- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalao Cricket An-tanànakely, Amin'ny Endrika Karibeana

Sokajy: Karaiba, Anguilla, Antigoa sy Barboda, Bahamas, Barbady, Bermuda, Dominika, Goiana, Grenada, Jamaika, Montserrat, Nosy Cayman, Saint Lucia, St. Vincent & the Grenadines, St.Kitts & Nevis, Trinite sy Tobago, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 17 Aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Howsen Village cricket match [1]
Ny lalao cricket amin'ny Alahadin'ny Paka  — Tanànakely Howsen , Trinite. Avy amin'ny caribbeanfreephoto [1]

Amin'izao vanim-potoana izao, mitodika any amin'ny lalao cricket ny eritreritry ny Karibeana miteny anglisy [2]. Rehefa mivezivezy amin'iza faritra zanatany Britanika teo aloha tsidihanao ianao dia mety hahita sehatra maitso tahaka ity iray ity ao amin'ny tanànakelin'i Howsen, Trinite [3]. Nifanandrina tamin'ity lalao natao tamin'ny Alahadin'ny Paska ity ny avy ao amin'ny tanànakelin'i Howsen sy ny avy eo ampitany (fifamaliana), ekipa iray avy any Valencia (an-kianja) ary olona miisa roapolo teo ho eo no nijery izany sy nozaraina labiera sy toakamena ary nanohana ireo mpilalao tao anatin'ny resadresaka momba ny raharaha teo an-toerana, anisan'izany ny adin'ny mpifankatia iray izay inoan'ny maro fa hiravina tsy ho ela (izany dia noho ilay vehivavy “nidaroka” ilay lehilahy). 121 sy 5 ny isa tamin'ny fotoana fisotroana dite.

Nanomboka ny 29 aprily ny vanim- potoana ho an'ny lalao cricket iraisampirenena [4] tany Karaiba, izay nahitana an'i Zimbaboe nifanandrina tamin'i Antilles Andrefana any Antigua. Nanangona ireo resaka momba ny lalao Cricket any Antilles Andrefana ny The West Indies Cricket Blog [5] any an-toerana.  .