- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpiasan'ny Governemanta Iray ao Brunei Mitaraina Amin'ny Fanomezana Sertifikà Halal Voampanga ho Mampisara-Bazana

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava
[1]

Tsena Tamu Kianggeh ao Brunei. Sary Flickr avy amin'i ¡kuba! (CC BY-NC 2.0)

Nisy mpiasan'ny governemanta iray ao Brunei  voampanga [2] ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny fampisaraham-bazana [3] tao amin'ny tsanganana Facebook iray nitsikera ny politikan'ny fanomezana alalana Halal [4] an-taratasy avy amin'ny Minisiteran'ny raharaham-pivavahana.

Ny alalana Halal dia midika fa iantohan'ny manampahefnaa ara-pivavahana ho mifanaraka amin'ny fenitra islamika ny vokatra avy amin'n sakafo iray.

Tamin'ny 16 Jolay  2017 i Shahiransheriffuddin bin Shahrani Muhammad no nanoratra tao amin'ny kaontiny Facebook nomeny anarana hoe Shahiran S. Leong amin'ny loniloniny nandre ny tati-baovao manazava  [5]ny fomba fanomezana alalana Halal vaovao navoakan'ny minisitera.

Nitaraina amin'ny hanakaramana mpanaramaso sakafo Halal sy ny fiantraikan'izany amin'ny fihariana madinika i Shahiran:

This may also hit people in other industries like cosmetics. My cousin thinking about making soaps as a hobby will be impacted.

Get a halal cert or get fined. Halal certs will cost you fucking loads like hiring up to 5/6 new people. Small home based businesses ARE NOT EXEMPTED.

Mety hahatratra olona any amin'ny vondron'orinasa hafa tahaka ny fikarakarana tarehy ihany koa izany. Ho tratra ihany koa ny rahalahiko mieritreritra ny fanaovana savony ho fialamboly.
Na mahazo taratasy halal na voaonitra. Handany ny volanao amin'ny fanakaramana olona dimy na enina vaovao ny taratasy halal. TSY AFA-MIALA amin'izany ny fihariana madinika an-tokantrano.

Ahitana voambolana manivaiva ny manampahefanan'ny minisitera ankilan'ny fangatahana ny Broneiana hisinta-kevitra amin'izany ny tsanganana.

Tsy tazana intsony ilay tsanganana Facebook saingy nisy mpisera Twitter afa-namoaka ny dikasariny.

Brunei, raha tokony hihaino ny vahoakany manandra-peo, dia mampandoa onitra azy. Amin'ny vaovao hafa, lena ny rano.

Brunei dia fanjakana entim-panjaka mahefa [8] maro an'isa ny miozolomana. Tamin'ny taona 2014, naitatry ny governemanta ny fampiharana ny lalàna Sharia [9], izay mahatonga ahiahy amin'ny fetezan'ny fanasaziana sasany, toy ny fitoraham-bato mandramaty izay azo mijangajanga. Brunei no firenena Aziatika voalohany mampihatra [10] ny lalàna Sharia eo amin'ny sehatra manerana ny firenena.

Araka ny tranonkalam-baovaon'i [Brunei], dia voampanga amin'ny andalana hita ao amin'ny Fizarana  4 (1) (c) amin'ny Lalànan'ny Fampisaraham-Bazana [3], izay mametraka fa namoaka lahatsoratra mampisara-bazana tao amin'ny pejiny Facebook i Shahiran. Raha meloka amin'izany izy dia hiatrika fandoavana onitra mahatratra BN $5,000 (US $3,600) sy famonjana roa taona. Noafahana vonjimaika taorian'ny fandoavana onitra amin'izany izy ary nodidiana tsy mahazo mamoaka lahatsoratra, fanehoan-kevitra mamely ny governemanta ao amin'ny media sosialy. Ny fotoam-pitsarana an'i Shahiran dia hotontosaina amin'ny 31 aogositra 2017.

Niteraka fanehoan-kevitra miresaka tsy fisian'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena eo amin'ny mpisera Twitter maro ny raharaha Shahiran:

Izany eo ihany fa fampahatsiahivana fa tsy manana fahalalaham-pitenenana isika ity boay voampanga ho mitabataba amin'ny governemanta ity.

Ny sasany nanasongadina ny hamafin'ny fanasaziana mahazo an'i Shahiran noho ny famoahany fotsiny ny fijeriny; ny hafa manaiky fa rariny ny ahiahiny, saingy notsikerainy kosa ny tsy fahaizany manaja olona:

Mahatsapa izany ihany koa aho. Ahoana no nahatonga an'i Brunei ho firenena mihamanao tsindry hazolena hatrany.

Angamba raha nampiasa voambolana MENDRIKA&HENDRY miaraka amin'ny FANAJANA izy dia nety mba ho nandray ny tamberina ihany ny governemanta.

Tsy haiko hoe ahoana no hoderaina ny fanivaivana ny governemanta na dia miteny ho solotenan'ny maro aza. Tsy manaja ny fomba fitenenany

Voafehy tanteraka ny famoaham-baovao ao Brunei ary tsy iadian-kevitra an-tserasera loatra ny resaka fahafahana sivily, izany no mahatonga ny resaka mandeha amin'izao fotoana amin'ity raharaha Shahiran ity ahafaha-manopi-maso izay eritreretin'ny mpiserasera amin'ny toe-draharaha ao amin'ny firenena amin'izao fotoana.