Ejypta: Didy Vaovao Fampidirana Am-ponja an'ilay Bilaogera Efa Migadra Hatramin'ny Taona 2007

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

ranad-mosad.jpegTamin'ny fihetsika tsy nisy fanazavana, namoaka didy fanagadrana vaovao ho an'ilay bilaogera sady mpikatroka, Mos'ad Abu Fagr ny minisiteran'ny atitany Ejiptiana. Nafindra tany amin'ny fonjan'i Borg El Arab ao Alexandria ity bilaogera nogadraina ity raha tokony ho ao amin'ny fonjan'i Sinai avaratra. Niteraka olana teo amin'ny fianakavian'i Abu Fagr rehefa hitsidika azy ity famindrana ity, satria monina ao Sinai izy ireo.
Nosamborina tamin'ny 26 Desambra 2007 i Abu Fagr, saingy namoaka didy famotsorana azy im-balo ny fitsarana sy ny D.A, na dia mbola notazonina tany am-ponja foana aza izy.

Manana bilaogy antsoina hoe Wedna Ne3eesh (Te ho velona izahay) ilay mpikatroka sy mpanoratra tantara Sinai, Fagr, izay anoratany ny fitakian'ny Bedouins ao Sinai, milaza ny fiainan'izy ireo sy mitady ny zo mahaolompirenena azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.