- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Fitsangatsanganana Iray, An-tsary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka, Mozika, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Manontania mpaka sary tsy anavahana.Tsy isalasalàna intsony fa i Maraoka no iray amin'ireo toerana faleha tena tsara jerena anaty sary indrindra eto an-tany. Ilay Aostraliana Moroccan Meanderings [1] no iray amin'ireo blaogera nifidy ny hanolo ny soratra ho sary tamin'ity herinandro ity, milaza amintsika fa:

Since I have had some positive responses about the photographs on this blog, I thought I would include a few others that give a snapshot of Morocco.

Koa satria nahazo fanehoankevitra tsara aho momba ireo sary ao amin'ity blaogy ity, heveriko ho ampiako sary vitsivitsy hafa manome topimaso an'i Maraoka izany:

dades_gorge1.jpeg [2]Ilay sary eo ambony dia sarin'ireo Gorges du Dadès [3], (Tendan'i Dadès) ao Atsimo-Atsinanan'ny firenena. Saingy tsy ireo Gorges irery akory no mampihetsi-po! Omen'i Wakha [4] antsika ny sary mahatalanjon'i Essaouira arahan'ny fehezanteny mifanaraka amin'izany:
essaouira.jpg [5]

“I am within and without, simultaneously enchanted and repelled by the inexhaustible variety of life.” -F. Scott Fitzgerald

“Avy ato anatiny sy avy any ivelany aho, sady faly no sosotra noho ny fiovaovana tsy manam-petran'ny fiainana.” -F. Scott Fitzgerald

Ny lanitr'i Maraoka no lohahevitra ankafizin'ireo mpakasary tahaka izay efa nasehonay. Mitatitra amintsika fiainana Maraokana amin'ny lafiny iray hafa ny The Morocco Repor [6]t, amin'ity indray mitoraka ity, any Avaratry ny tanànan'i Meknes.

moroccoreportsky.jpg [7]

Fa tsy ny lanitr'i Maraoka ihany no mampitsiriritra – ireo zavakanto sasantsasany ihany koa dia mety hanana vokany toy izany, indrindra fa ireo karipetra Maraokana fanta-daza erantany. Asehon'i Mariam avy ao amin'ny My Marrakesh [8] antsika ireo harena maroloko sasantsasany ao Maraoka:

maryam.JPG [9]

Mitondra antsika any amin'ny Festival de Fès des Musiques Sacrées du Monde [10], ny sary farany tamin'ity herinandron'ny 11 Jona 2007 ity. Nozarain'ilay blaogera Long Way Home [11] tamintsika ireo sary sasantsasany mikasika ilay fetibe, izay tena nahitana kolontsaina marobe tokoa tamin'ity taona ity. Ny an'ilay tarika nanao hira gregoriana no tiako indrindra:

fesfestival.JPG [12]

Jillian York [13]