'ny fitrandrahana ambanin'ny tany ny toekarena ao Nizera, izay ny oraniôma sy ny arintany no tena betsaka ahondrana.

Fitrandrahana oraniôma mibanaka be, akaikin'ny Arlit, Nizera, avy tamin'i David Francois – CC-BY-NC-2.0

Noho izany, olana maika sy tsy misy hatak'andro ho an'ny firenena, izay efa ampijalian'ny toetrandro mafana sy maina, haintany mafy ary mosary maharitra, ny kalitaon'ny rivotra.

Mety hanontany ianao hoe inona no mampiavaka ny asa famoronan'i Barmini amin'ireo hafa fanadiovana rivotra ? Ito ny fanazavàny raha  nohadihadian'ny  Organisation de la Propriété Intellectuelle (Fikambanana Afrikana Miaro ny Zon'ny Mpamorona ):

Par ailleurs, en faisant l'état de la technique dans ce domaine, M. Abdou Barmini a souligné que les purificateurs ambiants existants sont des appareils électroniques qui sont utilisés pour nettoyer l'air. Ils le font en réduisant ou en éliminant complètement le nombre de particules nocives dans l'air (mais ils ne se focalisent  pas à la source de l'émission).[..] Les purificateurs domestiques se font souvent via un filtre.  Essentiellement, cela rend l'air sortant de la machine plus propre et plus sain. Mais cette technique présente des insuffisances. Elle provoque l'obstruction des mailles et ne peut faire l'objet d'une utilisation sur les cheminées industrielles.

Raha nanolotra ny fiasa ara-teknika eo amin'io sehatra io, mikasika ny fanadiovana ny rivotry ny indostria izy, nanipika i Ramose Abdou Barmini fa 1) matetika fitaovana elektronika ampiasaina hanadio ny rivotra iainana ety ivelany manodidina ny orinasa no fanadiovana ny rivotra iainana (na ivelany) misy ankehitriny. Mampihena na manaisotra tanteraka ireo singa manimba ao amin'ny rivotra izy ireo (fa tsy mikendry ny loharano mpandefa io izy ireo). […] 2) Ireo mpanadio ao an-trano indray (na anatiny) matetika manao izany amin'ny alalan'ny sivana. Manadio amin'ny ankapobeny ny rivotra mivoaka ny milina io teknika io. Fa misy tsy fahampiana ihany koa io teknika io. Mampisy tohana eo amin'ny karakaran'ny sivana io ary tsy afaka ampiasaina tsara amin'ny fivoahan-tsetroka indrostrialy.

Tsy mampiasa sivana ny APFI Barelec an'i Barmini. Namboarina avy tamin'ireo fitaovana teo an-toerana naverin'i Barmani nampiasaina, nampifanarahana amin'ny zavamisy ary natambatra ho an'ny ilàny azy, ilay fitaovana santatra. Antenain'i Barmini ny asa famoronany mba ho tsikaritr'ireo fikambanana miady amin'ny fiovan'ny toetrandro, izay hanampy azy hamàrana ny tetikasany, .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.