- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Anivon'ny Amazonia Ekoatoriana, Manampy Amin'ny Fizotry ny Fanapahankevitry ny Vahoaka Hizaka Tena ny Serasera Dizitaly

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Teratany, NewsFrames, Rising Voices
[1]

Singa fototra amin'ny paikadin'ny fiarovana ny zon'ny tany ao Sarayaku ny serasera. Sary nomen'ny ekipan'ny seraseran'i Sarayaku, nahazoana alàlana.

Amin'ny teny Espaniola ireo rohy ato amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy toromarika hafa.

Nisintona ny sain'ny iraisam-pirenena ho amin'ny tolona ataony ho an'ny taniny sy ny zony amin'ny maha-indizena azy ireo mpikambana vitsivitsy, 1.200  ao amin'ny Kichwa [quechua] any Sarayaku, tolona nilàna ny fanohanan'izao tontolo izao.

Hatramin'ny 1996, fotoana nanomezan'ny governemanta ekoatoriana ny tany be midadasika mba hanaovan'ireo orinasa fikarohana sy ho trandrahana, nefa tsy nakàna hevitra na nahazo ny faneken'ny vahoakan'i Sarayaku, dia notoherin’ [2]ireo mpikambana ireo ny fitrandrahana solika [en] [2] ao amin'ny taniny. Loza mananontanona ho an'ny tany sy ny sumak kawsay [3], na ny fiainana tsara, filozofian'ny fiainan'ilay vondrom-piarahamonina izay, ankoatry ny [en] [4], fampivelarana ny fisiana miaraka sy mirindra eo amin'ny olombelona sy ny zava-boahary ilay fitrandrahana.

Nentin'ny vahoaka kichwa-n'ny Sarayaku teo amin'ny Fitsaran'ny samy Amerikana miaro ny zon'olombelona ny adiny tamin'ny 2003 ary resiny ny fanjakana Ekoatoriana tamin'ny 2012. [5]

Tsy misalasala ireo vondrona ireo mampiasa ny fomba moderina, na dia ny fomba amam-panao sy ny fahalalàna nentim-paharazana aza no arovan'ilay vondrona. Vao haingana, nohazavain'ireo mpikambana sy ireo indizena mpitarika vitsivitsy ao amin'ilay vondrom-piarahamonina tamin'ny Global voices ny andraikitra fototry ny teknolojian'ny torohay sy ny serasera amin'ny fametrahana firaisankina iraisam-pirenena.

Ny fanilihana ny fahanginana

Fomba iray hamakiana ny fahanginana, sy hametrahana fifandraisana marina amin'ny hafa sy ao anatin'ny vondrom-piarahamoniny manokana, ary hamoronana làlana mankamin'ny hoavy  ny fampiasàna ny teknolojia finday sy virtoaly ho an'ny vahoakan'i Sarayaku. Ady sarotra ny manao izay hampandrenesana ny feo hoy ny fanazavàn'i Mirian Cisneros, filoha mpitarika any Sarayaku amin'izao fotoana izao :

Alguna gente en el poder ha tratado de silenciarnos y nos han privado de la posibilidad de expresarnos con libertad, pero nosotros mantenemos un activismo continuo porque queremos ser respetados y hacer escuchar nuestras voces a través de nuestras luchas. Somos un pueblo que quiere defender su territorio para poder sobrevivir y dejar un legado de resistencia, respeto y fuerza para futuras generaciones.

Niezaka ny hampangina anay sy hanala ny fahafahanay maneho hevitra malalaka ireo olona ao amin'ny fitondrana, nefa tsy niato ny adinay satria tianay ny hanajàna anay sy hampandrenesana ny feonay amin'ny alàlan'ny adinay. Vahoaka te-hiaro ny taninay izahay mba ahafahanay mivelona sy mamela ny lovan'ny fanoherana, ny fanajàna ary ny hery ho an'ireo taranaka ho avy.

Manana bilaogy ny vondrom-piarahamonina, Sarayaku : le peuple du Midi. [6] Notantarain'i José Santi [7], iray amin'ireo mpanoratra taminay fa ho fantatry ny mponina niandàlana hoe tsy mitovy hevitra ny governemanta sy ireo olona sasany momba ilay fitrandrahana. Tsapan'ny vondrom-piarahamonina avy hatrany fa ilaina ny manangana fantson-tserasera ho azy manokana.

Ny fahatsapana ny tsy fahalalàna sy ny tsy fanajàna ny kolontsain-dry zareo ihany koa no manosika io filàna io. Araka ny hevitr'i Hilda Santi, filohan'ny vahoakan'i Sarayaku teo aloha sady mpiandraikitra ny fampianarana ankehitriny :

El gobierno habla de interculturalidad pero es solo una expresión sin fundamento. No hay un respeto real por nuestra cultura, solo quieren imponer formas de vida externas que no están alineadas con la nuestra. Tenemos mucho que decir y ofrecer y estamos encontrando nuevas vías de comunicación para que jóvenes, mujeres y hombres podamos ser protagonistas de informaciones.

Miresaka ny momba ny fifanakalozana kolontsaina ny governemanta, nefa filazàna tsy misy dikany izany. Tsy hajaina araka ny tokony ho izy ny kolontsainay, tiany ho terena fotsiny ny fomba fiaina tsy misy ifandraisana amin'ny anay. Manana zavatra betsaka ho lazaina sy homena izahay, ary eo an-dàlam-pahitàna fomba vaovao hifaneraseràna izahay mba hahafahanay, ny tanora, vehivavy, lehilahy ho mpiantsehatra amin'ny torohay / fifandraisana.

Fifandraisana amin'ny hafa sy eo amin-dry zareo

Zava-dehibe ny hàbaky ny aterineto sy ireo fomba fifaneraseràna dizitaly ho an'ny Sarayaku izay lavitra ny rehetra : tsy tonga any amin'ilay faritra raha tsy fiaramanidina kely maivana na lakana voizina, làlana adin'ny roa avy any an-tanànan'i Puyo [fr] [8].  Mbola voafetra ny fandrakofan'ny aterineto sy finday ilay faritra, nefa nampiasa paikady maro ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina mba hampiroboroboana ny fampiasàna ny fitaovana dizitaly. Nohazavain'i Santi tamin'ny Global Voices fa ankoatry ny bilaogy, [6] dia mandray anjara amin'ny fitàzonana ny pejy Facebook [9] sy ny kaonty Twitter [10]izy mba hanohànana ny hetsika ataon-dry zareo eo amin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Loharanon-tsary :  Bilaogy ôfisialin'ny tanàna kelin'ny  kichwa-n'i  Sarayaku [11], navoaka eto, nahazoana alàlana.

Niaraka niasa tamin'ny vahoakan'i Sarayaku nandritra ny fotoana maro i Andrés Tapia, miandraikitra ny fifandraisana amin'ny Fiombonamben'ireo Mizaka ny Zom-pirenena Indizena any amin'ny faritr'i Amazonia Ekoatoriana [12](CONFENIAE).  [12] Ho azy, dia manome fahafahana lehibe hizaràna vaovao ny serasera dizitaly, indrindra amin'ny kolontsaina sy ny zo amin'ny tany, tsy amin'ny vahoaka tsy indizena ihany fa amin'ny vondrom-piarahamonina indizena hafa  ihany koa.

Mandritra izany fotoana izany, raha toa ka ny fampitàna ireo fahalalàn'ny vondrom-piarahamonina ho any ambadiky ny sisin-tanin'i Sarayaku no ezaka lehibe, dia zava-dehibe ihany koa ny serasera dizitaly ao anatiny. Nohamafisin'i Apawki Castro, tompon'andraikitry ny fifandraisana ao amin'ny Fiombonamben'ireo Mizaka ny Zom-pirenena Indizena any Ekoatera,  [12] fa ny torohay anaty no ampahany lehibe indrindra amin'ny paikady ampiasain'ny Sarayaku sy ireo vondrom-piarahamonina Ekoatoriana hafa :

Hay que aprovechar las redes sociales porque tienen la fortaleza de crear nuevas vías de comunicación y complementar las formas de comunicación tradicional como las asambleas.

Tsy maintsy araraotina ny tambajotra sosialy satria izy ireo no hahafahana mamorona endri-pifaneraseràna vaovao sy mameno ireo fomba fifaneraseràna nentim-paharazana, toy ny fivoriambe.

[13]

Katy Betancourt Machoa, mpitarika ny vehivavin'ny CONAIE. Sary navoaka rehefa nahazoana alàlana tamin'ny tranonkalan'ny  CONAIE, https://conaie.org.

Lovan'ny hoavy

Araka ny filazan'i Katy Betancourt Machoa, mpitarika ny vehivavy ao amin'ny CONAIE, dia mamela ny vahoakan'i Sarayaku haneho ny fomba fijery sy fisainana samihafa ny serasera dizitaly :

Hay puntos de vista diversos y los diferentes canales de comunicación nos ayudan a articular estas posiciones y a encontrar maneras de organizarnos para resistir a los proyectos extractivos y a los otros temas que afectan directamente a la población indígena, pero que también afectan a los intereses del país en general.

Misy ireo fomba fijery tsy mitovy sy ireo fantson-tserasera samihafa manampy antsika amin'ny fanehoana ireny fomba fijery ireny mba  hahitantsika fomba hifandaminantsika sy hanamafisana ireo ezaka ataontsika hanoherana ny tetikasa fitrandrahana sy ireo olana hafa mahakasika mivantana ny vahoaka indizena, nefa koa misy fiantraikany amin'ny tombotsoan'ny firenena amin'ny ankapobeny.

Na dia mampiasa ny aterineto aza ny mpikambana ao amin'ny Sarayaku mba hampitàny ny fandikàny ny fomba nentim-paharazana mifandraika amin'ny tany sy ny tontolo iainana, dia mitodika amin'ny hoavy ihany koa ireo endrika vavaon'ny fifandraisana, izay mety handraisan'ny vehivavy, ny zanaka, ny zafikely anjara toerana lehibe ihany koa, hoy i Cisneros :

Queremos que las mujeres tomen un rol activo en la comunicación de Sarayaku porque las mujeres somos fuertes, somos valientes, y podemos liderar. Nuestra lucha no ha sido fácil, pero es el legado que estamos dejando a los jóvenes. No queremos que nuestros hijos y nietos vean solo en un libro nuestra historia, queremos que ellos vivan lo que nosotros estamos promoviendo, y sientan lo que nosotros estamos sintiendo ahora para que ellos también se unan a nuestra lucha.

Tiantsika handray anjara mavitrika amin'ny seraseran'i Sarayaku ny vehivavy satria isika, vehivavy, dia mafy, be herim-po sady afaka mitarika. Tsy mora ny adintsika, fa izany no lova avelantsika ho an'ny tanora. Tsy tiantsika ho amin'ny boky fotsiny ihany no hamakian'ny zanatsika, ny zafikelintsika ny tantarantsika, tiantsika hiainany ny zavatra nampiroboroboantsika , ary ho tsapany izay tsapantsika amin'izao fotoana izao mba hivondronan'izy ireo ihany koa amin'ny adintsika.

Satria mbola manohy ny asany amin'ny alàlan'ny lasany, ny ankehitrininy ary ny hoaviny eo amin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ny vahoaka kichwa-n'i Sarayaku, dia toa hita ho ampahany fototra amin'ny dingana ny serasera dizitaly. Farany, toa zavatra tsy azo ialàna ilay fahitan'i Castro momba ny fisoloantena any anatin'ny haino aman-jerim-bahoaka:

El enfoque siempre es la autodeterminación desde los propios pueblos. No queremos que nadie nos dé hablando sino aliados que nos ayuden a visibilizar lo que nosotros estamos diciendo para así seguir rompiendo fronteras.

Miantehitra foana amin'ny fanapahankevitry ny vahoakantsika isika. Tsy tiantsika hiteny ho antsika ny hafa, nefa misy ireo mpanohana izay manampy mba hampiharihariana izay lazaintsika mba hamakiana ny sàkana.

[6]

Ny filoha mpitarika ny Sarayaku, Mirian Cisneros. Sary navoaka rehefa nahazoana alàlana tamin'ny bilaogin'ny Sarayaku, vahoakan'i Sarayaku, http://sarayaku.org/.

Amin'ny alàlan'ireo tetikasa [14]maro, dia mbola manambatra ny heriny amin'i Sarayaku sy ireo vondrom-piarahamonina mitovy tolona atrehana ireo fikambanana ao an-toerana [15]  mba hikarohana làlana sy fomba samihafa hanamafisana sy hanaparitahana ny feony, ny hetsi-panoherana ataony ary ny fanitarana ny mpihaino azy.

Hanohy hamoaka ireo lahatsoratra momba ny vahoaka kichwa-n'i Sarayaku ny Global Voices amin'ny lahatsoratra manaraka.