Ganji, Revolisiona & Sariitatra

(Marihina fa tamin'ny 15 Febroary 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanoratra momba an'i Akbar Ganji , ilay mpanao gazety voafonja i Nima Milanian ao amin'ny Iranian Truth, vondrona bilaogy iray, ary mampahatsiahy antsika ny fanokana-monina an'i Ganji ireo bilaogera sy nilaza hoe :

Five months in solitary confinement. There is a greater threat to the world then Iran's nuclear technology. Its treatment of political prisoners. Call on foreign governments to create policies that are contingent on respect for human rights .”

“Dimy volana natoka-monina. Ny teknolojia nokleary ao Iran no fandrahonana lehibe kokoa ho an'izao tontolo izao . Ny fampijaliana ireo gadra politika ao. Miantso ireo governemanta vahiny mba hanangana politika miankina amin'ny fanajana ny zon'olombelona.”

Nanoratra momba ny tsingerintaonan'ny Revolisiona Islamika i  Abtahi, filoha lefitra sady bilaogera teo aloha. Niezaka namaritra ny tena dikan'ny fahaleovantena ao ambadiky ny teny filamatra ilay bilaogera ary nanakiana ankolaka ny governemanta amin'izao fotoana izao .

What the present generation who are mostly born after revolution need is to understand the present condition and to program as per their wish and need. This need will not be answered by slogans. In this highly connected world, Iran’s society more than ever needs a rational management which should avoid tiring confrontations and should define the real share of Iran’s power from the world power and to get its right. The real meaning of independence in today’s world is the high power of give and take. Those who define independence as isolation and conflict with the world are endangering the principle of the independence of the country more than others and therefore they are making the nation dependent to foreign powers.”

” Ny fahafantarana ny toe-javatra misy ankehitriny sy ny handahatra izany araka izay iriany sy ilainy no ilain'ny taranaka ankehitriny teraka taorian'ny revolisiona ny ankamaroany ho takariny. Tsy voavalin'ny teny filamatra io faniriana io. Ato anatin'ity tontolo feno fifandraisana ity, mila fitantanana lojika ny fiarahamonina ao Iran hisorohana ny fifandonana mahaketraka ary tokony hamaritra ny tena fitsinjaran'ny fahefana Iraniana avy amin'ny fahefan'izao tontolo izao hahazoany ny zony. Ny fahefana manome sy mandray no tena midika fahaleovantena amin'izao tontolo izao ankehitriny. Ireo izay mamaritra ny fahaleovantena ho fitokana-monina sy ho fifandonana amin'izao tontolo izao dia mampidi-doza ny fotokevitry ny fahaleovantenan'ny firenena mihoatra noho ny hafa ary noho izany dia ataon'izy ireo miankin-doha amin'ny fahefana vahiny ny firenena. “

Mizara amintsika ny fomba fijery vaovao momba ny sariitatra sy ny fihetsiky ny vahoaka Iraniana i View from Iran, bilaogera monina any Iran:

We were talking about the cartoon furor which, despite what you might think, is not such a furor in Iran. Not that Iranians are not observant Muslims, just that they are sick to death of the manipulation of Islam for political ends.”

” Miresaka momba ny firaondraon'ny sariitatra izahay, na dia mety tsy ho eritreretinareo aza, dia tsy fitabatabana loatra ao Iran. Tsy hoe tsy Miozolomana tsy manoa ny fivavahany akory ny Iraniana, fa leon'ny fanodikodinana ny Islamo misy ambadika politika ry zareo. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.