Namoaka Boky Any Brezila i Luaty Beirão, Gadra Politika Angoley Teo Aloha

Ny Fikatrohana ao Afrika, Ny Fihaonambe Iraisam-pirenena nokarakarain'ny Foiben'ny Fikarohana Iraisam-pirenena. Sary avy amin'i Hugo Alexandre Cruz (nahazoana alàlana)

 

Namoaka ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Sou Eu Mais Livre, Então, tao amin'ny Oniversiten'i São Paulo (USP) ilay mpiangaly gadona rap sady mpikatroka Angoley Luaty Beirão tamin'ny 3 Aogositra lasa teo. Tamin'ny taona 2015, nahazo laza noho ny famonjana azy ireo i Beirão sy ny mpikatroka Angoley hafa miisa 16, ato [mg] ny resaka momba izany ato amin'ny Global Voices [mg]

Nivory ireo mpikatroka hiresahana ny politika Angoley avy amin'ny famakiana ny dikantenin'ny boky hoe Da Ditadura à Democracia, nosoratan'ilay mpanoratra Amerikana Gene Sharp, fantatra amin'ny fanolorany fomba tony hiadiana amin'ny didy jadona.

Ny fiampangana fisian'ny lazain'ny governemantan'i José Eduardo dos Santos, filoham-pirenena nanomboka hatramin'ny taona 1979 no vokatr'ity fivoriana ity. Nandritra izany fotoana izany no namonjana azy tao amin'ny fonjan'i Calomboloca ary nanaovan'i Beirão fitokonana tsy nihinan-kanina nandritra ny 36 andro ho fanoherana izany.

 

Noraketin'ilay mpikatroka tao anaty diary ny androny tany am-ponja na dia teo aza ny faharerahany, izay hita ao anatin'ity boky navoaka ankehitriny tao amin'ny USP ity. Nisy lahatsoratra navoakany tao amin'ny Facebook nilazany ny famoahana ny boky, maro ny olona no niarahaba azy tamin'ny zava-bitany ary nandrisika azy mba hanohy ny adiny hisian'ny fahafahana ao Angola. Hoy i Josefina Barros raha naneho hevitra :

É um Homem inteligente, culto e que ama Angola. Desejo-lhe as maiores felicidades na sua vida e que possa contribuir para uma sociedade Justa e Democrática em Angola. Augusto Curry ensina-nos a não desistir dos nossos sonhos.

Lehilahy manan-tsaina, nahita fianarana sy tia an'i Angola izy. Mirary ho anao ny tsara indrindra aho eo amin'ny fiainanao, ary ho afaka handray anjara eo amin'ny fiarahamonina marina sy demaokratika any Angola. Nampianatra antsika tsy ho kivy manoloana ny nofinofintsika i Curry Augusto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.