- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Ary Raha Toa Ka Efa Hatrizay I Olive Riley No Namahana Bilaogy?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Aostralia, Arabia Saodita, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 19 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Maty [1] teo amin'ny faha 108 taonany ilay bilaogera Aostraliana antitra indrindra eto amin'izao tontolo izao, Olive Riley [2]. Raha nisaona ny fahafatesany i Mohammed Al Shehri [3] , avy any Arabia Saodita dia nanontany tena hoe inona ny lova navelan'i Riley raha toa ka nisy ny Aterineto ary raha efa hatrizay no nisy ny famahanana bilaogy.

Hoy izy nanoratra [Ar]:

اليوم تناقلت وكالات الأنباء خبر وفاة الزميلة الاسترالية Olive Riley
أكبر مدونة في العالم عن عمر يناهز 108 سنوات ( توفيت السبت الماضي ) عاصرت فيها أحداث قرن مضى بكل حروبه الأولى والثانية وثورته وصناعته ومدنيته وهمجيته ، وديكتاتوريه وضحاياه وافراحه وأحزانه ، أرشيف كامل من الذكريات قد تعجز عن حمله مدونة ! ولكنه التدوين وشغفه عندما يطل بعد كل هذا العمر .
تخيلوا معي لو أن التدوين بشكله الحالي موجوداً منذ زمن بعيد وأن أوليف دونت طوال تلك السنوات كل ما مر بها في حياتها من قصص وأحداث ومشاعر منذ شبابها وحتى وفاتها ، يا ترى كيف ستكون خانة الأرشيف !
بالتأكيد سيكون الأمر أكثر إثارة ونحن نقرأ يوميات هذه المرأة عندما بدأت الحرب العالمية الثانية وكيف كانت مشاعرها في ذلك الوقت وما الذي كانت تقوله الصحافة ورأيها بما يحدث أو نقرأ مثلاً تدوينة عن حبها الأول وكيف كان أو عن رأيها عندما شاهدت أول تلفزيون يتم إختراعه وعمرها لم يتجاوز 22 سنه ! …
المدونون هم من يكتبون التاريخ الحاضر لقراء المستقبل ! و اوليف بتديوناتها كادت أن تكون شاهدة على عصرها لو أن التدوين وجد منذ زمن .
كم هم محظوظون قراء المستقبل .. أنا أحسدهم .
لكن يا ترى ما الذي جعل أوليف تفكر بالتدوين بعد كل هذا العمر !؟

Maty teo amin'ny faha-108 taonany ny mitovy asa amintsika bilaogera Aostraliana  tranainy indrindra manerantany Olive Riley. Hitany ny revolisiona sy ny indostria, ny fahendrena sy ny fahaverezana, ny mpanao didy jadona sy ny niharam-boina, ary ny fahasambarana sy ny alahelo tao anatin'ny ady lehibe voalohany sy faharoa. Nentiny niaraka taminy ny tahirim-pahatsiarovana , mihoatra noho izay azon'ny bilaogy iray entina. Ary avy eo dia hitany ny famahanana bilaogy sy ny fientanentanana tao anatin'izany, indrindra tamin'ny taonany!

Andeha alaina sary an-tsaina àry raha efa nisy ny famahanana bilaogy amin'izao andro iainana izao tamin'ny fotoana fahiny ary raha mbola notohizan'i Olive ny famahanana bilaogy nandritra ireo taona ireo ka nanoratra ny zavatra niainany rehetra izy, ny fihetseham-pony sy ny zava-nitranga, nanomboka hatramin'ny fahatanorany ka mandra-pahafatiny. Dia toy ny ahoana re ny tahirin'ny bilaoginy e ?

Azoko antoka fa ho faly isika hamaky ny diariny rehefa nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa, ny fihetseham-pony, ny fihetsiny manoloana ny zavatra nosoratan'ny gazety ary ny heviny momba ny zava-nitranga. Mety hahafinaritra ny hamaky ny lahatsoratra momba ny voaloham-pitiavany; na ny fihetsem-pony rehefa nahita ny fahitalavitra voalohany izay noforonina fony izy mbola 22 taona!

Manoratra ny tantara amin'izao fotoana ny bilaogera ho an'ny mpamakin'ny ampitso ! Ary mety ho vavolombelona voalohany tamin'io vanim-potoana io i Olive tao anatin'ny famahanany bilaogy  raha efa nisy ny bilaogy. Tena tsara vintana ny mpamakin'ny hoavy! Mialona azy ireo aho! Manontany tena aho hoe inona no nahatonga an'i Olive hanomboka ny famahanana bilaogy taorian'ny fahanterany ?!