- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Didy Vaovao Fampidirana Am-ponja an'ilay Bilaogera Efa Migadra Hatramin'ny Taona 2007

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

ranad-mosad.jpegTamin'ny fihetsika tsy nisy fanazavana, namoaka didy fanagadrana vaovao ho an'ilay bilaogera sady mpikatroka, Mos'ad Abu Fagr [1] ny minisiteran'ny atitany Ejiptiana. Nafindra tany amin'ny fonjan'i Borg El Arab ao Alexandria ity bilaogera nogadraina [2]ity raha tokony ho ao amin'ny fonjan'i Sinai avaratra. Niteraka olana teo amin'ny fianakavian'i Abu Fagr rehefa hitsidika azy ity famindrana ity, satria monina ao Sinai izy ireo.
Nosamborina [2] tamin'ny 26 Desambra 2007 i Abu Fagr, saingy namoaka didy famotsorana azy im-balo [2] ny fitsarana sy ny D.A, na dia mbola notazonina tany am-ponja foana aza izy.

Manana bilaogy antsoina hoe Wedna Ne3eesh [3] (Te ho velona izahay) ilay mpikatroka sy mpanoratra tantara Sinai, Fagr, izay anoratany ny fitakian'ny Bedouins ao Sinai [4], milaza ny fiainan'izy ireo sy mitady ny zo mahaolompirenena azy ireo.