- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ngonongonona Ao Afganistana: Fanabeazana, Mozika, Natiora Mahafinaritra Ary Fahalalahana

Sokajy: Afganistana, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2007)

Miresaka [1] [En] ny toe-javatra mampalahelo mikasika ny rafi-pampianarana ao Afganistana i Sun Leaf  eo amin'ny blaoginy. Manoratra ilay blaogera fa:

“Raha oharina amin'ireo firenena hafa ao Azia, tena mampisafoaka ny rafi-pampianarana afgàna. Ireo antontan'isa eto ambany dia mampiseho fa goavana be ny fanamby ary taolambe iray tsy mivaky. Iray tamin'ireo fepetra tena ratsy indrindra, ny fanafoanana tampoka ny famatsiambola sy ny fikarakaràna ireo tetikasam-pampianarana vonjimaika, ka nametraka ireo zaza an'arivony velom-panantenana ho ao anaty tontolon'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, fialàna an-daharana ary haizina”

Mitanisa ireo antontanisa marobe ilay blaogera mba hanohanany ireo fanambaràny. Zaza maherin'ny 5,4 tapitrisa no voasoratra  an-tsekoly, izay ny 35% dia zazavavy avokoa, raha toa iray tapitrisa mahery kely izany tamin'ny dimy taona lasa, izay tena tsy nahitàna zazavavy mihitsy. Na izany aza, tombanana ho ny antsasak'ireo zaza tokony handeha hianatra no tsy mandeha any an-tsekoly, misy ireo fahasamihafàna goavana mifandray amin'ny maha-lahy sy maha-vavy ary ireo faritany isankarazany.

Le Cat Stevens de l’Afghanistan    …..Ny Cat Stevens an'i Afganistana

Nandefa lahatsoratra iray [2] koa i Sun Leaf mikasika ilay afgana mpihira malaza, izay araka ny lazain'ilay blaogera, dia io no Cat Stevens [3] an'i Afganistana (Yusuf Islam). Manoratra ilay blaogera fa: “Na hainao na tsia ireo tononkira, ny hira [4] (lahatsary) ihany dia tsy maintsy hitondra anao ho any amin'ireo firenena lavitra”.

Natiora mahafinaritra, làlana mampidi-doza

Mitantara [5] ny diany tany afovoan'ny natiora mahafinaritra tao Bamyan i Onne Parl [En], nefa mampatsiahy amintsika ihany koa ireo loza. Rehefa miresaka fitsangatsanganana amin'ireo mponina afgana, ny fanontaniana voalohany apetrak'izy ireo dia ny hoe: “Efa tany Band-e-Amir ve ianareo?”.  Ireo farihy malaza ao afovoan'ireo tendrombohitra Koha-e-Baba dia iray amin'ireo toerana fizahantany tsy fahita firy ao Afganistana. Afgana an'arivony no mitondra ny fianakavian'izy ireo amin'ny fiara ary mandeha lavitra mankany amin'ireo farihy, lalana efa ho iray andro sy tapany avy ao Kaboul. Ny toerana koa fanampin'izany rakotra ireo vanja milevina. Telo taona lasa izao, fiara fitaterana iray no nisavoana raha nandalo teny akaikin'ilay làlana lehibe mankany. Telo ambiny folo no olona maty teo noho eo.

Ho fahatsiarovana ny fahalalahana maneho hevitra

Free Keyboard [Farsi], blaogera iraniana iray, mitantara [6] ny diany tany Afganistana. Mampitaha ny fahalalahana maneho hevitra ao Iràna sy ao Afganistana izy. Mifanohitra amin'ireo lalàna silamo (ao Iràna ), tsy dia mametraka fepetra loatra i Afganistàna Islamika amin'ireo gazety, gazetiboky, ho an'ny aterineto sy ny boky. Azonao alefa avokoa izay tianao rehetra. Malalaka ianao amin'ny fanokafana tranonkala ary azonao apetraka ao avokoa izay tianao rehetra. Toy ny any amin'ny firenena iray mandroso. Nampiany anefa avy eo fa mampihorohoro ny fiainanao ireo mahery fihetsika mpanao an-tendrony.

Ampian'ilay blaogera koa fa nandritra ny fialantsasatra nataony tany Afganistana, iray tamin'ireo namany no nanomboka ny tranonkala Kabul Press [7][Farsi/En/Pt] izay misy mpitsidika efa ho 4000 ankehitriny. Marihiny fa malalaka ny Aterineto, saingy vitsy no tafiditra aminy.

Hamid Tehrani [8]