Mozambika: 2038?

(Marihina fa tamin'ny 2 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tahaka ny ahoana i Mozambika afaka 30 taona? Manolotra ireo tranga “bizantinina” miisa sivy ary manasa ny mpamaky mba hanova azy ireo araka izay hitany fa mety ilay mpandinika ny fiarahamonina Carlos Serra [pt];

1. A língua portuguesa será residual, penumbrada pela língua inglesa, tornada esta língua veicular por excelência nos meios urbanos. A língua portuguesa será especialmente uma língua douta, falada em círculos alfarrábicos, amparada por mestiçagens linguísticas docemente malandras em zona savaneira.
2. Os minérios serão geridos por Chineses, Russos, Brasileiros e eventualmente Indianos. O vale do Zambeze será sino-brasileiro em sua carvoação.
3. Se calhar já haverá petróleo, com Americanos e Canadianos na exploração.
4. As florestas, se ainda restarem, serão chinesas.
5. A terra será dos bio-combustíveis, gerida por ecléticas parcerias empresariais, abraçada pela pequena agricultura itinerante e desesperada, cumprimentada por celeiros especiais e bem protegidos de cereais para exportação (China e Índia).
6. O comércio, por grosso e a retalho, será sino-indiano, quinquilheiro.
7. A costa turística será europeia, com euro-americanos safarizados e chorando agarrados à memória de uma Europa moribunda e de uma América desimperializada.
8. Celulares serão fabricadas na terra, com exterior Nokia e alma chinesa; os carros serão sino-coreanos, com layout americano.
9. O mais imponente dos nossos ministérios, um super-ministério, será o dos Negócios Estrangeiros (veja-se a sua grandiosidade actual ali na baixa de Maputo, imagine-se o que será no futuro).

1. Ambikambiny sisa no ampiasaina ny teny Portiogey, takon'ny teny Anglisy, ary lasa fiteny tsy fahita firy any amin'ny faritra an-drenivohitra. Ho lasa fitenin'ny manam-pahaizana manokana ny Portiogey, izay ampiasaina any amin'ny tontolon'ny kolontsaina, ary tohanan'ny fiteny malefaka mifangaro ao amin'ny faritra Savannah.
2. Ho tantanan'ny Shinoa, Rosiana, Breziliana ary farany ny Indiana ny harena mineraly. Hanana fitrandrahana shinoa-breziliana ny lohasaha Zambèze.
3. Raha misy ny herijika , dia hisy solitany, miaraka amin'ireo Amerikana sy ny Kanadianina hitrandraka izany.
4. Raha mbola misy ny ala dia ho fananan'i Shina.
5. Lasa ho tany mampiasa famokarana ara-boajanahary izany, izay ho tantanan'ny mpiara-miombon'antoka ara-barotra isankarazany, ho feno ny fambolena majinika miovaova toerana sy mahakivy, miampy ny fanangonam-bokatra manokana sy voaharo tsara ho an'ny fanondranana vokatra ‘céréales’ any Shina sy India.
6. Ny varotra, mpamongady na antsinjarany, dia ho Shinoa-Indiana, toy ny vita Shinoa.
7. Ho lasan'i Eoropa ny morontsiraka fizahantany, miaraka amin'ny Eoro-Amerikanina miakanjo safari mitomany sy mifikitra amin'ny fahatsiarovana an'i Eoropa efa ho faty sy i Amerika tsy imperialista.
8. Eto an-toerana no hamokarana ny finday, miaraka amin'ny fonosana Nokia sy ny fanahin'ny Shinoa, ho Shinoa-Koreana ny fiara, miaraka amin'ny famolavolana Amerikana.
9. Ny minisitera tena mahatalanjona , ny minisitera milay indrindra, dia ny an'ny Raharaham-barotra vahiny (jereo eto ny fahalehibeazany amin'izao fotoana izao ao afovoan-tananan'i Maputo mba hahitana ny ho toetoetrany amin'ny hoavy).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.