Fanontaniana Momba Ny Toekarena Armeniana

(Fanamarihana:Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

Nahitàna fitomboana nahatalanjona ny toekarena Armeniàna araka ny The Armenian Economist [En] (mazava ho azy).

“[…]  Nandritra ny dimy taona lasa, isanjato nahitàna tarehimarika roa milahatra hatrany no nitomboan'ny toekarena Armeniàna. Ny ampahany betsaka amin'ilay fitomboana toekarena vao haingana no avy amin'ny sehatra fanorenan-trano (jereo ity lahatsoratra vao haingana ity). Ny fivoaran'ny asa fanorenan-trano sy ny singa nandrafitra azy nandritra ny folo taona farany dia afaka ieritreretana hoe hitohy io fitomboana io ary hahazo tombony amin'izany ny toekarena. […]”

Misy ihany anefa ireo fanontaniana miantona, hoy io blaogera io manoratra, ary toa tsy misy olona maniry hitondra valiny mihintsy. Sahala amin'ity ohatra, “Mba misy fanadihadiana azo raisina ve natao mikasika ny vokatr'io fitomboana io teo amin'ny tsenan'ny asa?” “Nisy ve olona nanadihady ireo mety ho fiantraikany amin'ny fitomboana hoavy?” ((The Armenian Economist)).

Mitondra valiny vitsivitsy mikasika ny toekarena armeniàna i iArarat[En]. “Ireo mpifindramonina no solik'i Armenia”, hoy ny famintinan'io blaogera io tamin'ny alalan'ny fandefasana ireo ampahany tamin’ity lahatsoratra ity [En] tamin'ny masoivohom-baovao France Presse.

«Anisany iray amin'ireo zahatra fanavotana aina ho an'i Aremia ny diaspora armeniàna, vinaniana ho olona 9 tapitrisa miparitaka any Etazonia, Rosia, Eoropa, Azia ary Afovoany Atsinanana.

Niakatra ho 1,2 lavitrisa dolara ireo fanampiana sy famindrana vola nataon'izy ireo nankao Armenia tamin'ny taona 2006 (900 000 tapitrisa euros), izay manome ny ampahany betsaka amin'ny harinkarena faobe ho an'ny firenena (5 lavitrisa euros)”, hoy ny mpahay toekarena Tigran Jrbashyansaid. “Ireo mpifindramonina no solik'i Armenia.” […]

Nisarika ny saina i Kornelij Glas [Ros] mikasika ny fifaninanana “tsy misy antony sy mahery vaika” ifanaovan'ireo mpandraharahan'ny telefaona finday tao Armenia ((VivaCell sy Armentel), izay ny vokany dia ny fitontonganan'ny vidin'ireo famandrihana ho an'ireo matianina tao amin'ny Armentel, izay lasa ampahavalony. “Hatraiza no mety ho fitontonganantsika?” hoy ny fanontanian'i Kornelij, mihevitra ratsy, na sarotra aza ny manakatra, araka ny lahatsorany, ny antony maha-mampididoza be ny fanànana tolotra telefaona finday mora vidy.

Raha mampididoza ny fifaninanana, mbola tena ratsy lavitra ireo fanaovana ampihi-mamba, indrindra indrindra ireo ampihi-mamba amin'ny loharanon-karena voajanahary toy ny rano. Tsy manana rano i Raffi K. avy amin'ny Life in Armenia (Fiainana ao Armenia) [En]

“[…] Tsiahy henjana mikasika io fiainana ratsy ao Armenia io. Tsy manana rano intsony aho androany. Tsy misy halako toy ny hoe zavatra faran'izay tsotra, izay mety tsy ho saininareo akory na dia iray segondra aza ao Etazonia, kanefa faran'izay tena ilaina no lasa olana iray mandritra ny fotoana ela……. Ary tsy voavaha io tao anatin'ny ora maromaro, raha araka izay fantatro”.

Nahoana no tsy sokafana ho amin'ny fifaninanana io sehatra io? Tena izay e! Haiko, tezitra aho.

Artur Papyan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.