- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misaona An'Ilay Poety Palestiniana Mahmoud Darwish Ireo Bilaogera Jordaniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Palestina, Fifindràmonina, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 11 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nisaona ilay poeta andrarezina Palestiniana, Mahmoud Darwish [1]  izay maty [2]noho ny fahasarotana nisy teo amin'ny fandidiana fo teo amin'ny faha 67 taonany tamin'ity herinandro ity ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana. Ho an'ny Jordaniana, mihoatra noho ny mpifehy ny teny i Darwish. Heverina ho ambasadaoro sy tompondaka tamin'ny fiarovana ny Palestiniana izy; maneho mazava tsara ny fihetseham-po eny an-dalambe ao anatin'ny fampisehoana poetika izy.

Nilaza an'i Darwish ho ilay “Poeta namela ny lovan'ny sanganasa malaza mandrakizay izay nanaitra ny sofina, ny saina ary ny fon'ny vahoaka ” ilay bilaogera Ammar Sajdi [3]

Namaritra ity tranga mampalahelo ity ho “Andro tena mampalahelo ho an'ny firenena iray manontolo” i Amjad [4] raha i Mais kosa nanontany [5] hoe “iza no hanohy ny fitantarana ny ratra Palestiniana ?” (Teny Arabo)

Nandefa ny “State of Siege” [6] (Toetry ny Fahirano) i Tololy, tononkalo klasika an'i Darwish izany, izay manambara hoe: “Nahoana no misaona poety ianao?
Aza manao izany. Misaona an'izao tontolo izao tsy misy azy ianao. “

Nisafidy ny hisaona [7]an'i Darwish [8]ny ankamaroan'ny bilaogera Jordaniana tamin'ny alalan'ny famoahana [9]ny tononkalony [10]isankarazany [11]tamin'ny teny Arabo [12]sy teny Anglisy [13], mba ho vakian'ny rehetra ao anatin'ny fiderana [14]ilay poety malaza amin'ny alàlan'ireo teny nampiasainy manokana .

Voatery nampatsiahy ilay profesora Arabo mpiara-miasa aminy izay nanokatra ny masony tamin'ny sanganasa tononkalon'i Mahmoud Darwish i Asoom [15], raha nampahatsiahy ny fanatrehany ny tononkalony farany izay novakiana tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina ao Ramallah tamin'ny volana Jona lasa kosa i Iman [16]  .

Sarin'i Mahmoud Darwish [17] tao amin'ny Wikimedia Commons

Hita ao amin'ny Global Voices Online ihany koa :
MasoArabo : Fisaonana an'i Mahmoud Darwish [18]