Meksika: Mamaly Ilay Fisantarana ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra” Ny Mpampiasa Aterineto

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2011)

Tamin'ny 9 Novambra 2011, nambaran'ny Filoha Meksikàna Felipe Calderón ny fametrahana ilay fisantarana ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra : ) (ny herinandro mora indrindra ao anatin'ny taona)” (El Buen Fin) [es], izay hiseho eo anelanelan'ny 18-21 Novambra 2011, ary antenaina ho azo averina isantaona.

Araka ny vaovao ofisialy [es], mifototra amin'ny fampiharana fampihenam-bidy any amin'ny toeram-pivarotana isan-karazany ity ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra” ity ary koa amin'ny fandrosoana mialoha ny tombonkaraman'ireo mpiasam-panjakana. Araka io loharano ofisialy io, avy amin'ny sehatra tsy miankina ny hevitra ary hampiroborobo ny fiadanan'ny fianakaviana, ary koa hanamafy ny sehatra ara-toekarena rehetra, amin'ny famoronana asa bebe kokoa sy fitomboana ara-toekarena ho an'ny firenena.

Niteraka fanehoankevitra maro samihafa teny anivon'ireo blaogera sy mpampiasa tambajotra sosialy ao Meksika ny fanambaran'i Felipe Calderón. Milaza i Diego avy amin'ny blaogy Blog de Blogs [es] fa misy fitoviana kely sasantsasany amin'ilay Zoma Maizina (nampidirina tao Etazonia iray andro aorian'ny Thanksgiving). Manahy ihany koa izy ny amin'ny mety hametrahan'ireo mpandraharaha fihenam-bidy mahomby ary mametra-panonantiana mikasika ny fotoana isehoan'ilay hetsika fisantarana:

Hoy el Presidente Felipe Calderón, presento la iniciativa “El Buen Fin” que viene a ser una copia mexicana de el Black Friday (Viernes Negro) que es el dia que las tiendas en Estados Unidos, ponen grandes ofertas al dia siguiente de el “Dia de Acción de Gracias“.

Supuestamente dice que se pusieron de acuerdo con organizaciones de comercio y servicio que ofrecerán, del 18 al 21 de noviembre, los precios y las tarifas más bajas al año.

A ver si los comercios mexicanos, si le siguen el rollo al presidente, por que al modo un dia antes van a subir los precios, para que con el gran descuento que den durante ese fin de semana, nos sigan costando igual.

La idea es beneficiar al comercio y a los consumidores.

Creo que esto es un signo de miopia política con matices electoreros, haciendo las cosas buenas al final, cuando bien las pudo hacer al principio de su mandato. (sic)

Nanolotra ilay hetsika fisantarana ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra” ny Filoha Felipe Calderón androany izay dika Meksikàna an'ilay Zoma Maizina, ilay andro anomezan'ny toeram-pivarotana any Etazonia fihenam-bidy lehibe ny andro aorian'ny Thanksgiving.

Toa hoe milaza izy fa miombon-kevitra amin'ireo fikambanana ara-barotra sy fikambanana sampandraharaha ry zareo ka hanome, manomboka ny 18 ka hatramin'ny 21 Novambra, ny vidy sy ny taha ambany indrindra ao anatin'ny taona.

Ho hitantsika eo raha toa ka manaraka ny hetsika ataon'ny Filoha ireo toeram-pivarotana Meksikàna, satria mety hampiaka-bidy izy ireo ny andro mialoha noho izany miaraka amin'ireo fampihenana goavambe ataony mandritra ny faran'ny herinandro dia mitovy ihany ny vola alohantsika.

Natao hahasoa ny mpivarotra sy ny mpanjifa ilay hevitra.

Mihevitra aho fa marikana tsy fahaizana mijery lavitra ara-politika misy aloka fifidianana io, manao zavatra tsara amin'ny farany, raha toa ka afaka nanao azy ireny  tamin'ny fiandohan'ny fe-potoam-pitondràny izy.

Querétaro, Meksika. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr broc7 nampiasàna lisansa Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0)

Mandritra izany fotoana izany,  Eduardo S. H. ao amin'ny  El Gerundio del Ocio [es], miaraka amin'ny feo feno fanantenana kokoa, dia maminavina ny vokatra mety hisy amin'ny fametrahana ity hetsika fisantarana ity:

La iniciativa es sin duda interesante, tanto para los consumidores como para los empresarios y el gobierno mismo. Es decir que esto podría darle empuje a la economía interna, ayudar a las empresas y reducir (o por lo menos estabilizar) la tasa de desempleo en México. Incluso cuando no estoy muy de acuerdo en que se promocione el consumismo, creo que una iniciativa como El Buen Fin, en caso de funcionar correctamente, podría traer algunos ligeros beneficios al país. Después de todo, consumistas ya somos, lo único que nos falta para llegar a los niveles ridículos a los que han llegado en Estados Unidos es más poder adquisitivo.

 Mahaliana tokoa ilay hetsika fisantarana, na ho an'ny mpanjifa sy mpiasa na ho an'ny fanjakana. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia mety hanome tosika ny toekarena isan-tokantrano ary hanampy ireo mpandraharaha hampihena (na mba farahafaratsiny tsy mampihetsika) ny tahàn'ny tsy fananana asa aty Meksika. Na tsy miombon-kevitra amin'ny fampiroboroboana fanjifàna aza aho, heveriko fa ny hetsika toy ny Faran'ny Herinandro Mahafinaritra, raha toa ka natao tsara tamin'ny tokony ho izy, dia mety hitondra tombony kely sasantsany ho an'ny firenena. Raha ny marina dia efa mpanjifà avokoa isika, ny hany ilaintsika mba hahatratrarana ny haavon'ny adalan'ny Etazonia dia ny fahefà-mividy bebe kokoa.

Nohararaorin’ i Bombusterrestris1 avy amin'ny La Trapaleta [es] ilay fotoana mba hanomezana soso-kevitra sasantsany ho an'ireo mpamaky hanaovany fiantsenàna tsaratsara kokoa.

Compara precios, no te dejes llevar por las emociones, establece prioridades como el pago de tarjetas, ahorra y, por ningún motivo, compres más de lo que puedes pagar, porque ello hipoteca el salario del próximo año.

Ampitahao ny vidy, aza mety entanin'ny fihetsehampo, mametraha laharam-pahamehana toy ny fandoavana ny karabola, manangona vola, ary tsy ilaina mividy zavatra mihoatra noho izay azonao vidiana na inona na inona toe-javatra iainana, satria mampikorontana ny karama amin'ny taona manaraka izany

Ao amin'ny Twitter, mametraka fanontaniana mikasika ny maha-zava-dehibe ilay hetsika fisantarana manohintohina ny kolotsaina izay mamporisika fanangonam-bola i Celiaalviso (@Celiaalviso)

¿Y si Gobierno Federal mejor fortaleciera la cultura del ahorro en lugar de orquestar “grandes ofertas en tiendas del país”? #BuenFin

Fa maninona ny Fanjakana Federaly, raha tokony hanamafy ny kolotsaina fanangonana, no mikarakara ”fampihenam-bidy lehibe any amin'ireo toerampîvarotana eto amin'ny firenena”? #BuenFin [#Faran'nyHerinandroMahafinaritra]

Nanenina ny tsy naha-mpiasam-panjakana azy sy ny tsy hahazoany tombony amin'ilay ”fandrosoana mialoha” ny tombonkarama mba hanararaotana ireo fihenambidy ireo mpampiasa hafa toa an'i Gerson Obrajero (@tlalocman):

Yo si planeo comprarme algo en el #BuenFin. Lástima que no sea burócrata para tener algo de aguinaldo en noviembre!

Mikasa ny hividy zavatra aho amin'ny #BuenFin. Indrisy anefa fa tsy mpiasam-panjakana mba hahazoako ny tombon-karamako amin'ny Novambra!

Naneho hevitra mikasika ny tena mety ho ”faran'ny herinandro mahafinaritra” aminy i Kid Buda (@kidbuda) :

no se…llámenme Hippie o comunista…pero un #BuenFin chido, de a de veras, sería un fin de semana lleno de buena voluntad, generosidad…

Tsy haiko… antsoy hoe hippie na kaominista aho, fa ny #BuenFin milay, raha ny tena izy, dia faran'ny herinandro feno fahatsaran-tsitrapo, fahalalahan-tanana…

Etsy ankilany, raha sady tsy manala ny maso amin'ny toetry ny tsy fahandriampahalemana ao Meksika amin'izao fotoana izao , dia nilaza ity manaraka ity i Hugo Cedeño Tenorio (@sonidototal) mikasika ilay hetsika nambarain'ny Filoha:

Solo espero que ese tan llamado #buenfin no se convierta en el fin de semana mas violento de todo el sexenio.

Manantena fotsiny aho mba tsy ho lasa ny herinandro feno herisetra  indrindra an'ny fitondram-panjakana ilay antsoina loatra hoe #buenfin.

Toy ny hita eto, maro ary mahaliana ny fanehoankevitr'ireo Meksikana mikasika ity hetsika fisantarana ity, na mila miandry ireo andro farany amin'ny volana aza isika vao hahita raha toa ka tontosa  tsara ny tanjona amin'ny ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra”.

Farany, tokony marihana fa tsy hitranga amin'ny fotoanan'ny Zoma Maizina ny ”Faran'ny Herinandro Mahafinaritra”, farafaharatsiny tsy amin'ity taona ity, satria ny Thanksgiving 2011 dia hankalazaina any Etazonia amin'ny Alakamisy fahefatra amin'ny volana Novambra, herinandro iray aorian'ny fiandohan'ny ” Faran'ny Herinandro Mahafinaritra” aty Meksika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.