Mitokona Mitaky Ny Famotsorana Ireo Gadra Politika Ny Mponina Ao Amin'ny Faritra Oromia ao Ethiopia

Trano fivarotana mikatona sy lalambe mangina ao Bale Robe, tanàndehibe Antsinanan'i Ethiopia. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Jawar Mohammed ary nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy.

Nivondrona hanohitra ny fitondrana ao Ethiopia tamin'ny Alarobia 23 Aogositra ny Oromos, vondrom-poko iray lehibe indrindra ao Ethiopia, tamin'ny alàlan'ny fijanonana tany an-trano sy ny tsy fandehanana miasa ary ny fandàvana hanokatra ny asa aman-draharahany tamin'ity indray mitoraka ity no nanatontosana izany..

Maresaka be ny tanàndehibe ao Oromia, faritra lehibe indrindra ao Ethiopia izay ahitana betsaka ny vahoaka Oromo. Saingy nampiseho ireo sary nozaraina tao amin'ny Facebook fa nangina ny ankamaroan'ny foibem-pivarotana sy ny tsena ankalamanjana ny Alarobia sy ny Alakamisy. Saika tsy nisy olona avokoa ny làlana, ary nijanona ireo fitateram-bahoaka, ka nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana tsy fidiny ireo mpiasan'ny governemanta tsy nanana fomba hafa nandehanana ho any am-piasanany. .

Mitokona i Harar sy ny manodidina azy ; Tsy nisy ny varotra sy ny fitaterana. Tsikaritra ihany koa ny fiara simba vitsivitsy.

Nokarakarain'ny hetsiky ny tanora Oromo miafina miantso ny tenany hoe “Qeerroo” ny fitokonana izay nokasaina hatao mandritra ny dimy andro, teny manondro ny fahatanorana amin'ny fiteny Oromo ny Qeerroo.

Ny famotsorana ireo gadra politika sy ireo mpikatroka nogadraina, indrindra ireo mpanohitra malaza tahaka an'i Merera Gudina sy Bekele Gerba izay nosamborina tao anatin'ny roa taona farany tamin'ny hetsi-panoherana ary nohelohina ho nanao fampihorohoroana sy nampiroborobo ny ” fanovàna ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fampiasana fitaovana mahery vaika tsy ara-dalàna sy fandrahonana” no tena fototry ny fitakian'ireo vondrona mpikatroka  miafina.

Roa taona lasa izay, nanao hetsi-panoherana ny mponina an'arivony manerana an'i Ethiopia indrindra ny tao amin'ny faritra Oromia sy Amhara nitaky fahafahana ara-politika bebe kokoa sy ny fitoviana ara-tsosialy ary ny fampitsaharana ny fangalan'ny governemanta ny tanin'izy ireo. Ny 35 isanjaton'ny olona miisa 100 tapitrisa ao amin'ny firenena dia Oromos avokoa  ary manodidina ny 30 isan-jato ny mponina Amharas. Tsy misy afatsy ny 6 isanjaton'ny mponina kosa no Tigrayans , kanefa ireo sangany amin'ny Tigrayan no tena anisan'ireo miaramila manana grady ambony indrindra izay mifehy ny fiarovam-pirenena.

Naherisetra ny valiny avy amin'ny governemanta tamin'ity fitroarana ity; An-jatony no maty ary an'arivony no nosamborina. Tamin'ny volana Ôktôbra 2016, nanambara ny hamehana manerana ny firenena nandritra ny sivy volana ny manampahefana izay nesorina tamin'ny 4 Aogositra 2017.

Miaraka amin'ity fitokonana vao haingana ity, mikasa ny hampitsahatra  ilay antsoin'ireo mpikatroka monina any am-pielezana ho fiakaran'ny hetra tsy ara-dalàna  ihany koa ny Qeerroo. Tamin'ny volana Jolay 2017, nampidirin'ny governemanta ny rafitry ny hetra vaovao ho an'ireo mpandraharahan'ny orinasa madinika manerana ny firenena izay nahatonga ny hetsi-panoherana mitovy amin'izany tany amin'ny faritra Oromia sy Amhara. Nifarana tsy nahitam-baliny ara-politika ity hetsi-panoherana tamin'ny volana jolay ity , saingy nitsikafona ilay fangatahana eto.

Ankoatra izany, eo anivon'izany rehetra izany, nanana fifandirana mikasika ny sisintany miaraka amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, ny Somali Ethiopiana ny Oromos . Tamin'ny volana aprily 2017,  nilaza tamin'ireo faritra roa ireo ny governemanta Ethjiopiana nandritra ny fotoanan'ny tany mihotakotaka (hamehana) mba hifanaraka hifampizara ny sisintaniny indray tamin'ny alàlan'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay notanterahana 10 taona lasa izay izy ireo, ary ao anatin'izany dia matiantoka kokoa i Oromia fa nesorina taminy ny tany sasantsasany. Nampiasa “Polisy Liyou” na polisy manokana ao amin'ny faritra Somali ny governemanta ho tafika mitam-piadiana manatanteraka ny vokatry ny fitsapankevi-bahoaka .

Nahita izany ho tetidratsin'ireo Tigryan sangany mba hanakiviana azy ireo ny Oromos, ary niampanga ny Polisy Liyou tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Tafiditra ao anatin'ny fangatahan'ny hetsi-panoherana am-pilaminana amin'izao fotoana ny famaranana ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay voalaza ireo.

Mitaky ny famaranana ny “polisy Liyu tsy refesi-mandidy” ao Oromia i Ethiopia satria efa manerana ny faritra ny fitokonana hijanona any an-trano.

‘Tokony ho entina eo amin'ny sehatra nasionaly izany’,

Tamin'ny alàlan'ny Facebook, tranonkala sy ireo tambajotram-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana any am-pielezana no nifandraisan'ny Qeerroo tamin'ny vahoaka. Jawar Mohammed, tale mpanatanteraka ao amin'ny Tambajotram-pampitam-baovao Oromo , no tena nanome ny loharanom-baovao. Manana mpanjohy mihoatra ny iray tapitrisa ny pejiny Facebook, ary tao anatin'ny telo taona farany ny ankamaroan'izany.

Ny pejy Facebook-n'ny mpikatroka Oromo monina ao Amerika Jawar Mohammed no hany sehatra fampahalalam-baovao tokana mifantoka amin'ny hetsi-panoherana ankehitriny.

Ny hetsi-panoherana ankehitriny dia manapongatra tsikelikely ny fihaikana amin'ny ampihimamban'ny antoko eo amin'ny fitondrana, Manda Demaokratika Revolisionera Entim-Bahoaka Ethiopiana (EPRDF) : hatezeram-bahoaka mihanaka sy ny fitomboan'ny fahavononan'ny vahoaka handray anjara amin'ny fitokonana rehefa antsoina izy ireo.

Saingy misy ny ahiahy amin'ny tsy fisian'ny hafatra fanoherana tokana voatambatra, eny fa na dia avy amin'ny mpanohana ny fotokevitra aza.

Nosoratana tamin'ny fiteny Oromo ny hafatra fanoherana , izay mifantoka indrindra amin'ny fanentanana ny olona monina ao amin'ny faritra. Hoy i Abebe Gellaw nanoratra tao amin'ny Facebook raha nandrisika ireo mpiray tanindrazana aminy mba hanitatra ny hetsi-panoherana any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena izy:

We cannot wage effective and sustained civil resistance at a regional level as the cost would be too high on the people without the desired outcome. The cost should rather be unbearable to the regime, not the people. It should be waged at a national scale in a manner that can overwhelm and stress out the controlling power of the regime.

Tsy mahantoka fanoherana sivily mahomby sy maharitra eo amin'ny sehatry ny faritra isika raha mizaka zavatra be loatra ny olona nefa tsy araka ny nantenaina ny vokatra. Ny fitondrana no tokony hizaka ny vokany fa tsy ny vahoaka. Tokony atao eo amin'ny sehatra nasionaly amin'ny fomba mahenika sady tsy voafehin'ny fitondrana izany.

Ankoatra izay raha nanomboka tamin'ny 22 Aogositra ny hetsi-panoherana dia natsangan'ny mpikatroka ny fifandraisana tamin'ny andiam-bondron'olona ao Oromia tsy marisika handray anjara noho ny tahotra hisian'ny herisetra, indrindra amin'ny foko vitsy an'isa Guraghe miharoharo tsara ao an-tanàndehibe sy salantsalany manerana an'i Oromia.

Na dia manizingizina aza ny mpikatroka fa tsy tia herisetra ny hafatr'izy ireo sady tsy mankahala vahoaka hafa izy ireo dia mety ho fitsapana ho an'ny Qeerroo izany hiatrehana ny fomba hanoherana tsy mila manao herisetra ny hatezerana manoloana ny fitondrana EPRDF.

Nanambara ny hetsika ho fahombiazana hatramin'izao ireo mpikatroka monina any am-pielezana ary nanentana ireo mpandray anjara hanohy izany. Mbola ho hita eo ny fiantraikany ara-politika eo amin'ity hetsi-panoherana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.