Afaho Ilay Antikristy Masina!

(Marihina fa tamin'ny 7 Juillet 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
null
Sary avy amin'i  Iván Alvarado.

Matetika manao akanjo toy ny vehivavy i José Pizarro, poety mahaleontena, tsy manan-kialofana, ary miantso ny tenany ho ilay “antikristy masina.” Niaina tao anatin'ny faritra ho an'ny manam-pahaizana izy nanomboka tamin'ny taona 1985, tao afovoan'ny renivohitra.  Lasa malaza be izy rehefa nandeha ny fotoana. Toy ny mahazatra ny zava-drehetra teo amin'ny manodidina mandrapisian'ny olona nanontany hoe fa la​​sa aiza izy?

Nentin'ny manampahefana tany amin'ny tobim-pitsaboana ara-tsaina izy mba hanomezana azy fitsaboana. Nanomboka nanao fanentanana tamin'ny aterineto sy ny fampahalalam-baovao ireo mpifanolo-bodirindrina rehetra mba hamerenana ny fahafahany sy hamelana azy hijanona ho tsy manan-kialofana eny an-dalambe. “Afaho ilay antikristy” (ES)  no anaran'ny bilaogy ary nampiasaina izany mba hampahafantarana, hanaovana antso hanaovana fivoriana sy hikarakarana hetsi-panoherana manoloana ny tobim-pitsaboana ara-tsaina. Misy fanehoan-kevitra maneho fanohanana maherin'ny 90  ao amin'ny lahatsoratra voalohany mitondra ny lohateny hoe “nahoana no nentiin'izy ireo izy? (ES) . Hoy i Cony raha naneho hevitra

“ Definitely, he is not crazy, a friend bought his book, he is the most wise person, more than others that say they are because they have a PHD in sociologist or philosophy…but what this guy expresses in his book, no one else can explain. Freedom!!!.”

“Mazava ho azy fa tsy adala izy, nisy namana iray nividy ny bokiny, anisan'ny lehilahy tena hendry indrindra izy raha mihoatra ny hafa izay milaza azy ho hendry satria hoe manana PHD momba ny sosiolojia na ny filozofia … kanefa inona no lazain'ity lehilahy ity io ao amin'ny bokiny, tsy azon'iza na iza hazavaina. Fahafahana!!!. “

Namoaka pejy misy ny tononkalony (ES), sary tao amin'ny kaonty flickr sy ny fotoblog (ES) ihany koa izy ireo.

Nahazo fahafahana ilay antikristy masina roa andro lasa izay. Ankehitriny, mandrindra fomba iray hanampiana azy ireo mpifanolo-bodirindrina ary nanoratra izy ireo hoe:

“we have contacted a psychiatrist to advise and give us more details about the technical situation. Be aware, when we get more information we will post it” (ES).

“Niresaka tamin'ny mpitsabo aretin-tsaina izahay mba hanoro hevitra sy hanome anay ny antsipiriany bebe kokoa momba ny toe-draharaha ara-teknika. Mahareta, rehefa mahazo fanazavana misimisy kokoa izahay dia handefa izany “.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.