- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanomezana Fetin'ny Fahaleovantena Alohan'ny Fotoana ny Medaily Volamena Azon'i Trinite & Tobago

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Trinite sy Tobago, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
[1]

Dikasary avy amin'ny lahatsarin'i NAAA TT ahitana ireo ekipam-pihazakazaka 400 metatra in'efatra mifampitohy lehilahy ao Trinite sy Tobago handray tsy ho ela ny medaily volamena ao amin'ny fiadiana ny tompondaka erantany IAAF 2017 ao Londra, Angletera, tamin'ny 13 aogositra 2017.

Vaky fo ny mpiseraseran'i Karaiba raha nahita fa nosoniavin'i Usain Bolt, izay heverin'ny maro ho Greatest of All Time (GOAT) [2] na ny Lehibe indrindra nandritra ny fotoana rehetra [Goat=Osy] tamin'ny fahazoana medaily halimo nandritra ny hazakazaka 100 metatra ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany IAAF [3] taona 2017 tamin'ny 13 aogositra lasa teo tao Londra, Angletera.

Nitohy ny fahasahiranana raha tsy nahazo toerana tamin'ny hazakazaka famaranana 400 metatra in'efatra mifampitohy (4 x 100-metatra [4]) ny ekipa jamaikana, raha nijanona nandritra ny hazakazaka farany i satria folaka ny tongony. Saingy niarina avy any amin'ny tsy hita indray ny firaisankina teo amin'ny faritra raha nandrombaka ny volamena [5] nandritra ny 400 metatra in'efatra mifampitohy i Trinite sy Tobago.

Tsy tena nivoaka tamin'ny tsy hita maso loatra anefa ny fandresena na dia tahaka ny ahoana aza ny fahagagana teo amin'ny mpitantara. Nahazo ny medaily volafotsy ny ekipa roa taona lasa izay nandritra ny fiadiana ho tompondaka erantany ary nahazo ny toerana voalohany kosa ny ekipa tamin'ity indra mitoraka ity. Nanamarika [6] ny dingana vitan'ny ekipa ho an'ny firenena ny mpisera Facebook sy tia fanatanjahantena Peter Samuel:

CONGRATS to all of Team TTO's male quartet of [Jarrin] Solomon [7], [Jereem] Richards [8], [Machel] Cedenio [9] and [Lalonde] Gordon [10] who has just created HISTORY by winning the men's 4X400m at the World Championships being held in London in a New National Record and World Leading time of 2:58.12. Way to go GENTLEMEN.

ARAHABAINA ny ekipan'i TTO rehetra ahitana an'izy efa-dahy  [Jarrin] Solomon [7], [Jereem] Richards [8], [Machel] Cedenio [9] ary [Lalonde] Gordon [10] izay nametraka TANTARA noho ny nahazoana fandresena tamin'ny 4X400m nandritra ny Fiadiana ny ho tompondaka erantany notontosaina tao Londra nahazoana zavabita tsara indrindra tao amin'ny firenena sy ny fotoana tsara indrindra manerantany tamin'ny fotoana 2:58.12. Lalana handehanana ry GENTLEMEN.

Io fandresena io no manamarika ny medaily volamena voalohany indrindra ho an'i Trinite sy Tobago amin'ny sokajy 4 x 400 — nanokana ny fandreseny ho an'ny firenena ny ekipa, indrindra fa efa ho avy izao ny tsingerintaona faha-55 nahaleovan'ny repoblikan'ireto nosy kambana ireto tena avy amin'ny Fanjakana Mitambatra Britanika, izay homarihana amin'ny 31 aogositra 2017 ho avy izao:

Feno hafaliana tamin'ny zavabitan-dry zareo ny mpisera Facebook Rose-Marie Ingrid Lemessy-Forde. Namoaka ny sarin'ny fafana lehibe milaza ny fotoana tsara indrindra manerantany vitan'ny ekipan'i Trinite sy Tobago izy:

[11]

Fanavaozam-baovao nataon'ny mpisera Facebook Rose-Marie Lemessy-Forde izay nilazany hoe, “Eny! zavabita tsara indrindra manerantany ihany koa! Nihazakazaka tahaka ny biby ny tsirairay hahazoana io medaily io!!!” Nahazoana alalana.

Fanavaozam-baovao hafa taorian'izay dia feno hafaliana ny fony rehefa nahatsikaritra ny firaisankina avy amin'ny atletan'ny faritra izy — firaisana izay nitohy an-tserasera [12]:

[13]

Fanavaozam-baovaon'ny mpisera Facebook Rose-Marie Ingrid Lemessy-Forde mivaky hoe , “Oh Andriamanitro ô. Mijery ny Jamaikana mankalaza ny medaily volamena azon'ny ekipantsika! Tsy voavidim-bola.” Nahazoana alalana.

Mihanaka ny hafaliana. Nahatsikaritra izany i Tillah Willah raha nanao fanazarantena takariva tao amin'ny havoanan'i Lady Chancellor [14]:

Tahaka ny mihazakazaka te-hahazo medaily avokoa ny rehetra eto Chancelor androany hariva

Tao amin'ny televiziona CNC3, pejy Facebook-n'i Trinite sy Tobago, faly tamin'ny fahitana vaovao hafa tsy tantaran-keloka bevava mameno ny randram-baovaony i Majestic Sandy [19]:

Congratulations! You've made us proud. Thanks for shining some light in the darkness that has been plaguing our country. ??

Arahabaina e! Nahatonga anay ho afa-mirehareha ianareo. Ankasitrahana tamin'ny fanomezana hazavana tao anatin'ny aizina mandrakotra ny firenentsika.

Ireo hafa mpiseraseran'ny media sosialy kosa nidera [20] ny fikirizan'ny ekipa ary nanantena fa ho mendrika [21] tamin'ny ezaka nataony ny atleta — mihoatra lavitra noho ny filazana ny hoe hankalazana fetim-pirenena [22].

Efa fantatry ny rehetra fa tsy mahazo fanampiana avy amin'ny governemanta tao anatin'ny telo taona ny atleta mpikambana ao amin'ny ekipa nasionaly. Raha mahazo fanohanana avy amin'ny vondron'orinasa ny National Association of Athletics Administrations of Trinidad and Tobago [23] (NAAATT) [Fitantanana ny atletisma nasionalin'i Trinite sy Tobago], ny ankamaroan'ireo vatsy ireo dia napetraka hamelomana ny fikambanana, matetika ireo atleta efa mahatratra ny dingana manerantany no mianto-tena na mikaro-bola hifaninanany.

Amin'ny tsanganana azon'ny besinimaro jerena ao amin'ny Facebook i Peter Samuel no nampivoitra tamin'ny famohana sarin'ilay teraka Tobago Renny Quow [24], izay angamba ny mpihazakazaka avy ao amin'ny firenena nahavita ny tsara indrindra [25] tamin'ny 400-metatra nandray ny medaily volamenany. Niezaka fatratra i Quow ary tsy azo ialana amin'ny fandrafetana ny ekipa:

To one and all, please let's don't forget Renny Quow, and the part that he played in helping Team TTO getting into the finals of the men's 4X4… Congratulations to all 5 gentlemen on a job well done…… Photo:- Team Manager Dexter Voisin presenting Renny Quow with his gold medal.

Ho an'ny tsirairay sy ny rehetra, azafady mba aza adinoina i Rennyy Quow sy ny anjara toerany tamin'ny fanaovana ny ekipan'i TTO lehilahy ho tafakatra famaranana tamin'ny 4×4… Arahabaina izy dimy mirahalahy tamin'ny asa tsara nataon-dry zareo…Saripikany: Mpitantana ny ekipan'i Trinite sy Tobago, Atoa Dexter Voisin nampiseho an'i Renny Quow sy ny medaily volamenany.

 

[26]

Mpitantana ny ekipan'i Trinite sy Tobago, Atoa Dexter Voisin nampiseho an'i Renny Quow sy ny medaily volamenany. Sary nozaraina ho hitan'ny daholobe ao amin'ny Facebook navoakan'i Peter Samuel.

Tsy avy hiaina ny mpisera Twitter sasany tamin'ny fangitangitahana nandritra ny hazakazaka…

Tsara fa nahazo ny medaily alimo i GBR ary oay mampivandravandra ny volamena azon'i Trinite 4×400

Raha faly tamin'ny tsy fahitana ireo fahita matetika tafakatra amin'ny podium ny hafa:

Horakoraka atao amin'i Trinite sy Tobago nandresy an'i Etazonia tamin'ny 4x400m

Farany, mpisera Twitter Nadine West namehy ny fihetseham-pon'ny tao amin'ny faritra:

Trinite sy Tobago, [nametraka] tantara malaza ianareo