- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Matroudine”, Tranonkalan'ny Mpianatra Toniziana Mitokona Tsy Hanendry Hanina Voasivana

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny marsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy)

Nobahanan'ny manampahefana toniziana ny fidirana amin'ny Matroudine [1], tranonkala natokana hanolotra vaovao sy fanohanana ireo mpianatra sady mpikatroka dimy avy ao amin'ny Sendikà Jeneralin'ny Mpianatra Toniziana [2] (UGET) izay nitokona tsy hihinan-kanina [3] ho fanoherana ny fanilihana azy ireo tsy hahazo hiditra amin'ny oniversite toniziana sy ny tsy fanajana ny zon-dry zareo hahazo fanabeazana noho ny fikatrohana ataon-dry zareo eo anivon'ny UGET.

strikers-site-ban
Pikantsarin'ny fanakanam-pejy 404 toniziana malaza ratsy

Efa nitokona tsy nihinankanina hatramin'ny 11 febroary 2009 ireo tanoran'ny sandikà UGET izay antsoina hoe Ali bouzouzeya, Taoufik Louati, Aymen Jaabiri, Mohamed Boualleg, ary Mohamed Soudani ireo. Niharatsy ny toe-pahasalaman-dry zareo rehefa nitokona tsy nihinan-kanina nihoatra ny 48 andro ry zareo. Na izany aza anefa dia mbola tsy nisy ihany ny valiny [3] avy amin'ny manampahefana toniziana.