- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanameloka Ny Polisy Noho Ny Fisamborana Tsy Ara-dalàna Sy Ny Fanagiazana Boky I Zunar, Mpanao Sariitatra Politika Maleziana

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, GV Mpisolovava
[1]

Niangavy ny polisy mba hamerina ny boky miisa 1.118 sy t-shirt miisa 103 i Zunar izay nogiazana nandritra ny fisamborana azy tamin'ny 17 Desambra 2016 teo. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Vondrona Mpakafy Sariitatra Zunar

Nitory  [2]ny polisy ilay mpanao sariitatra Maleziana Zulkiflee S.M. Anwarul Haque, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Zunar [3], noho ny fisamborana azy sy ny fanagiazana ny boky t-shirt misy ireo sariitatrany tamin'ny 17 Desambra 2016.

Niampanga ny polisy tamin'ny fisamborana tsy ara-dalàna sy ny fangalana ireo boky miisa 1 187 sy t-shirt miisa 103 nandritra ny hetsika izay nokarakaraina mba hihaonany tamin'ireo mpakafy azy sy hanangonana vola i Zunar . Nanazava [4]ny antony  nanaovany ny fitoriana izy:

My books are not banned and I was only selling them to my fans during the fundraising event. What is wrong with that?

Tsy voarara ireo bokiko ary nivarotra izany tamin'ny mpankafy aho nandritra ny hetsika fanangonam-bola. Inona no tsy mety amin'izany?

Nosamborina [5]imbetsaka i Zunar nandritra ny taona vitsy lasa izay ary voampanga izy ho nanao fikomiana noho ireo sariitatrany izay nitsikera ny politikan'ny governemanta, ny fanararaotam-pahefana nataon'ny fiaraha-mitantana izay nanjaka tamin'ny politikan'ny Maleziana nanomboka hatramin'ny taompolo 1950, ary ny famerana ny fahalalahana sivily. Maro tamin'ireo boky sariitatra nataon'i Zunar ihany koa no nogiazan'ny manampahefana noho ny filazana fa mandrahona ny filaminam-pirenena . Nahazo fankatoavana tao anatiny sy tany ivelan'i Malezia ho mpitolon'ny fahalalahana an-gazety i Zunar. Efa nahazo mari-pankasitrahana [6] avy amin'ny Mpanaramaso ny zon'Olombelona, ny Komitiy Fiarovana ny Mpanao gazety sy ny Tambajotra Iraisam-pirenena miaro ny Zon'ny Mpanao Sariitatra izy .

Nifandray tamin'ny fanadihadiana nataon'ny polisy azy teo ambanin'ny Andininy faha 124C ao amin'ny Fehezan-dalàna momba ny “hetsika manohintohina ny demaokrasia parlemantera” ny fisamborana azy tamin'ny volana Desambra.

Nohadihadiana nandritra ny adiny enina izy ary navotsotra taorian'ny nilazan'ny polisy taminy fa “hampihatra ny lalàna izy ireo handrarana ny bokiko rehetra”. Namoaka [7]ity fanambarana ity izy taoriana kelin'ny famotsorana azy:

I would like to point out my stand: talent is not a gift, but a responsibility. It is my responsibility as a cartoonist to expose corruption and injustices. Do I fear jail? Yes, but responsibility is bigger that fear. You can ban my books, you can ban my cartoons, but you cannot ban my mind. I will keep drawing until the last drop of my ink.

Tiako ny manamafy ny toerana misy ahy: tsy fanomezana ny talenta, fa andraikitra. Andraikitro amin'ny maha mpanao sariitatra ahy ny mampiseho ny kolikoly sy ny tsy rariny. Matahotra ny fonja ve aho? Eny, saingy lehibe kokoa noho ny tahotra ny andraikitra. Azonareo atao ny mandràra ny bokiko, azonareo atao ny mandràra ireo sariitatra nataoko, kanefa tsy afaka mandràra ny saiko ianareo. Hotohizako hatrany ny sariko mandra-pahatapitry ny ranomaintiko.

Mety ho niresaka momba ny tantara ratsin'ny kolikoly [8] mifandray amin'ny praiminisitra sy ny 1MDB orinasam-pampiaambola izay an'ny fanjakana angamba i Zunar.  Voampanga ho nikepoka vola mitentina 680 tapitrisa dolara amerikana ny praiminisitra tamin'ny alàlan'ny fikirakirana vola tsy ara-dalàna nataon'ny 1MDB.

Nilaza ny mpisolovava an'i Zunar N. Surendran fa natao mba hampitandremana [9]ny manampahefana momba ny fisamborana tsy ara-dalàna hafa ny fitoriana ny raharaha itoriana ny polisy:

There will be no more tolerance for this kind of unlawful behaviour against a person whose only crime is to criticise the authorities. That is the democratic right of every Malaysian.

Tsy hisy intsony ny fandeferana ho an'ity karazana fihetsika tsy ara-dalàna ity izay atao amin'ny olona iray tsy manan-keloka afatsy ny fitsikerana ny manampahefana. Izany no zo ara-demaokratikan'ny Maleziana tsirairay.

Mitaky ny polisy hamerina ny bokiny sy ny t-shirt i Zunar  .