- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Bilaogera Malaza Voatsatoka Antsy

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: efa tamin'ny volana Febroary 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Adiny roa izay, nitatitra i Zola avy ao amin'ny twitter fa nahazo antso an-tariby avy amin'i Guo Jian-loong [1]milaza fa voatsatoka antsy indroa tao amin'ny trano fivarotam-boky, One Way Street, tao Beijing ilay bilaogera malaza sady mpanoratra tantara Xu Lai ao amin'ny ProState in Flame [2], rehefa handeha avy nitafatafa tamin'ny olona.

Malaza amin'ny fomba fiteniny maneso amin'ny fitsikerana ny olana ara-tsosialy sy ara-politika i Xu ary anisan'ny voatendry tamin'ny bilaogy Shinoa tsara indrindra tamin'ny loka BoB 2005 nokarakarain'ny Deutsche Welle. Mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny Beijing News izy ankehitriny ary vao haingana no nanoratra boky iray antsoina hoe Imagined Animal na biby nalaina sary an-tsaina (nivoaka tamin'ny Novambara 2008). Manana traikefa amin'ny asa fampahalalam-baovao izy ary araka ny filazan'i Zola [3], nitsidika ny Fonja Beijing Black (fitazonana mpanao fihetsiketsehana) ry zareo tamin'ny herintaona. (I Guo Jian-loong no nitsidika ny Fonja Beijing Mainty niaraka tamin'i Zola.)

Mbola tsy fantatra hatramin'izao ny antony nanindromana antsy an'i Xu. Any amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana ary mety hodidiana, soa ihany, fa tsy atahorana ny ainy, doubleaf [4] nitatitra tao tamin'ny twitter hoe:

chinese well-known blogger Prostate In flame  前列腺要发言 stabbed this afternoon, no threat to life

Bilaogera Shinoa malaza Prostate In Flame  前列腺要发言 voatsindrona antsy tamin'ny atoandro, tsy atahorana ny ainy

Maro ireo bilaogera tezitra noho izany herisetra izany ka naneho ny fahatezeran'izy ireo tao amin'ny twitter:

txxx namerina ny siokan'i axxx (hafatra voaaro):

天呐,徐来被刺。这难道还是闻一多的时代吗?

Andriamanitra ô! voatsatoka antsy i Xu Lai, miaina ny vanim-potoanan'i Wen Yiduo ve isika. (Fanamarihan'ny mpandika: poeta i Wen ary mpikatroka tamin'ny hetsika 4 Mey, maty novonoin'ny GMT izy tamin'ny taona 1945 taorian'ny tafatafa tamin'ny vahoaka).

axxx (hafatra voaaro):

尽管不知道徐来何故遇刺,朋友仍然很肯定的总结:对一个ID实行封锁、判刑、骚扰、威胁,乃至刺杀。社会已经和谐到不能容忍一个虚拟的ID在虚拟的网络上发两句牢骚,骂两句娘。

Na dia tsy fantatra aza ny antony nanindromana antsy an'i Xu Lai, mitovy ny eritreritr'ireo namana: Tao amin'ny toerana voakana ny mari-panondroana, voarahon'ny sazy ara-politika, fanorisorenana ary ankehitriny, famonoana ny olona, mirindra loatra ny fiarahamonina tahaka ity ka tsy afaka mandefitra amin'ny mari-panondroana virtoaly hanompana ao amin'ny sehatra virtoaly…

Ireto ambany ireto ny lisitr'ireo lohahevitra notsongain'i Xu tao amin'ny bilaoginy andro vitsy lasa:

10 Feb: tsy solontena ara-dalàna an'i Yanhuang Chunqiu intsony i [5] Du Daozheng [5] (fampitam-baovaon'i RFA )

10 Feb: Nahomby ny famoronana fitaovana fitiliana ho an'ny manampahefana mpanao kolikoly [6] (teny vilana (fanesoana) ara-politika)

11 Feb: Araka ny fitsipi-panjakana, tsy ara-dalàna ny fanarabiana an'i Guo Jinming [7] (mamazivazy ny fanesorana an'i Douban ao amin'ny antoko)

11 Feb: Miaro an'i Mengnui Telunsu [8] (fanesoana navoaka indray avy ao amin'ny 163.com)

11 Feb: hetsika fetiben'ny harendrin'ny CCTV tamin'ny 9 Feb [9] (maneso ny CCTV)

12 Feb: Beijing Daily namely ny Southern Weekend noho ny famazivaziana an'i Wei Kuangsheng [10] (navoaka indray avy ao amin'ny gazety tao Hong Kong)

13 Feb: Momba ny Fahamaizan'ny CCTV [11] (avy amin'ny http://singularitys.spaces.live.com)

13 Feb: Tsaho momba ny fahafatesan'i Lai Changxing [12] (vaovao tao amin'ny twitter)

13 Feb: Guangzhou Daily manohana an'i Mengniu OMP? [13](nalaina avy ao amin'ny Guangzhou Daily)

13 Feb: Iza no mahatsiaro tezitra momba ny  Southern Metro sy Southern weekend? [14] (famerenana ny vaovao avy ao amin'ny boxun mikasika ny antontan-taratasy miafina avy amin'ny CCP mikasika ireo gazety tatsimo roa)

13 Feb: Nolavina ny fangatahana zo IR Ghost hanaovana anaran'ny tarika StarCraft: satria ahitana finoanoam-poana. (avy ao amin'ny www.chinacourt.org)

13 Feb: Rohy mankany amin'ny Dushu [15] (fanamarihana fohy momba ny fananganana rohy lehibe “hyperlink”)

13 Feb: (vaovao avy amin'ny BBC) [16]

13 Feb: Filazana hanaovana fitsipi-pifehezan-tena sivilize amin'ny Andron'ny Mpifankatia [17] (fanesoana ara-politika nosoratan'i Chiao Zhifeng)

Ity ambany ity ny sary farany indrindra avy amin'i Xu Lai:


Share photos on twitter with Twitpic
Vaovao farany tao amin'ny Twitter: voatsindrona antsy tao amin'ny trano fivoahana i Xu androany 14 Febroary tamin'ny 4 teo ho eo taorian'ny tafatafa nifanaovany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Fivarotam-boky One Way Street. Amin'izao 8 ora izao, nalefa any amin'ny efitra fandidiana izy.

Vaovao farany maro hafa avy amin'ny doubleaf [18]: Nisy lehilahy roa nanaraka an'i Xu tao amin'ny trano fidiovana ho an'ny vahoaka, nitsatoka antsy azy ny iray ary ny iray hafa nandrahona hanapaka ny tanany.

Vaovao farany avy amin'ny Beifeng (at 10:30pm) [19]: Vita ny fandidiana, nodidian'ny dokotera ny kibon'i Xu.