(Marihina fa tamin'ny 6 aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Reuters- Adihevitra momba ny famokaram-baovao: Iràka
Kitiho eto raha hiaraka aminay hifanakalo hevitra mivantana izay ahitana raha toa ka tena mitati-baovaon'i Irak tsy misy fitongilanana ny fampitam-baovao. Azonao atao ny mijery na mihaino mivantana ao amin'ny habaka ary miditra amin'ny fifanakalozan-kevitra antserasera mba hanehoanao ny fomba fijerinao.
Mpikambana maro ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices no mamahana bilaogy mivantana mikasika ny hetsika: ny Toniandahatsoratra avy any Afovoany Antsinanana/Afrika Avaratra Haitham Sabbah , ny mpiara-miasa avy ao Iraka Salam Adil, ny bilaogera Irakiana-Aostraliana izay mipetraka any Etazonia, Fayrouz Hancock , i Omar avy ao amin'ny famahanana bilaogy Iraq the Model ao Baghdad, ary ny bilaogera Irakiana Raed Jarrar (izay ho tonga hanatrika ny efitrano famoaham-baovao ao New York). Azo jerena ao amin'ny tranonkalan'ny hetsika ny ireo hafatra RSS sy ny hafa.
Jereo eto ny fanazavana bebe kokoa sy ny fomba handraisana anjara .