- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

Sokajy: Katara, Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Voina, Vonjy Voina

(Marihina fa tamin'ny 26 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany [1]i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina [2] tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny.

Namoaka lahatsoratra [3] momba ity tondradrano ity ny bilaogy amin'ny teny Anglisy The View From Fez:

Au nord du Maroc, treize personnes ont trouvé la mort dans l'effondrement de leur maison, durant une inondation brutale causée par les pluies torrentielles.

Le Ministère de l'Intérieur marocain communique que onze personnes ont été emportées par les eaux à Driouch, dans la province de Nador, et deux autres à Tanger.

Environ vingt maisons se sont effondrées durant l'inondation et beaucoup sont toujours sous les eaux.

Any avaratr'i Maraoka, olona miisa 13 no maty tototry ny tranony nandritra ny tondradrano mahery vaika vokatry ny oram-baratra.

Nanambara ny Minisitry ny Atitany ao Maraoka fa olona miisa iraika ambinifolo no nentin'ny rano tao Driouch, ao amin'ny faritanin'i Nador, ary roa hafa tao Tanger.

Trano miisa 20 teo ho eo no nirodana nandritra ny tondradrano ary mbola misy olona maro hafa no tavela ao anaty rano.

Nandefa lahatsary miisa enina antserasera [4] ny bilaogy A Moro in America izay nalain'ireo mpianatra tao amin'ny lisea ao Tanger:

La zone industrielle et d'autres quartiers de la ville du nord ont été littéralement submergés par l'eau, jeudi et vendredi. Plusieurs personnes sont décédées, surtout des femmes et des enfants; Il y a environ une semaine, le roi M6 a donné l'ordre à ses ministres et gouverneurs de rester à proximité des villes touchées et d'être physiquement présents sur les lieux. Jusqu'ici, aucun d'entre eux n'a été vu.

Dans la vidéo suivante, les élèves du lycée Abdelkrim Lkhettabi ont filmé la foule en train d'essayer de quitter les lieux avec de l'eau jusqu'au cou.

Dibo-drano ara-bakiteny ny faritra indostrialy sy ny faritra hafa tao an-tanàndehibe avaratra ny alakamisy sy ny zoma. Maro ireo olona maty, indrindra ny vehivavy sy ny ankizy. Herinandro lasa izay, nanome baiko an'ireo Minisitra sy ny governora ny mpanjaka M6 mba tsy hanalavitra ny tanàndehibe voakasika sy hanatrika ny zava-mitranga eny an-toerana. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy hita izy ireo.

Ao amin'ity lahatsary manaraka ity, naka sary ireo vahoaka izay niezaka niala ny faritra niaraka tamin'ny rano hatreny an-tenda ireo mpianatra tao amin'ny lisea Abdelkrim Lkhettabi  .

https://youtube.com/watch?v=8QnVs-vzDT8

Nanome fanampiana an'i Maraoka [5] i Qatar, izay efa nandefa fanampiana ho an'i Yemen [6] voakasiky ny tondradrano ihany koa, araka ny The View from Fez.

A la demande de l'émir H H Sheikh Hamad bin Khalifa Al Thani, le Qatar a décidé d'envoyer des secours d'urgence au royaume du Maroc et à la République du Yémen, a indiqué un fonctionnaire du Ministère des affaires étrangères à The View From Fez. Ces directives de l'émir expriment la solidarité du Qatar avec le Yémen et le Maroc, pour les aider à faire face aux conséquences des inondations qui ont frappé la province d'Hadramout au Yemen et Oujda  au Maroc.

Araka ny fangatahan'ny Emir HH Sheikh Hamad bin Khalifa Al Thani, nanapa-kevitra ny handefa fanampiana vonjimaika any amin'ny fanjakan'i Maraoka sy any amin'ny Repoblikan'i Yemen i Qatar, hoy ny nambaran'ny manampahefana iray tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tao amin'ny The View From Fez. Maneho ny firaisankinan'i Qatar miaraka amin'i Yemen sy Maraoka ireo fanapaha-kevitry ny Emir ireo mba hanampiana azy ireo hiatrika ny vokatry ny tondradrano izay namely ny faritanin'i Hadramout ao Yemen sy Oujda ao Maraoka.