- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Lesona Italiana Ho An'i Libanona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Italia, Libanona, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Inona no hitovizan'i Libanona sy i Italia, ankoatra ny fitazanan'izy ireo an'i Mediteranea ?

Nilaza ilay bilaogera Antoun Issa, tao amin'ny lahatsorany farany indrindra [1] tao amin'ny Lebanese Chess [2]  fa ny fahalalany momba ny kolikoly ara-politikan'i Italia dia inoana fa azo ampitahaina sady mivantana no tsy mivantana amin'ny kolikoly politikan'i Libanona ihany koa. Hoy izy nanoratra:

Like Italy, the Lebanese have for 60 odd years of independence been submerged in a corrupt political establishment that has shown no signs of disappearing despite bloody civil wars and endless economic failures.

Tahaka an'i Italia, rendrika tao anatin'ny kolikolin'ireo nahazo fahefana ara-politika inandritra ny 60 taonan'ny fahaleovantenany Libaney zay tsy nahitana ny fahafoanany na dia teo aza ny ady an-trano sy ny tsy fahombiazana ara-toekarena tsy misy farany.

Nanomboka ny fanehoan-keviny i Issa tamin'ny fanondroana an'i Beppe Grillo (mpikatroka Italiana, mpilalao hatsikana sady mpilalao sarimihetsika) ao Italia izay nandray anjara tamin'ny famoahana ampahibemaso ny hosoka ara-bola nataon'i Parmalat (orinasa Italiana mpamokatra vokatra vita amin'ny ronono sy sakafo). Hoy izy:

The public's anger has catapulted anti-corrupt comedian Beppe Grillo into fame. Perhaps Grillo's most famous achievement was unveiling financial fraud in dairy giant, Parmalat, in 2003.

Nahatonga an'ilay mpanao hatsikana manohitra ny kolikoly Beppe Grillo ho lasa malaza ny hatezeran'ny vahoaka. Angamba ny fanambarana ny fisian'ny hosoka ara-bola tao amin'ny orinasa goavana mpamokatra vokatra vita amin'ny ronono, Parmalat tamin'ny taona 2003 no fahombiazana malaza indrindra nataon'i Grillo.

Niresaka momba ny zavatra niainany manokana ilay bilaogera avy eo tamin'ny alàlan'ny fampitahana ny toe-javatra niainany amin'ny maha-olom-pirenena Libaney azy tamin'ny fanambaran'i Beppp Grillo:

The Italian comedian states that everyone in Italy knows about the corruption scandal, but thanks to a politically-driven media, no one speaks up. Sound familiar, dear Lebanese? Probably explains why The Daily Star never publish my material.

Nilaza ilay mpanao hatsikana italiana fa fantatry ny olon-drehetra ao Italia ny raharahan-kolikoly mahatsiravina, saingy noho ny fampitam-baovao voatarika ara-politika dia tsy misy miteny momba izany. Efa mahazatra ve ry Libaney? Manazava ny antony tsy namoahan'ny The Daily Star mihitsy ny fitaovako.

Manome ny antsipiriany bebe kokoa momba ny fanehoan-keviny amin'ny alalan'ny fampitahana ny fiarahamonina Libaney sy Italiana ny fampitahana fohy sy haingana avy amin'ny fomba fijerin'ilay bilaogera:

The scenario isn't much different in Lebanon. The sudden obsession with material possession, brand names, and a bubbling Beirut nightlife have contributed to the political fatigue, and soured the call for desperate change. Many Lebanese, like many Italians, prefer to ignore the political corruption stifling their daily lives by indulging in alluring material riches.

Tsy dia hafa loatra amin'izany ny zava-misy any Libanona. Nahatonga ny faharerahana ara-politika ny filàna tampoka fatratra ny harena, ny marika malaza, ary ny fiainana amin'ny alina mangotrakotraka ao Beirota, ka nanosika ny antso mafy hisian'ny fiovana. Libaney maro, tahaka ny Italiana maro, no nisafidy ny tsy hiraharaha ny kolikoly ara-politika izay manakantsakanana ny fiainan'izy ireo andavanandro amin'ny alàlan'ny fankafizana ny fananan-karena mahababo.

Namarana ny lahatsorany i Antoun Issa tamin'ny filazana fa nahita ny mpiandry azy i Italia tao amin'i Beppe Grillo, izay nanetsika ny vahoaka:

…It is Italy's wake up call.
Now we just need to find Lebanon's wake up call.

… Inty ny antso hifohazan'i Italia.
Mila mitady ny antso hifohazan'i Libanona isika amin'izao fotoana izao .