- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Costa Rica: Fiantraikan'ny Aterineto Amin'ireo Fifidianana Filoham-pirenena ny Taona 2006

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

Ny dika voalohany amin'ity lahatsoratra ity dia afaka jerena ato amin'ny teny espaniola [1].

Costa rican Candidates
Nanana singa manokana mihitsy ireo fifidianana filoham-pirenena ireo satria ireo no fifidianana voalohany tena nandraisan'ny aterineto anjara lehibe tokoa. Tsy hoe ho an'ireo tranonkalan'ireo antoko politika maro sy ireo kandidà (ML [2], PLN [3], UPC [4], PAC [5], PUSC [6]) fotsiny, fa ihany koa satria ireo fifidianana ireo dia namela fifanakaloza samihafa sy mahafa-po, hevitra, ideolojia, ary fomba fijery mikasika ny kandidà itsy na iroa. Ny tena zava-dehibe dia maro amin'ireo adihevitra ireo no natao tao amin'ny vondrom-piarahamonia mivoatran'ireo bilaogy Kôsta Rikàna, ahitàna ireo vohikala tahaka ny jdclarke izay nampiditra lahatsarin'ireo adihevitra mihitsy. Na ireo bilaogy tahaka ny fusildechispas [7] izay naneho hevitra tamin'ilay adihevitra farany momba ny fifidianana filoham-pirenena aza, izay naharitra maherin'ny  ora dimy ary nahatazona ny fahalianantsika arakaraky ny nandehanan'ireo minitra.

Tao amin'ireo bilaogy hafa tahaka ny La Suiza Centroamericana [8], matetika i Dean Cornito no mametraka ny tsy fahazoany aina amin'ny sokajy ara-politika eto amin'ity firenena ity. Bandidocr [9], iray amin'ireo vitsy be herim-po nahavita nijery hatramin'ny farany, manome famakafakana kely ny fahombiazan'ny kandidà tsirairay [10]. Se salvó el pais [11] indray miresaka fotsiny mikasika ny kalitaon'ny fanambaràna ampahibemaso na fampielezankevitra [12] tahaka ny fanehoankevitry ny sasany amintsika teo aloha momba ny (tsy fahampian'ny) fahaizamanaon'izy ireo satria ny ankamaroan'izy ireo nitontongana ho fampihomehezana ary lasa fandaniam-potoana.

Ho famintinana, mandray anjara lehibe ny ampahany lehibe amin'ireo bilaogy Kôsta Rikàna tamin'ny famolavolana ny hevitry ny vahoaka sy amin'ny fanentanana fifanakalozankevitra tsara momba ny fifidianana filoham-pirenena [13] arakaraky ny hanakaikezan'izy ireny. Tsy mbola nisy mihitsy teo aloha ireo kandidà no notsinkafonina antsipirihany tahaka ny mahazo azy ireo ankehitriny.